Yemen : ny anjara toeran'ireo feminista any ivelany manoloana ny ady atao amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona

Hafatra eo amin'ny rindrin'ireo vehivavy mpikatroka, “Hands off Yemen”, Araben'i Damaskaosy, Sanaa, Yémen, 2015. Antsipirihan'ny sangan'asa Yemen Hands an'i Julien Harneis tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0). Nasiam-panovàna.

Nipetraka tany Suisse niaraka tamin'ny vady aman-janako aho nandritra ny 5 taona. Tamin'ny May 2015, nandositra an'i Aden aho noho ny ady nisavoritaka, raha mbola nanakoako avy ao ambadika kosa ny feon'ireo balafomanga sy fipoahana nampanahy. Sahala amin'ny nitazonako ny zanako, no nitondrako koa tao ampoko ny fanaintainana mafin'ny fireneko. Izany dia toy ny hoe manaraka ahy tsy mijanona ireo fipoahana mankarenin-tsofina, toy ny hoe misintona sy mitarika ahy ho any amin'ilay tanàna sarobidy nahaterahako sy ilay fitiavako voalohany : Aden.

Sarotra ny fanapahankevitra handao an'i Yemen. Kanefa tsy nanan-tsafidy hafa afa-tsy ny hifindra monina aho rehefa novoina tamin'ny fomba feno habibiana ilay rahalahikeliko, Ahmad, raha nikasa ny hanavotra an'ireo sivily tsy mitam-piadiana aho noho ny daroka baomba nataon'ireo Houthis nandritra ny fananiham-bohitra ny tanàna tamin'ny taona 2015.

Mitohy mitoetra ao an-tsaiko hatrany ny fahatsiarovana ny fandosirana an'i Aden, mampihorin-koditra, marihan'ny fianjeran'ny reniko teny ambony fiara rehefa nitomany ny fahafatesan'ny zanany lahy malalany izy, noho ny fahitana mandrotika ihany koa an'ireo vatana tsy nisy aina intsony niparitaka teny amoron-dalana sy ny fisian'ireo tanora Houthis mpikatroka mandrahona, izay nanakana anay teny amin'ireo toby fisavàna mba hitady fitaovam-piadiana na olona ilaina.

Amin'izao fotoana izao, taorian'ny nandaozako an'i Yemen, dia mipetraka amina toerana azo antoka sy milamina aho, izay tena manan-danja tanteraka ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ; fitahiana iray izay tsy ananan'ireo Yemenita marobe, ao anatiny sy ivelan'i Yemen. Na izany aza, ny fifandraisana amin'ireo izay tavela any an-tanindrazana, sahala amin'ny reniko, ny rahavaviko, ny fianakaviana ary ireo namana, dia fonenan'ny tebiteby sy alahelo. Malahelo azy ireo aho, maniry hisotro miaraka amin'izy ireo ilay kafe Yemenita tsy mampino aho,  ary mahatsapa ny hanina mafy hiverina any Yemen.

Na dia tafiditra ho anatin'ny fiarahamonina Soisa aza aho tamin'ny alalan'ny asa, ny fianarana ny fiteny sy ny fifandraisana sosialy, dia mbola mitohy ho Yemenita tsy misy fangarony ary mahatsapa fifandraisana lalina amin'ny tanindrazana niaviako izay naha-lehibe sy nandaniako ny ankabeazan'ny fiainako. Indrisy anefa fa ny antony tokana nanery ahy handao an'i Yemen dia ny toe-javatra noho ny mahaolona ary koa ny filaminana.

Tsy izaho irery no anatin'ny toe-javatra sahala amin'izany : manodidina ny folo tapitrisa ireo Yemenita monina amin'ny faritra samihafa eran'izao tontolo izao ankehitriny. Talohan'ny revolisiôna tamin'ny taona 2011, marobe ireo Yemenita no nifindra monina mba hitady fivelomana, indrindra fa tany amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa izay mbola onenan'ireo Yemenita manodidina ny 3 tapitrisa, ao Arabia Saodita ny ampahany betsaka.

