Voamariky ny fanagadrana sy herisetran'ny polisy ny Reharehan'ny Trans ao Istanbul

Sary avy amin'i Cecilie Johnsen. Azo ampiasaina malalaka amin'ny Unsplash License.

Taorian'ny fiatoana naharitra enin-taona, natao tamin'ny 18 Jona tao Istanbul ny diabem-pireharehan'ny niova fananahana tamin'ity taona ity ary niharan'ny firotsahan'ny polisy marobe sy herisetra. Fotoana fohy taorian'ny famakian'ny vondrona ny fanambaran'izy ireo sy nanombohan'izy ireo niparitaka, nampiasa hery ny polisy ary nanomboka nisambotra olona. Araka ny tati-baovao, dia olona valo farafahakeliny no voatazona tamin'ny 18 jona teo.

Diaben'ny Fireharehan'ny Niova Fananahana tao Istanbul, Torkia, 18 Jona 2023. Noraràn'ny Governemanta Tiorka ny Diaben'ny Fireharehan'ny Niova Fananahana Istanbul tahaka ny tamin'ny herintaona

The scenes from the trans march were reminiscent of the International Women's Day march on March 8, when local police barricaded many of the side streets leading to meeting points the organizers had announced, shut down subway lines, and set up checkpoints.

Nampahatsiahy ny diaben'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy tamin'ny 8 Marsa ny seho tamin'ny diaben'ny trans, rehefa nosakanan'ny polisy teo an-toerana ny maro tamin'ireo arabe mankany amin'ny toeram-pivoriana izay nambaran'ny mpikarakara, sady nanakatona koa ny lalamby, ary napetraka ny toeram-pisafoana.

Seho tamin'ny fisamborana nandritra ny Diabem-Pireharehan'ny Trans androany tao Istanbul, Torkia.

Noraràn'ny manampahefana ao an-toerana ny hetsika rehetra mifandraika amin'ny PRIDE (REHAREHA) mandritra ny volana, ao anatin'izany ny fandefasana sarimihetsika sy ny hetsika fisotroana dite. Nandritra ny volana, noraràn'ny kaominina tantanin'ny ben'ny tanàna misolo tena ny antoko AK eo amin'ny fitondrana ny fampisehoan'ireo mpanakanto fantatra amin'ny fanohanana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Voaràra hatramin'ny taona 2015 ny diaben'ny REHAREHA fanao isan-taona.

Ny olan'ny fitondrana amin'ny vahoaka LGBTQ+

Tsy mahagaga ny zava-niseho hita tamin'ny 18 Jona raha jerena ny olana efa naharitra elabe  teo amin'ny Antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosona tamin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Ny fitantarana mielipatrana momba ny fankahalana sy ny fanavakavahana mikendry ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina ary koa ireo izay manohana azy ireo dia iray amin'ireo teboka noresahana tamin'ny fifidianana ankapobeny farany indrindra natao tany Torkia tamin'ny volana Mey 2023.

Mpikambana marobe avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan, no nibedy, nandà ny fisian'ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina natao anjorom-bala sy heverina ho tsy olona nandritra ny taona maro. Tamin'ny volana Aprily 2020, niampanga ny vondrom-piarahamonina ho nanaparitaka aretina ny Fitantanana ny Raharaha Ara-panahy. Tamin'ny taona 2021, nilaza ny filoha Erdoğan fa “tsy (ilaina ny zavatra toy ny) LGBT.” Tany am-piandohan'ny volana Mey, nilaza tamin'ny mpanohana azy  tamin'ny fahitalavitra ny filoha Erdoğan fa “ny LGBT dia poizina natsindrona tao amin'ny andrim-pianakaviana. Tsy azontsika atao ny manaiky izany poizina izany amin'ny maha-firenena ahitana Silamo ny 99 isan-jaton'ny mponina ao aminy.” Niantso ny queer ho “vetaveta” ny Minisitry ny Atitany teo aloha, Suleyman Soylu, ary namaritra azy ireo ho “fampielezan-kevitry ny fikambanana mpampihorohoro”. Talohan'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny volana May 2023, nanao fanambarana ihany koa ny minisitra teo aloha fa ny LGBTQ+ dia “ahitana fanambadiana eo amin'ny biby sy ny olombelona”. Raha nilaza ny Minisitry ny Fitsarana Tiorka, Bekir Bozdağ, fa nisy ny fikasana “hametraka ho ara-dalàna sy hankatoa ny LGBT mbamin'ny fanakorontanana maro. Adidin'ny fanjakana voalohany ny miaro ny mpikambana tsirairay ao amin'ny fiarahamonina manoloana ny zava-dratsy, ny fihevitra mamily saina sy mamitaka. “

