Nasehon'i Moldavia tamin'ny fomba ‘antonony nefa mazava’ ny fanohanany ny UE tamin'ny fifidianana tany an-toerana

 

Fifidianana tao Moldavia ny 5 Novambra 2023. Pikantsarin'ny lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona Euronews YouTube. Azo ampiasaina.

Tamin'ny 5 Novambra, nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana ny Moldaviana mba hifidy manampahefana miisa 12.000 eo ho eo amin'ny fifidianana maherin'ny 800 any an-toerana, anisan'izany ny ben'ny tanànan'ny renivohitra,Chişinău.

Zara raha nihoatra ny 40 isanjato ny taham-pahavitrihana nanerana ny firenena, betsaka kokoa raha oharina tamin'ny fandatsaham-bato tamin'ny taona 2019.

Nitatitra ny NewsMaker fa eo ho eo ihany ny fanohanana nefa mazava ho an'ny antoko PAS am-perinasa (Antoko Hetsika sy Firaisankina) izay mpanohana ny Vondrona Eoropeana araka ny vokatra savaranonando tamin'ny fifidianana tany Moldavia. Naneho hevitra tamin'ny 6 Novambra momba ny voka-pifidianan'ny 5 Novambra ny Minisitry ny Fotodrafitrasa sy ny Fampandrosoana ny Faritra, Andrei Spino, izay mpikambana ao ihany koa. Niarahaba ny PAS i Spino, nanamarika izy fa nandresy tamin'ny faritra miisa 19 manerana ny firenena ny antoko. Na dia resin'ny ben'ny tanàna ankehitriny Ion Ceban, solontenan'ny antoko mpanohitra Hetsika Nasionaly Hafa (MAN) aza ny kandida ben'ny tanàna PAS ho an'ny renivohitra Chişinău, Lilian Carp, dia nanantitrantitra ny minisitra fa hanana “antoko matanjaka ao amin'ny Filankevitra Monisipaly Chişinău ny PAS. Nahazo vokatra tsara izahay – mpanolotsaina monisipaly miisa 20 avy amin'ny PAS no hisolo tena ny fampandrosoana ny tanàna manara-penitra Eoropeana,” hoy izy nanampy raha nilaza momba an’i Chişinău.

Na dia tsy manohana an-kitsirano ny mpomba an'i Rosia aza ny antoko mpanohitra lehibe dia tsy nilaza ny heviny izy ireo momba ny firotsahan-kofidian’i Moldavia ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Nanamarika ny Radio Free Europe fa maneho ny mety ho fihemoran’ny antokon’ny filoha mpomba ny tandrefana Maia Sandu ny nahavoafidy indray ny ben'ny tanàna am-perinasa Ion Ceban ho ben'ny tanànan’ny renivohitr'i Moldavia, raha manosika ny fanavaozana mba handrosoana amin’ny firotsahan'ny firenena hiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana ary hanalavitra ny fitaoman'i Moskoa kosa ny governemanta.

Nilaza anefa i Spinu fa, araka ny voka-pifidianana fihodinana voalohany, nahazo fandresena tany amin'ny faritra miisa 240 ao Moldavia ireo kandidà ben'ny tanàna PAS.

“Nandresy nanerana ny firenena ny vinan'ny mpomba ny Eoropeana. Ity no fanatsoahan-kevitra manan-danja indrindra tamin'ireo fifidianana ireo,” hoy i Spinu. Araka ny notaterin'ny NewsMaker.

Niroso ny fifidianana tany Moldavia tamin'ny 5 Novambra taorian’ny fanitsanana ny kandidà rehetra avy amin'ny antoko Chance (Shans), izay heverina ho solon'ny antoko mpandrendri-bahoaka mpomba ny Rosiana Shor, an'ilay mpanefoefo Moldaviana nandositra Ilan Shor.

Inoana tokoa ity fanapahan-kevitra ity fa ilay mafy indrindra ao anatin'ireo fanapahan-kevitra maro izay nampiady hevitra noraisin'ny manampahefana mpomba ny Vondrona Eoropeana ao Moldavia. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanakana na hanamaivana ny fahavoazany tamin'ny fifidianana taorian'ny fampanantenana mazava nataon'i Ilan Shor — izay voaheloka higadra 15 taona an-tranomaizina noho ny fanaovana hosoka tany amin'ny banky saingy  any Israely izy amin'izao fotoana izao — momba ny fivarotana etona mora any amin'ireo toerana  izay misy ny kandidan’ny antokony (kandidan’ny antoko Vintana) heverina handresy amin'ny fifidianana fihodinana voalohany.

Nipoitra ny sazy taorian’ny fanambarana nataon’ny Vaomieran'ny Raharaha Manokana (CSE) momba ireo kandidàn'ny antoko Vintana izay voalaza fa nampiasa vola tsy ara-dalàna avy any Rosia tamin'ny fampielezan-kevitra, hoy ny Praiminisitra Dorin Recean tamin'ny 3 Novambra 2023.

2 andro monja talohan'ny fifidianana no tonga ny fanapahan-kevitra tamin’ny fanintsanana ireo kandidà tamin'ny 3 Novambra, nolazaina ny “antony filaminan'ny fanjakana” sy ny “ady hybrida” ataon'i Rosia amin'i Moldavia.

Manana fahefana handray fanapahan-kevitra toy izany ny governemanta noho ny hamehana nambara tany Moldavia vokatry ny ady any Okraina, tsy manaraka ilay fomba fiasa mahazatra. Nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera foibe misahana ny fifidianana (CEC) taorian'ny tatitra avy amin'ny Sampan-draharaham-pitsikilovana sy ny fiarovana, izay nanondro fa nahitana tranga maromaro izay voalaza fa nahazo vola avy amin'i Rosia sy ireo olom-pirenena avy amin'ny firenena hafa, anisan'izany i Kazakhstan sy Torkia, ny antoko Chance.

Taorian’io fanapahan-kevitra io, nanatona ny biraon'ny Fampanoavana tamin'ny 5 Novambra 2023 ny antoko Chance (Vintana), nitaky ny hanombohana ny fanenjehan’ny fitsarana ireo mpikambana ao amin'ny CES, hoy ny lahatsoratry NewsMaker.

Tao anatin’ny fanambaràn’izy ireo, nilaza ny antoko fa “nanohintohina ny zo an-kalalahana hifidy sy nanao fanodikodinana voka-pifidianana” ny CES, ary niampanga azy ireo ho “nanao fihetsika tsy mendrika sy nanararao-pahefana”.

Mandritra izany fotoana izany, any amin’ny kaominina sasany,  nandresy tamin’ny fifidianana ireo kandidà tohanan'i Ilan Shor nefa tsy anisan'ny antoko Chance.

Niampanga an'i Moskoa ho nikasa hanongana ny governemantany manohana ny Tandrefana i Moldavia hatramin'ny nanafihan'i Rosia an'i Okraina tamin'ny taona 2022, araka ny  tatitra nataon’ny Radio Free Europe. Mibodo an’i Transnistria ny tafika Rosiana, faritra mpisintaka mampiasa ny fiteny Rosiana betsaka indrindra ao Moldavia eo amin'ny sisintany iarahana amin'i Okraina.

Mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ny volana Novambra 2024 any Moldavia ity fifidianana manerana ny firenena farany ity, ilay firenena sovietika teo aloha naniry ny ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ary hiala amin'ny tontolon'i Rosia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.