Hong Kong: Nofoanana noho ny fandrahonana fisamborana ny fihetsiketsehana nataon'ny vehivavy mpiasa

 

Sary tamin'ny fihetsiketsehana nataon'ny vehivavy ny volana martsa 2020. Sary avy amin'ny inmediahk.net (CC: AT-NC)

Raha nofoanana ny famerana ny fivoriam-bahoaka noho ny valan’aretina ny 1 martsa 2023, dia nikasa hanao fihetsiketsehana  ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy tamin'ny 5 martsa, alahady alohan'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, Nofoanan’ny mpikarakara, Fikambanan'ny Vehivavy Mpiasa ao Hong Kong, anefa ny fihetsiketsehana tamin'ny 4 martsa ankatoky ny hetsika, nefa tsy nanome ny anton’izany izy ireo.

Nanambara ny vondrona mpanao hetsi-panoherana fa nandrahona ny hisambotra ireo mpikambana ao aminy ny polisy ao an-tanàndehibe raha toa kosa nilaza tamin’ny mpanao gazety ny polisy fa ny “fandanjalanjana ny lafitsarany sy ny lafiratsiny” ny antony nahatonga ny fanafoanana sady nilaza izy ireo fa hitan'ny manampahefana fa hisy “vondrona mahery setra” hiseho ao amin'ilay fihetsiketsehana.

Nandritra ny am-polony taona maro, fanaon'ireo vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy ao an-toerana ny mikarakara fihetsiketsehana firaisankina isan-taona manodidina ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy amin'ny fiandohan'ny volana martsa. Voarara anefa ny fivoriana ho an’ny daholobe sy ny famoriam-bahoaka efa ho telo taona izay vokatry ny famerana ny fivoriam-bahoaka noho ny valan’aretina.

Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 2 martsa, nilaza ny mpikarakara fa nanome “hatokatoka” [fihetsiky ny loha manaiky] ho an'ny famoriam-bahoaka ny tompon'andraikitry ny polisy, ary nahazo “taratasy tsy misy fanakanana” tamin'ny fomba ofisialy ny fikambanana avy eo tamin'io andro io ihany. Nanomboka nanomana ny famoriam-bahoaka ny vondron’ny vehivavy tamin’ny fiandohan’ny volana febroary, ary naharitra iray volana mahery vao namoaka taratasy ofisialy ny polisy.

Nanantena hahazo olona manodidina ny 100 eo ho eo ny vondrona hanatevin-daharana ny fihetsiketsehana hampiroboroboana ny zon'ny mpiasa sy ny fitoviana lenta eo amin’ny lahy sy ny vavy.

Na izany aza, nipoitra ny onjan'ny fanerena ara-politika mialoha ny hetsika.

Fotoana fohy taorian'ny nanambaran'ny vondrona ny drafiny, nanomboka nilaza ny mpanao politika mpomba an'i Beijing fa ilaina hampiharina ny lalàna manohitra ny arovava-orona, izay nanan-kery tamin'ny volana Oktobra 2019 teo ambanin'ny Didy hitsivolan’ny Hamehana, mandrara ny fisaronan-tava amin'ny fivoriambe ara-dalàna sy tsy ara-dalàna. Nanamafy i Ronny Tong, mpikambana ao amin'ny Filankevitra Mpanatanteraka ao amin'ny governemanta fa tsy azo ampiasaina ho antony hanaronana ny tavan'ny olona mandritra ny famoriam-bahoaka ny fanaovana arovava-orona hisorohana ny COVID-19 ary manana fahefana ny polisy hisambotra ireo izay manao arovava-orona mandritra ny famoriam-bahoaka.

Nandritra ny hetsi-panoherana manohitra ny fampodiana tany Shina tamin'ny taona 2019, mpanao fihetsiketsehana maro no nanao arovava-orona mba hiarovan-tena tsy ho fantatra na hosamborina noho ny fanatrehana ny fivoriam-bahoaka tsy ara-dalàna.

