Mankalaza ny Fitroarana 8888 tao Myanmar ireo mpikatroka sy mpanakanto ao Thailandy

Sora-baventy hita eo amin'ny vavahadin'i Tha Pae ao Chiang Mai, Thailandy. Sary avy amin'i Prachatai

Navoakan'ny Prachatai, tranonkalam-baovao tsy miankina iray ao Thailandy, voalohany ity lahatsoratra ity ary navoakan'ny Global Voices indray ny dikan-teny voarindra noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Nivory tao Chiang Mai, Thailandy, ireo mpikatroka Thailandey sy Myanmar tamin'ny Alatsinainy 8 Aogositra mba hankalaza ny faha-34 taonan'ny Fitroarana  8888 sy hanohitra ny herisetran'ny fitondrana miaramila Myanmar tamin'ny vahoaka, raha nisy mpanakanto iray nanao fampisehoana samirery kosa teo anoloan'ny masoivohon'i Myanmar ao Bangkok tamin'io fotoana io.

Ny Fikomiana 8888 dia andiana diabe hetsi-panoherana tao Myanmar tamin'ny taona 1988, nanomboka tamin'ny fihetsiketsehana nanohitra ny governemanta teo ambany fitarihan'ny Jeneraly Ne Win, izay nokarakarain'ny mpianatry ny anjerimanontolo, ary niafara tamin'ny fitokonana faobe sy fihetsiketsehana faobe nataon'ny mpianatra, moanina bodista ary olom-pirenena tamin'ny 8 aogositra 1988. Notifirin'ny manam-pahefana ny mpanao fihetsiketsehana rehefa nanome baiko ny Jeneraly Ne Win fa “tsy tokony atifitra misavoana ny basy”, ka maro no maty vokatr'izany.

Tamin'ny Alatsinainy 8 Aogositra, nivory teo amin'ny vavahadin'i Tha Pae, toerana manan-tantara malaza amin'ny fizahantany, ireo mpikatroka Thailandey sy ny vondrom-piarahamonina Myanmar ao Chiang Mai, mba hankalaza ny faha-34 taonan'ny fihetsiketsehana, ary koa hanohitra ny herisetra ataon'ny fitondrana miaramila ankehitriny amin'ny vahoaka, fitondrana miaramila izay teo ambany fitarihan'ny jeneraly Min Aung Hlaing, ary nanome voninahitra ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia efatra novonoin'ny fitondrana miaramila vao haingana.

Maro tamin'ireo mpanatrika no nanakiana ny valin-kafatra ara-politika maivamaivana nataon'ny vondrona Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo Atsinanana (ASEAN), tamin'ny filazàna fa tsy nahavita niaro tsara ny olom-pirenena Myanmar na nijoro manoloana ny fitondrana miaramila ny vondrona. Roa taona taorian'ny fanonganam-panjakana, nitolona mba hitety ny toe-draharaha tao Myanmar ny ASEAN ary imbetsaka tsy nahomby tamin'ny marimaritra iraisana tamin'ireo firenena mpikambana 10 ao aminy momba ny hetsika tokony hatao.

Nandritra ny hetsika, namaky tononkalo sy nanao lahateny ireo mpikatroka Thailandey sy Myanmar. Nanao fampisehoana ihany koa ireo mpanakanto mba hanehoana ny fahanginan'ny vondrom-piarahamonina ASEAN manoloana ny zava-misy ankehitriny ao Myanmar. Talohan'ny famaranana ny hetsika, nanao fijoroana nandrehitra labozia ireo mpandray anjara ho fahatsiarovana ny fitroarana tamin'ny 8 aogositra 1988 sy ireo maty noho ny herisetram-panjakana nataon'ny fitondrana jadona ankehitriny.

Tha Pae Gate vigil

Fiaretan-tory mandrehitra labozia ao amin'ny vavahadin'i Tha Pae any Thailand. Nankalaza ny faha-34 taonan'ny fitroarana 8888 ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'i Prachatai. Nampiasaina nahazoana alalana.

Vao maraimben'ny alatsinainy, nanao fampisehoana irery teo anoloan'ny Masoivohon'i Myanmar tao Bangkok ny mpanakanto Nontawat Machai avy amin'ny tarika mpanao zava-kanto Lanyim Theater mba hankalaza ny fitroarana 8888 ary mitaky ny demaokrasia any Thailand sy Myanmar.

Nilaza i Nontawat fa tsy manaiky ny soso-kevitra izy  hoe tsy tokony hitsabaka amin'ny zava-mitranga any amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy i Thailandy, ary satria olombelona ny tsirairay, ka hoe tsy afaka mijoro ary mamela ny vahoaka hovonoina ny olona, na dia miseho amin'ny lafiny mifanohitra amin'izao tontolo izao aza izany.

They claim our silence to kill others, so I’m just not going to let them use my silence as an excuse to kill other people.

I don’t care what people will say, or why you should meddle in other people’s affairs. Actually, this is not about national borders. I see them as living human beings like us.

Mitaky ny fahanginantsika hamono olona izy ireo, ka tsy avelako ry zareo hampiasa ny fahanginako ho fialan-tsiny hamonoana olon-kafa.

Tsy miraharaha izay holazain'ny olona aho, na nahoana ianao no mitsabaka amin'ny raharahan'ny hafa. Raha ny marina, tsy momba ny sisin-tany izany. Hitako fa olombelona velona toa antsika izy ireo.

Nilaza i Nontawat fa te hiantso ny olona hiloa-bava izy toy izay tsy manao na inona na inona, satria raha tsy misy ny hetsika dia tsy ho afa-mandositra ny tsingerin-jadona ny olona. Nambarany ihany koa fa mbola azon'ny vahoaka atao ny mitondra fiovana, saingy mila fikirizana be izany.

“Lesona izany fa raha mbola tsy misy ny hery, na mbola kely ny hery, dia hotohizantsika hatrany. Heveriko fa izany no ifantohantsika bebe kokoa. Ny fahadisoam-panantenana hoe tsy manana hery sy very fanantenana isika, amiko tsy mbola nahatsapa an'izany aho. Mbola misy ny fanantenana”, hoy izy.

Nontawat Machai during his performance at the Myanmar Embassy in Bangkok

Nontawat Machai nandritra ny fampisehoany tao amin'ny masoivoho Myanmar tao Bangkok. Sary avy amin'i Prachatai. Nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.