Noho ny tsindry avy amin'ny fanjakana, nikatom-baravarana ny Team 29, ilay vondrona malaza indrindra amin'ny fiarovana araka ny lalàna ao Rosia

"Team 29 is no more". Image shared by the Team 29 Telegram channel on July 18.

“Maty ny Team 29″. Sary nozarain'ny fantsona Telegram an'ny Team 29 tamin'ny 18 Jolay.

Efa ho nandritra ny fito taona ny Team 29 (Komanda 29), vondrona iray tsy miankina nahitàna mpahay lalàna, mpisolovava, manampahaizana amin'ny fiarovana zo ary mpanao gazety, no niady ho an'ny zon'ireo Rosiàna mpikatroka, gadra pôlitika, ary olompirenena hafa. Ny 19 Jolay, nanambara ilay vondrona fa hampiato ny asany mba hiarovany ny mpiasa ao aminy sy ireo mpanjifany tsy hiharan'ny mety ho fanenjehana ara-keloka.

Ny fanapahankevitra hampiato ny asan-dry zareo dia noraisiny taorian'ny nibahanan‘ny Roskomnadzor, ilay antokon-draharaha ao Rosia mpandrindra ny aterineto, ny tranonkalan'ny Team 29—nolazaina fa noho ny namoahany votoaty novokarin'ny  Spolecnost Svobody Informace (Fahalalahan'ny Orinasa mpamokatra vaovao), fikambanana iray tsy mikatsaka tombony ara-bola miorina ao Prague izay nohosoran'ny fitondrana rosiàna ho “fikambanana manelingelina” tany am-piandohan'ny Jona 2021.

Tanaty lahatsoratra iray tamin'ny 18 Jolay tao amin'ny fantsony Telegram, nambaran'ny Team 29 fa “nafangaron'ireo” Rosiàna mpampanoa lalàna tamin'ilay ONG Tseky (nahatonga ny filazana fa fikambanana iray ihany izy ireo) ny Team 29, vesatra izay lavin'ny Team 29.

Raha ireo mpisolovava azy miomana ny hanao fampakarana an'ireo fiampangàna ho toy ny “fahatany sy teren-ko masaka”, ilay vondrona kosa nanapaka hevitra ny hihetsika malaky araham-pitandremana mba hisorohana ny mety ho fanenjehana heloka bevava mafimafy kokoa atao amin'ireo mpiasany, mpiara-miasa ary mpanohana azy.

В этих условиях продолжение деятельности Команды 29 создаёт прямую и явную угрозу безопасности большого числа людей, и мы не можем игнорировать этот риск. Мы принимаем тяжёлое решение о прекращении деятельности Команды 29. Адвокаты и юристы продолжат работать в делах своих подзащитных исключительно в личном качестве, если подзащитные не откажутся от их помощи в создавшейся ситуации.

Мы закрываем все медиапроекты Команды 29 и удаляем архив: все (!) тексты, памятки, репортажи, расследования, разъяснения законов, истории политических заключённых, судебные документы, интервью, подкасты, литературный проект, посты в соцсетях — существование этого контента в интернете может быть квалифицировано как «распространение материалов нежелательной организации» согласно той же логике, по которой был заблокирован наш сайт.

Anaty toe-javatra tahaka izao, miteraka loza mitatao mivantana sy mibaribary ho an'ny fitonian'ny olona marobe ny asa mitohy ataon'ny Team 29, ary tsy azonay atao ny minia tsy mahalala an'io loza io. Fanapahankevitra sarotra no raisinay mba hampiatonana ny asan'ny Team 29. Hanohy hiasa amin'ireo tranga manjo ny mpanjifany saingy amin'ny sehatra tena tsy miankina tanteraka ireo mpisolovava sy mpahay lalàna, raha tsy hoe noho ny zavamisy dia lavin'ireo voampanga ny tolotra omen-dry zareo.

Akatonay daholo ireo tetikasa media an'ny Team 29 ary diovinay ny arsiva: izay rehetra (!) lahatsoratra, taridàlana, tatitra, fanadihadiana, fanazavana araka ny lalàna, tantaran'ireo gadra pôlitika, antontan-taratasin'ady teny amin'ny fitsaràna, antsafa, rakipeo, ny tetikasam-panoratana lahatsoratra, ireo lahatsoratray tanaty media sôsialy—ny fisian'ireny votoaty ireny eny anaty tambajotra dia mety ho adika ho toy ny “fanapariahana fitaovana ataona fikambanana iray manelingelina”  araka ny lojika nampiasaina mba hibahanana ny tranonkalanay.

Tao amin'ny fanambaràny tao amin'ny Telegram, niangavy ireo mpanohana azy ihany koa ilay vondrona mba hamàfa izay rohim-pifandraisana mivantana na famerenana nandefa ny votoaty avy amin-dry zareo, satria izy ireny mety ho adika ho toy ny fandraisana anjara amin'ny hetsiky ny “fikambanana iray manelingelina”. Kanefa, tsy hoe zavatra voararan'ny lalàna ny fitanisàna na fizaràna fomba fijery momba ilay toedraharaha, hoy ny Team 29.

Ankoatra izay, nilaza ny Team 29 fa ho akatony ny ezaka fanangonambola nataony, ary mety ho averiny amin'ireo nisoratra anarana ny vola rehetra tsy mbola nampiasainy.

