Nitsahatra tsy niasa ny tranokalam-baovao The Online Citizen ao Singapaoro rehefa naaton'ny fanjakana ny fahazoan-dalany

Nitsahatra tsy niasa ny Online Citizen tamin'ity herinandro ity. Sary: Facebook

Nanakatona vonjimaika ny tranokalany sy ireo kaontiny media sosialy ny vavahadin-tseraseram-baovao The Online Citizen (TOC) ao Singapaoro rehefa naaton'ny Infocomm Media Development Authority (IMDA) ny fahazoan-dalan'izy ireo noho izay voalaza fa tsy fanaovana fanambarana ireo vahiny mpamatsy vola azy.

Nampangain'ireo mpisolovavan'ny fahalalahan'ny media ho toy ny ohatra hafa amin'ny politika famerana ny fitantanana ny media tsy miankina ao Singapaoro ny fanapahan-kevitry ny IMDA .

Efa niatrika ny fandrahonan'ny governemanta ny TOC taloha saingy sambany izao no noterena tsy hiasa ity vavahadim-baovao ity.

Nanazava ny IMDA fa zava-dehibe ny manome antoka fa tsy mandray famatsiam-bola avy any ivelany ny tranokala ara-politika:

This is to prevent such sites from being controlled by, or coming under the influence of foreign entities or funding, and ensure that there is no foreign influence in domestic politics.

We need to be cautious as the prevalence of the Internet and social media platforms makes it easier to influence large numbers of people.

Izany dia mba hisorohana ny tranonkala toy izany tsy ho fehezin'ny, na ho eo ambany fitaoman'ny vondrona na famatsiam-bola vahiny, ary hiantohana fa tsy misy fitaomana ivelany amin'ny politika anatiny.

Mila mitandrina isika satria manamora ny fitaomana olona marobe ny fihanaky ny aterineto sy ny sehatra media sosialy

Mampiahiahy ny IMDA ny maodelin'ny famandrihana (fisoratana anarana) ao amin'ny TOC satria mety ho fomba iray ho an'ny tombotsoam-bahiny hitaomana (hanerena) ny asan'ny orinasa izany:

One element of TOC’s subscription framework allowed “subscribers” to get specific articles written, in return for “subscription funding” received. This is a cause for concern as it could be an avenue for foreign influence.

Mamela ireo “mpamandrika (mpanjifa)” hahazo lahatsoratra manokana nosoratana ny singa iray ao amin'ny sehatra famandrihana ao amin'ny TOC, ho setrin'ny “famatsiam-bola famandrihana” voaray. Miteraka ahiahy izany satria mety ho làlan'ny fitaomana vahiny.

Ao amin'ny pejy fanomezana efa voafafa ankehitriny, manome hirika ho an'ireo mpanjifa mba handoa vola amin'ny sombin-kevitra, tatitra fanadihadiana ary tantara asongadin'izy ireo ny TOC.

Nanazava ny tonian-dahatsoratry ny TOC, Terry Xu, fa tsy misy fiantraikany amin'ny asa fanoratan'izy ireo ny endrika fisoratana anarana (famandrihana) ao amin'ilay tranonkala. Nanitrikitrika izy fa tsy azo raisina ho toy ny dokam-barotra ity maodely fidiram-bola ity:

In this case, you have patrons, subscribers, who are more supportive, going for that tier, and they could play a part in terms of the kind of stories that TOC would carry.

Amin'ity tranga ity, dia manana mpampiasa, mpamandrika ianao, izay manohana kokoa, mandeha amin'izany dingana izany, ary afaka mandray anjara amin'ny resaka karazana tantara izay hoentin'ny TOC izy ireo.

Lim Tean, mpikambana ao amin'ny ekipan'ny lalàna ao amin'ny TOC nitsikera ny IMDA noho ny fanakianana ny maodelin'ny famandrihana ao amin'ny orinasam-baovao:

You have tried to interfere with TOC's business model by alleging that their subscription model cannot be justified and therefore all their subscribers must be treated as donors.

Your stance on this issue is highly questionable and suspect. Even after our client provided exhaustive evidence to you of how their subscribers benefit from the subscription model, you continued to insist that there is no evidence to prove the authenticity of the subscription model.

Niezaka nitsabaka ny maodelin'ny orinasan'ny TOC ianao amin'ny filazanao fa tsy azo hamarinina ny maodelin'ny famandrihana ary noho izany, tsy maintsy raisina toy ny mpamatsy vola ireo mpamandrika rehetra.