Na izany aza, ity revolisiôna ifotony ity izay aingampanahy avy amin'ny Lohataona Arabo, dia nivadika haingana ho fifandonana mahery vaika nitarika ho amin'ny fitontonganan'ny filaminana sy ny fifindran-toeran'ireo Yemenita an-tapitrisany. Vokatry ny faharatsian'ny toe-draharaha ara-politika sy ny ara-piarovana dia nivadika ho toerana tsy dia mahasarika intsony ho an'ireo mponina ao aminy i Yemen, ka nitarika azy ireo handao ny tanàna nahaterahany, saingy vitsy ihany no manana ny fahafahana, ny fifandraisana ara-tsosialy na ny fahafahana ara-panabeazana mba hahazoana fahazoan-dàlana mivahiny any amin'ireo firenena hafa.

Angamba ho ahy sy ho an'ireo hafa dia fitahiana misarontsarona izany hoe voatery nandao an'i Yemen izany. Ny fipetrahana any Soisa dia nanome ahy ny fahalalahana haneho hevitra sy fahafahana hieritreritra ny fomba nahafahan'ny fahalalahana izay sitrahan'ireo Yemenita any Andrefana nisolo tena tanteraka ny toe-draharaha ao Yemen eny anaty karajia iraisam-pirenena. Marina indrindra ireo teboka resahana ireo ho an'ny vehivavy Yemenita, izay miatrika fahasahiranana goavana amin'ny resaka miralenta. Maniry aho ny hizara vitsivitsy amin'ireo fijeriko mikasika ny andraikitry ny vehivavy Yemenita feminista sy ireo mpikatroka monina any ivelany, ary koa ny fanamby atrehan'izy ireo.

Manampy an'i Yemen avy any ivelany ireo feminista.

Mandray anjara lehibe sy mahomby ireo Yemenita mpikatroka sy ireo fikambanana feminista any Andrefana amin'ny resaka famoronana fahatsiarovantena, amin'ny fampiroboroboana sy fanamafisana ny feo sy ny traikefan'ireo izay tsy mba manana fahafahana maneho hevitra an-kahalalahana ao Yemen, indrindra fa ireo vehivavy nampanginina noho ny antony fiarovana. Nivadika ho masoivoho matanjaka misolo an'i Yemen hatrany ivelany ireny sampana ireny. Izay vola be tokoa noho ny fironan'ireo loharano erantany mba hikimpy maso amin'ny toe-javatra mahazo ilay firenena sy tsy fahampian'ny fahafahan'ireo masoivoho ofisialy.

Ireo Yemenita feminista sy ireo mpikatroka mpandala ny zon'olombelona sy ny zon'ny vehivavy dia nikarakara tamim-pahavitrihana hetsika ara-kolontsaina, fiarovana ny zon'olombelona sy ny fampiroboroboana, sahala amin'ireo fihetsiketsehana sy fampirantiana ho tsindry aloka amin'ny fanapahan-kevitr'ireo tomponandraikitra any amin'ny firenena tsirairay avy, amin'ny fomba ara-dalàna na tsia. Ankoatra izay, nanangana vovonana izy ireo, toy ny tambajotra Feminist Solidarity miaraka amin'ny fanampian'ny orina Peace Track Initiative sy ireo fiaraha-mitantana hafa izay mamolavola fanentanana ho fiarovana ireo mpikatroka ao an-tokantranony, indrindra fa ireo vehivavy ary hiaro ny tolon'izy ireo.

