Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tsy afaka miady amin'ny COVID-19 ny sakafo japoney mahery, saingy mety hanalava ny andro iainanao

 

natto over rice with miso soup

“納豆ごはん” (Natto ambony vary) nalain'ny mpiampiasa Flickr Masafumi IwaiCC BY-NC 2.0

Topazo maso ny tatitra manokana nataon'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany.

Anatin'izao toedraharahan'ny valanaretina COVID-19 izao, nitombo laza hatrany ny sakafo jaoney iray be mpitia. Toy ny taratasy fifirana, ny fanadiovana tanana sy ny arotava ho an'ny mpitsabo, nanjavona teny amin'ireo talantalan'ny fivarotana lehibe tao Japana ihany koa ny natto ny volana Martsa sy Aprily, izay sakafo mavingy vita avy amin'ny soja, miraikidraikitra, toa miendrika kofehy ary misy miteny mihitsy aza hoe masiso, izay inoana fa manamafy ny hery fiarovana. Soa ihany fa afaka manamboatra natto any an-trano ny rehetra.

Ny natto, oharina amin'ny foromazy indraindray, dia sakafo japoney nentim-paharazana vita avy amin'ny fanotrehana soja sy ny fampitomboana bacillus subtilis, na nattokin. Ankafizina noho ny tsiron'ny umami heno be ao aminy ny natto, izay foto-tsakafo malaza sady mora any amin'ny faritra maro ao Japana, ary hanina miaraka amin'ny vary na toast, anaty sushi, anaty spaghetti, na mandeha irery, afangaro aminà moutarde karashi mamay sy saosy ponzu citrus.

Tany amin'ny antsasaky ny volana Martsa tany, nahita ny Nexer, orinasa fikarohana momba ny mpanjifa ao Japana, fa saika ny 40 isan-jaton'ireo Japoney nanaovany fanadihadiana no nampiditra sakafo hafa fanampiny tanatin'ny fihinany isanandro mba “hanamafisana ny hery fiarovany” (免疫力を高める). Raha toa ka sakafo nalaza tanatin'ireo fanadihadiana ny tongologasy sy ny sakamalao, ireo sakafo naotrika toy ny yaourt sy ny natto kosa no teo amin'ny lohalaharana.

Mbola tamin'ny Martsa ihany, niparitaka ny tsaho tao amin'ny tambajotra sôsialy fa misoroka amin'ny COVID-19 ny natto. Ny tena antony niparitahan'ireo tsaho ireo dia satria somary ambany ihany ny tahan'ny voan'ny COVID-19 tany amin'ireo fileovana mifandray amin'ny tantaran'ny natto, toa an'i Ibaraki sy Iwate. Raha nanomboka nanao vatsy natto ireo mpiantsena, namoaka taratasy kosa ny Masoivoho misahana ny Raharahan'ny Mpanjifa ao Japana, nandrava ilay fiheverana fa mety hiaro amin'ny COVID-19 io sakafo io.

Tany amin'ny faran'ny volana Aprily, mbola tsy ampy ihany ny natto tao Japana, ary nanomboka noraisin'ny haino aman-jery ho iray amin'ireo sakafo sandoka “enti-mitsabo” ny COVID-19 fotsiny ihany izy io, miaraka amin'ireo hafa ahitàna ny seirogan (正露丸), dite mainty, tongologasy, sy cocaine.

Ny Natto, mifandray amin'ny halavan'ny andro iainana ao Japana

Kanefa, na dia tena tsy miaro amin'ny COVID-19 aza ny natto, dia mety mifandray amin'ny fitomboan'ny halavan'ny andro iainana io “sakafo mahery” naotrika io, raha ny tatitr'ireo fikarohana farany tao Japana. Tanatinà fikarohana iray izay nanaraha-maso ny fahazarana ara-tsakafo sy ny vokany teo amin'ny fahasalaman'olona 29.000 teo tao amin'ny tanandehiben'i Takayama teo anelanelan'ny taona 1992 ka hatramin'ny 2008, dia hita tamin'ireo mpandray anjara izay nihinana natto iray fonosana fara-faharatsiny indray isan-kerinandro fa nihena 25 % ny risika mety hahafaty azy ireo noho ny aretin'ny fo raha oharina amin'ireo izay mahalana vao mba nihinana izany.

natto strings

Natto miraikidraikitra, miendrika kofehy, vonona haroso. Sary nalain'i Nevin Thompson.