Ny mpanorina ny Team 29, ny mpisolovava Ivan Pavlov mipetraka ao Saint Petersburg, dia iharan'ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao ary miatrika fiampangàna mahakasika heloka bevava noho ny asa ataony hiarovana ny zon'ilay Rosiàna mpanao gazety Ivan Safronov izay nampangaina ho namadika tanindrazana. Na izy aza izao no mitarika ny Team 29, Pavlov tany aloha no filoham-boninahitr'ilay ONG Tseky, saingy tsy nanam-pifandraisana tamin'io intsony tamin'ny fomba ofisialy tato anatin'ny taona dimy farany.

Na dia ny fisiany amin'ny endrika nomerika aza no tena iharan'ny tsindry ataon'ireo manampahefana, ny Team 29 dia fantatra be amin'ny tohana araka ny lalàna sy ny asa fiarovana ny zon'olombelona ao Rosia. Raha nanoratra tao amin'ny fantsony Telegram azy manokana, nanamafy i Ivan Pavlov fa io asa io eny an-kianja io, ho fiarovana ny zon'ny olompirenena rosiàna, no nitondra fahasahiranana ho an'ny Team 29:

Наши власти сделали все чтобы криминализировать деятельность и даже само название Команда 29. Это своеобразное признание эффективности нашей работы и комплимент от наших процессуальных оппонентов, которые не первый раз были замечены в неспортивном поведении.

Nataon'ireo tompom-pahefana eto amintsika izay fomba rehetra hanamelohana ny asa ary hatramin'ny anarana, Team 29, entinay mihitsy aza. Karazana fanekena manokana ny fahombiazan'ny asanay io ary fanomezana fankasitrahana avy amin'ireo mpifanandrina aminay izay nampiseho indray fa tsy manana fomba fisaina manaraka fitsipi-dalao ry zareo.

Tamin'ny 2014 no najoron'i Ivan Pavlov, mpisolovava sady mpiaro ny fahalalahan'ny fahazoana vaovao, ary hatry ny ela no efa tsilo tao ambany faladihan'ny ankolafy ao Kremlin ny Team 29. Taorian'ny nametrahan'ireo manampahefana ho ao anaty lisitra mainty ilay fikambanana tany aloha nisy an'i Pavlov, ny Ivontoerana ho Fampandrosoana ny Fahalalahan'ny Fahazoana Vaovao, ho toy ny “mpitsikilo avy any ivelany”, dia teraka ny  Team 29.

Nanomboka teo, ilay vondrona misy ireo mpisolovava mpiaro, ary mpitatitra vaovao, dia nandray an-tànana ireo raharaha pôlitika sasantsasany tena noresahana be tao amin'ny firenena, indrindra fa ny raharaham-pitsarana nahazo an'ilay siantifika Viktor Kudryavtsev voampanga ho namadika tanindrazana, ny raharaham-pitsarana manodidina ny fanondroana ny hetsika pôlitika sy ady amin'ny kolikoly ataon'i Alexey Navalny ho “mpanao antendrony / mahery fihetsika”, ary ny raharahan'i Karina Tsurkan, tomponandraikitra ambony tamin'ny sehatry ny angovo, voasazy hifonja 15 taona an-tranomaizina tamin'ny Desambra 2020.

Ankoatran'ny fiarovana ireo gadra pôlitika sy ireo vondrona mpikatroka miatrika fitsaràna, ny Team 29 dia namoaka ihany koa taridàlana sy torohevitra momba ny lalàna (rohy mankamin'ny arsiva), nanao fanadihadiana mahakasika ny kolikoly ary hatramin'ny fanomezana fisoloana tena araka ny lalàna ho an'olona iray mpitoroka avy amin'ilay “orinasa mpamokatra trolls” malaza ratsy sy nitoroka teny amin'ny fitsarana ny Masoivohom-Pikarohana momba ny Aterineto an-dry zareo noho ny resaka fifandirana mahakasika ny asa.

Tao anaty antsafa iray ho an'ny Meduza, tranonkalam-baovao rosiàna tsy miankina, Evgeny Smirnov, mpisolovava fahiny niaraka tamin'ny Team 29, nilaza fa ireo tranga farany indrindra dia toa “fivangongoan'ny vokatr” ireo asa nisongadina nataon-dry zareo. Nolazainy fa na izy, na i Pavlov dia samy nahazo fandrahonana manao an-dry zareo ho toy ny “taolana mitsivalana ao an-tendan'ireo mpanao fandihadiana, sy ho an'ireo olona hafa ary ireo masoivohom-panjakana”, ka “izany no antony nandraisan-dry zareo fanapahankevitra hidaroka anay amin'izay fomba rehetra ananany”.

Na teo aza ny fanakatonana ny tranonkalan-dry zareo, nolazain'ilay vondrona fa ireo mpikambana tsirairay ao aminy dia hanohy amin'ny anaran'ny tenany ny asa fiarovana araka ny lalàna efa natombony. Araka ny voalazan'ny lahatsoratr'i Ivan Pavlov  tao amin'ny Telegram,  “tsy fikambanana ara-dalàna velively” ny Team 29 , fa “fiaraha-mientan'ireo olona mitovy fomba fisaina” ary “raha mbola misy koa ny olona, hisy foana hevitra vaovao sy tetikasa vaovao”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.