Mampametra-panontaniana sy mampiahiahy mafy ny fijoroanao amin'ity lohahevitra ity. Na dia efa avy nanome porofo feno ho anao momba ireo tombotsoan'ireo mpamandrika amin'ny maodelin'ny famandrihana aza ny arovanay, dia mbola nanizingizina ihany ianao fa tsy misy porofo manamarina ny maha-marina ilay maodelim-pamandrihana.

Nampian‘i Terry Xu fa mampiseho ny fomba henjana ataon'ny governemanta amin'ny fanafihana ireo haino aman-jery tsy miankina toa ny TOC ny fihetsiky ny IMDA:

IMDA's actions are nothing more than means of harassment and intimidation of the free press in Singapore. With Singapore's firm grasp on digital financial transactions, it is impossible for the government not to be aware of where the funds are coming from.

The licensing regime is simply meant to strike fear in the minds of the would-be donors and subscribers to prevent them from supporting independent journalism in Singapore.

Tsy inona akory ny fihetsiky ny IMDA fa fomba fanaovana antsojay sy fampitahorana ny fahalalahan-gazety ao Singapaoro. Noho ny fifehezan'i Singapaoro mafy ny fifanakalozam-bola ankihy, tsy afaka ny ho fantatry ny governemanta hoe avy aiza ny famatsiam-bola.

Natao hiteraka tahotra ao an-tsain'ireo izay mety ho mpamatsy vola sy mpamandrika ny fitsipika fahazoan-dalana mba hanakanana azy ireo tsy hanohana ny asa fanaovan-gazety tsy miankina eto Singapaoro.

Taorian'ny fanakatonana ny tranokala TOC sy ny kaontiny media sosialy, Singapaoreana marobe no naneho ny ahiahiny momba ny voka-dratsin'ity tranga ity. Niaiky ny anjara andraikitry ny TOC amin'ny famoahana ireo tatitra tsy voarakitr'ireo tranonkala fampahalalam-baovao mahazatra mpomba ny governemanta ilay mpanao gazety Kirsten Han:

Nanome toerana amin'ny lohahevitra tsy nanana toerana any an-kafa ny TOC. Nitondra fanovana lehibe ny fisiany, ny asany. Nanosika ny fampahalalam-baovao mahazatra handrakotra (na hanao asa fandrakofana tsara) tahaka ny zon'ny mpiasa mpifindra monina, izay tena be mpitatitra ankehitriny izany.

Daniel Bastard avy ao amin'ny Reporters Sans Frontières nanamarika fa nenjehina ny TOC noho ny tatitra manakiana ataony:

Let's not be fooled: the pro-government newspapers and news sites that constitute most of the Singaporean media are entirely exempt from the IMDA’s requests, unlike TOC, which is subjected to endless harassment. The site is clearly being made to pay for its editorial independence.

Aza mety hofitahina isika: afaka tanteraka amin'ny fangatahan'ny IMDA ireo tranokalam-baovao sy gazety mpomba ny governemanta izay mandrafitra ny ankamaroan'ny haino aman-jery Singapaoreana, tsy tahaka ny TOC, izay iharan'ny fanorisorenana tsy misy fiafarany. Mazava fa natao hizaka ny fahaleovan-tenan'ny famoahany ny tranonkala.

Terry Xu nanome toky ireo mpanaraka ny TOC fa vonjimaika fotsiny ny fanidiana ny tranonkala:

Contrary to expectation, there will be no sad statements of how TOC is being forced to close after nearly 15 years of operations as I assure you that this is just a temporary suspension of its operations and a time of reflection for TOC to look at how it can better improve itself in order to serve Singaporeans, its supporters and the greater public.

Mifanohitra amin'ny andrasana, tsy hisy ny fanambarana mampalahelo mikasika ny fanerena ny TOC hikatona taorian'ny niasany efa ho 15 taona satria manome toky anao aho fa fampiatoana vetivety fotsiny ny asany io ary fotoana fandinihana ny TOC hijerena ny fomba hanatsarana azy mba hanompoana ny Singapaoreana, ireo mpanohana azy sy ny vahoaka marobe.

Tamin'ny alàlan'ny solontenany ara-pitsarana, efa nangataka tamin'ny fitsarana ny TOC mba hanao fandinihana ara-pitsarana momba ny didy fampiatoana navoakan'ny IMDA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.