Taorian'ny nanafoanan’ny Fikambanan'ny Mpiasa Vehivavy ny famoriam-bahoaka,  namoaka tao anaty fanambaràna ny vondrona mpanao hetsi-panoherana mpomba ny demokrasia, ny Ligin'ny Demokraty Sosialista, fa efa nahazo fandrahonana am-bava avy amin'ny polisin'ny fiarovam-pirenena ny efatra tamin'ireo mpikambana ao aminy tamin'ny 3 martsa. Nolazaina izy ireo fa hosamborina raha miseho any amin'ny famoriam-bahoaka. Tao anatin'ny fanambaràna, nanoritra ny vondrona hoe:

言論自由受威脅,遊行權利遭踐踏,這個活生生的事實,即使當政者如何舌燦蓮花,唱好香港,也不能掩飾。

Tandindomin-doza ny fahalalahana miteny, ary voahitsakitsaka ny zo hanao fihetsiketsehana. Izany no zava-misy eto. Na inona na inona fomba filaza ny fitantarana momba  ny zavatra tsara mikasika an'i Hong Kong, tsy afaka nanafina ny zava-misy toy izany ireo sangany eo amin'ny fitondrana.

Nandritra izany fotoana izany, nilaza ny polisy rehefa nampiato ny famoriam-bahoaka ny mpikarakara, fa ho foana ny “taratasy tsy misy fanakanana”. Nampitandrina ny manampahefana fa mety hosamborina noho ny fandraisana anjara amin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna ireo rehetra izay tonga eo amin'ny toerana famoriam-bahoaka.

Polisy maherin'ny 30 no nitoby manodidina ny kianja Southorn Playground ny alahady na dia teo aza ny antso natao. Nisioka i Laura Westbrook, mpitati-baovao avy amin'ny South China Morning Post hoe:

Nijanona tao anatiny sy ivelan'ny kianja filalaovana atsimo MTR ny polisy ary nivezivezy teo manodidina tamin'ny 11 ora maraina – nikasa hanao fihetsiketsehana ny Fikambanan'ny Vehivavy Mpiasa ao Hong Kong, mialoha ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, saingy nofoanana tampoka izany omaly alina.

Araka ny Didy Hitsivolana mikasika ny Filaminam-bahoaka, azo faritana ho toy ny fivoriana tsy ara-dalàna ny olona telo na mihoatra miara-mivory ka manao fihetsika ” amin’ny fomba manakorontana, mampatahotra, manevateva na mihantsy” izay miteraka “ny mety ho tahotra” na “fanimbana ny fandriampahalemana”. Dimy taona an-tranomaizina no sazy faratampony.

Nametra ny fahefany tamin'ny fampiharana ny Didy Hitsivolana momba ny Filaminam-bahoaka ny manampahefana ao amin'ny polisy talohan'ny nampiharana ny Lalàna momba ny Filaminam-pirenena (NSL) tamin'ny 30 Jona 2020, satria noheverina ho fanitsakitsahana ny Zon’ny Olom-pirenena (1991) ny lalàna fanjanahantany, izay navoaka ho famoretana ny rotaka tamin'ny taona 1967 tany Hong Kong. Nandritra ny am-polony taona maro, tsy maintsy manao fampandrenesana ny vondron'olom-pirenena rehefa hampiantrano hetsi-panoherana sy famoriam-bahoaka.

Raha ny marina, natao tamin'ny volana martsa 2020 ny fivoriana tamin’ny andron’ny vehivavy teo aloha tao an-tanàndehibe, volana vitsivitsy talohan'ny nametrahana ny NSL.

Tao anatin'ny telo taona, maro ireo mpikatroka nogadraina noho ny fandikana ny Didy Hitsivolana momba ny Filaminam-bahoaka. Ohatra, tamin'ny taona 2020, mpikatroka am-polony no nahazo sazy an-tranomaizina enina ka hatramin’ny folo volana noho ny fikarakarana sy ny fandraisana anjara tamin'ny fiaretan-tory miaraka amin’ny labozia fanao isan-taona ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao Tiananmen tamin’ny 1989 tao amin'ny Victoria Park tamin'ny 4 Jona 2020. Natao isan-taona ny fiareta-tory nanomboka tamin'ny taona 1990 ka hatramin'ny 2020 rehefa noraran'ny polisy ny fivoriam-bahoaka noho ny famerana tamin’ny COVID-19.

Namoaka “taratasy tsy ahitana fandavana” am-polony ho an'ny fivoriam-bahoaka ny manampahefana ao amin'ny polisy hatramin'ny namoahana ny NSL, anisan'izany ny fankalazana ny Taom-baovao Manara-bolana, ny diabe fanaovana asa soa ho an’ny sekoly, ny fanangonam-bola ho an'ny fiangonana, sy ny maro hafa.

Raha tsy nofoanana izany dia ny famoriam-bahoaka momba ny zon'ny vehivavy no fivorian'ny fiarahamonim-pirenena ho an'ny daholobe voalohany hatramin'ny nametrahana ny Lalàna momba ny  Filaminam-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.