Angamba iray tamin'ireo fahombiazana tena nanan-danja nataon'ireo Yemenita ny famoronana karatra iray ho an'ireo vehivavy mikatsaka fandriampahalemana. Sambany tao Yemen no nisy adihevitra ara-piarahamonina nankalazaina tamin'ny fomba lehibe sahala amin'izany, izay nanjary tetikasa nasionaly tokana amin'io karazana andraikitra io, izay miasa miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ireo vondrom-piarahamonina sy amin'ny fomba fijery mitodika amin'ny miralenta.

Araka izany, ireo fanadihadiana nentin'ireo vehivavy Yemenista mpitarika maro teo amin'ny Filankevi-Pilaminana ao amin'ny Firenena Mikambana dia niasa ho toy ny fitambarana porofon'ny tanjaka, ny fahamatorana sy ny feon'ny fieritreretan'ireo vehivavy Yemenita, ny fanolorantenany tsy azo hozongozonina manoloana ireo olana mahazo ny firenen-dry zareo sy ny ezak'izy ireo tsy tapaka amin'ny fitondrana fanampiana.

Fanamby, fandrahonana ary fanentanana mamitaka

Hatramin'ny fiandohan'ny ady an-trano tao Yemen tamin'ny 2015, niatrika fiovàna goavana ireo fikambanana fiaraha-monim-pirenena noho ny fihenan'ny fanampian'ireo mpamatsy vola. Vokatr'izany dia naato ireo asa sy tetikasa marobe mifandraika amin'ny zon'olombelona sy ireo fandaharan'asa fiarovana, indrindra fa noho ny toe-draharaha ara-politika sy ara-piarovana, ary ny fiovàn'ny mpitantana ny fanampiana ara-bola narotsaka ho an'ireo asa fanampiana maika. Na eo aza izany, na misy sakana maro aza, ny fandraisana andraikitra ataon'ireo vehivavy monina any ivelany dia nitàna anjara toerana lehibe tao Yemen tamin'ny fanofanana ireo fikambanana, ireo vovonana sy santatr'andraikitra niarahana niasa tamin'ireo vehivavy ao amin'ny firenena. Nanampy tamin'ny fampihenana ny elanelana naterak'ireo sakana izany, manoloana ny hetsika sivily nataon'ireo vehivavy tao Yemen.

Na teo aza ny ezaka nataon'ireo vehivavy mpikatroka sy ireo mpiaro ny zon'olombelona any ivelany dia marobe ireo olona miatrika karazana endrika herisetra nomerika maro, anisany hitanay amin'izany ireo vazivazy sy ny tsy fanasiana lanjany ny andraikin'izy ireny ao anatin'ny fandraisana anjara amin'ireo dingan'ny fandriampahalemana sy ny fanarenana ny firenena.

Ireo Yemenita mpikatroka, na eo amin'ny taniny izy ireo na any ivelany, dia miatrika foana ny fanentanana mitongilana ataon'ireo haino-vaky-jery izay manana tanjona ny hanaratsy azy ireo amin'ny asa politika sy ny maha-mpikatroka azy ireo ho an'ny zon'olombelona. Vokatr'izany dia mety ho voampanga izy ireo ho miray tsikombakomba  amin'ny Tandrefana na iharan'ny fanendrikendrehana mihitsy aza mifandraika amin'ny voninahiny ; na izany aza, hadinon'izy ireo fa ireo  tetikasa izay tontosa dia mety tsy nahita masoandro mihitsy raha toa izy ireo nijanona tao Yemen.

Na ao anatin'ny firenena izy ireo na any ivelany, hanohy ny asany hatrany ireo vehivavy Yemenita. Hitan'izy ireo ho toy ny zo iombonana ny tany nahaterahany ary andraikitra ifampizaran'ireo Yemenita rehetra, na izy ireo ao anatiny na ivelan'ny firenena. Na eo aza ireo fanamby rehetra, dia nanapa-kevitra izy ireo ny hiaraka hiasa mba hanarenana an'i Yemen amin'ny  fiantohana ny hisian'ny fiainana mendrika sy voaaro ho an'ny rehetra, lahy sy vavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.