Nisy fikarohana iray hafa naharitra 15 taona nataon'ny Ivotoeram-pirenena Japoney ho an'ny Homamiadana taminà olona 90.000 efa lazondazony sy efa nahazo taona nahitàna fa ny fihinanana sakafo vita amin'ny soja naotrika, indrindra ny natto, dia nampifandraisina tamin'ny — raha tsy hoe nifandray mivantana tamin'ny — risika ambany kokoa amin'ny fahafatesana noho ny aretin'ny fo sy ny homamiadana.

Raha toa ka tsy voaporofo ny fifandraisana misy eo amin'ny fihinanana natto sy ny fitomboan'ny andro iainana, misy teôria iray kosa milaza fa naseho ho mandevona ny rà mivaingana ary mety hanampy hanalefaka ny aretin'ny fo ny nattokinase, enzyme iray hita anatin'ireo kofehy miraikidraikitry ny natto.

‘Mitondra hamamoana, hafaliana, ary fahafahana ny fanotrehana’

Na eo aza ny tsirony umami tsy hay toherina na ny lazany amin'ny maha-sakafo mahery azy, mampihemotra ny olona sasany ny fofony henjana be sy ny endriny miraikidraikitra. Ao Tokyo sy any amin'ny faritra hafa any atsinanan'i Japana no mampalaza bebe kokoa ny natto raha oharina amin'ireo faritra hafa ambiny ao amin'ny firenena.

natto starter

Manao hitsin-dàlana amin'ny fizotry ny fanotrehana sady mampiasa natto anaty fonosana enti-manomboka azy rehefa manao natto ao an-trano. Sary an'i Nevin Thompson.

“Izaho koa tsy mba liana tamin'ny natto, tany am-boalohany,” hoy ny mpanao gazety, mpanoratra ary mpaka sary John Ashburne, tanatinà resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices. “Tamin'i Sasha (chef mpanao sakafo sady vadin'i Ashburne) nikarakara azy niaraka tamin'ny atody papelika manta sy tongolo maitso voatetika – izay samy nampiasaina mba hampihena ilay fofona mahery – no nanombohako nankafy azy io.”

Mpanoratra fanta-daza momba ny sakafo japoney izay nanoratra boky torolàlana ho an'ny Lonely Planet momba io lohahevitra io i Ashburne, mponina efa ela tao Kyoto sady mpamboly holatra no mpiremby araka ny famaritany ny tenany.

Manamboatra ny natto-ny ao an-trano ihany koa i Ashburne.

“Mitondra hamamoana, hafaliana ary fahafahana ny fanotrehana. Afaka miala ny famoretan'ny indostrian'ny sakafo ianao amin'ny fanamboarana ny natto-nao manokana”, hoy i Ashburne. “Mahatsapa ho mamorona zavatra miavaka, anao manokana sy saika tsy afaka averina indroa ianao. Na dia tiako ho toy izay aza, heveriko fa tsy hitovy mihitsy ny natto-ko isaky ny manao azy aho.”

Milaza i Ashburne fa tiany ny manovaova ny tsaramaso ampiasainy, sy ny fomba fikarakarany azy, indraindray masahany amin'ny etona, indraindray ampangotrahiny, na koa karakarainy amin'ny afo malefaka miaraka amin'ny konbu, fa matetika tsy asiany.

“Toy ny hoe manana toetra mahatsiravina ireo zavamiaina bitika, manana saina mikiraosikaopy manokana. Heveriko ho akaiky kokoa amin'ny alisimia noho ny fandrahoan-tsakafo ny fanotrehana amin'ny fomba tsy indostrialy,” hoy i Ashburne.

Ny fomba fanaovana natto ao an-trano

Ivelan'i Japana sy any amin'ireo firenena hafa mampalaza ihany koa ny natto, mety ho sarotra ny ahitana azy ity any amin'ny tsena lehibe. Kanefa, afaka atao ao an-trano ny natto, miaraka amin'ireo akora ilaina sy ny fitaovana fandrahoana sakafo mifanaraka amin'izay.

Amin'ny alàlan'ny fomba fahandro iray mampiasa hafanana ambany, azo atao ao anaty lafaoro ny natto amin'ny fampiasana bocal fitaratra voadio na koa fitoerana plastika. Ny fomba mora indrindra fanaovana natto dia ny fampiasana ny Instant Pot na ny cocotte-minute. Fanamby lehibe iray ny fitadiavana spôra fanombohana natto, izay misy ny nattokin ilaina amin'ny fanotrehana. Misy hitsin-dàlana iray dia ny fampiasana natto anaty fonosana ho toy ny akora fanombohana raha betsaka kokoa ny indray atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.