Tamin'ny taona 2022, niala tao amin'ny Fifanarahana Istanbul i Tiorkia, fifanarahana manery ho ara-dalàna momba ny zon'olombelona ao amin'ny Vaomieran'i Eoropa izay miantoka fa hisoroka, hanenjika, ary hanafoana ny herisetra an-tokantrano ary hampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy amin'ny antony fa nankatoa ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy.

Tamin'ny herintaona, nangataka fanovana ara-dalàna — toy ny fandrisihana lalàna handràra izay nofaritan'ny vondrona ho fampielezan-kevitra LGBTQ sy ny fanakatonana ireo fikambanana LGBTQ+ rehetra ireo mpanohana sy mpikarakara ny famoriam-bahoaka notohanan'ny fanjakana antsoina hoe “Diaben'ny Fianakaviana Mahafinaritra”. Misy ihany koa ny tolo-kevitry ny antokon'ny fitondrana hanova ny andalana voalohany amin’ny andininy faha-41 amin'ny lalàmpanorenana milaza hoe “Ny fiarovana ny fianakaviana, ny tokantrano ara-panambadiana ary ny zon'ny ankizyy” ka milaza fa “”, izay manamafy kosa fa ny fianakaviana amin'ny maha fototry ny fiarahamonina azy dia tsy azo atao afa-tsy amin'ny fepetran'ny tokantrano ara-panambadiana satria amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ihany no afaka anorenana izany”.

Natoky ny mpikarakara fa nentina tany Torkia tamin'ny alalan'ny “fandresen-dahatra maneran-tany sy imperialista” ny maha LGBTQ+ ary ny tanjona dia ny “hampihena ny taranak'olombelona sy handrava ny andrim-pianakaviana.” Nilanja sora-baventy niaraka amin'ny teny filamatra toy ny hoe “Olan'ny fiarovam-pirenena ny fiarovana ny fianakaviana” sy ny “Atsaharo ny fampielezan-kevitra sy ny fametrahana ny LGBTQI” ireo mpanao fihetsiketsehana. Nilaza ny iray tamin'ireo mpikarakara izay nandray fitenenana nandritra ny diabe hoe: “Eto izahay mba handà ny lalao maneran-tany, amin'ny drafitra maloto sy ratsy izay mifototra amin'ny teti-dratsy maneran-tany sy manimba ny soatoavin'ny fianakavianay.” Araka ny tatitry ny Gazety Duvar, nisy famoriam-bahoaka mitovy amin'izany natao nanerana ny faritany maromaro ao Torkia.

Ao amin'ny Sarintany sy ny Tondro Rainbow Europe fa amin'ireo firenena 49 vao haingana indrindra, nametraka an'i Torkia ho laharana faha-48 ny Fikambanana Iraisam-pirenen'ny Lesbiana, Pelaka, manana taovam-pananahana roa, ny mpanova taovam-pananahana sy ny manana taovam-pananahana tsy ara-dalàna (Lesbian, Gay, Bisexual, Trans, and Intersex) (ILGA).

Tokony nanao diabe tamin'ny 25 Jiona ireo mpikambana sy mpanohana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ amin'ny hetsika iray hanamarihana ny diaben'ny FIREHAREHANA faha-21 ao Istanbul. Tamin'ny heritaona, olona maherin'ny 300 no voatazona nandritra ny diabe fanao isan-taona. Tamin'ity taona ity, mpanao gazety 100 mahery no nanao sonia fanambarana mitsikera ny herisetra sy ny fandràrana mikendry ny olona LGBTQ+ sy ny mpiara-dia aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.