Nadikan'ny Global Voices ity lahatsoratry ny NewsMaker ity ary naisana fanofàna mba hazava kokoa. Navoaka nahazoana alalana tamin'ny NewsMaker.
Any Moldavia, teratany Rosiana dimy mpikambana amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ no nolavina ny sata maha-mpitsoa-ponenana azy. Nanazava tamin'ireo lehilahy pelaka efatra sy vehivavy iray ‘transgenre’ ny Inspektora Jeneraly misahana ny fifindràmonina (IGM) fa “tsy fototra hanomezana sata maha-mpitsoa-ponenana ny maha-mpikambana tsotra ao anaty vondrona sosialy iray”. Izany no notaterin'ny Genderdoc-M Information Center, izay nilaza fa “tena tezitra” mafy izy ireo tamin'ny fanazavana nomen'ilay Inspektora misahana ny fifindràmonina.
Araka ny voalazan'ny foibe mpiaro ny zon'ny LGBTQ+, ireo teratany Rosiana dimy ireo dia nangataka fialokalofana tany Moldavia noho ny tahotra mety hiantsoana azy ireo hiady ao Okraina sy noho ny fironany ara-nofo.
Nitatitra ny Genderdoc-M fa :
Nolavina avokoa ny fangatahana rehetra. Toy izany koa no nitranga tamin'ny fangatahan'ny tovovavy transgenre iray atao hoe D., izay nanambara ny tahony ho an'ny fiarovana azy sy ny ainy, ary koa ny fahatsinjovana ny ho fampidirana azy ao anaty tafika ary tsy te-handray anjara amin'ny ady atao amin'i Okraina. Tao anatin'ireo valinteny dimy navoaka tamin'ity herinandro ity, nilaza ny IGM fa “manana andraikitra hiaro ny fireneny ny olona sasantsasany, ary ny fandosiran'izy ireo ny raharaha miaramila any Rosia dia tsy midika velively fisiana ambana fanenjehana”. Ho valiny mikasika ilay vehivavy “transgenre”, nanoratra ilay masoivoho fa “tsy nanome antsipirihany ampy sy porofo ilay vehivavy mba hanamafisana hoe iharan'ny fanarahamason'ny tompon'andraiki-panjakana izy” ary tandindonin-doza noho ny firaisany amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+. Na izany aza, eken'ny IGM fa any Rosia dia misy mihitsy ny lalàna manohitra ny “fanentanana LGBTQ+” ary iharan'ny sazy henjana ireo olona hafahafa, hatramin'ny fanagadràna mihitsy.
Ireo rehetra mpikambana amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ tao amin'ilay Inspektera dia nolazaina fa nandao an-tsitrapo an'i Rosia daholo, “izay manaporofo fa tsy eo ambany fanarahamason'ny tompon'andraiki-panjakana akory izy ireo amin'ny maha-olom-pirenena manohintohina ny firenena azy”. Fanampin'izay, nanaovana tsoakevitra fa “tsy mampidi-doza ho an'ny ain'ilay mpangataka ny firenena niaviany”, araka ny voalazan'ny Genderdoc-M, izay nanampy fa “tena tezitra” mafy izy ireo tamin'ny valinteny toy izany avy amin'ny Inspektera misahana ny fifindràmonina.
Nanamarika ny Genderdoc-M fa :
Ireo tohankkevitra naroson'ny IGM sy ny fomba famalian'izy ireo dia mampiseho ny tsy fahampian'ny fandinihana ny zava-misy marina atrehan'ireo olona hafahafa sy ny tsy fahampian'ny fandinihana ny tontolo pôlitika. Ny valinteny mitovy dia mampiseho ny tsy fahalianan'ny IGM amin'ny fandinihana lalina ireo trangan-javatra ary manondro fa tsy asian'ilay andrim-panjakana lanja ny tahotra sy ny loza atrehan'ireo mpangataka fialokalofana. Antenainay ny tompon'andraikitra mba hiditra an-tsehatra ao anatin'ny toe-draharaha mba hisian'ny vahaolana miabo amin'ireo raharaha ireo.
Ny NexsMaker no namoaka ary ny Global Voices no nandika voalohany ny tafatafa iray lava nifanaovana tamin'ireo pelaka mpivady nandritra ny fifindrany monina nankany Moldavia. Ankehitriny dia nolavina koa ny fialokalofan'ny iray tamin'izy ireo, Valery. Mampidi-doza ho an'ny ain'izy ireo indray ny fandavana ny sata maha-mpitsoa-ponenana, satria nambaran‘i Rosia ho fikambanana mahery fihetsika ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ary tsy misy hevitra intsony ny hiverenan'izy ireo.