Mpanao gazety Maleziana lasibatry ny tenim-pankahalana sy ny fanavakavaham-bolonkoditra tao amin'ny Facebook

Minisitry ny Tontolo Iainana Tuan Ibrahim Tuan Man nanontanian'ny mpanao gazety Malaysiakini Kow Gah Chie momba ny tetikasa fitrandrahana ny ala any Kelantan. Pikantsary avy amin'ny lahatsary KiniTV nalefa tao amin'ny YouTube

Mpanao gazety Maleziana iray no niharan'ny fanehoan-kevitra feno fanavakavaham-bolonkoditra sy fandrahonana tao amin'ny Facebook taorian'ny tatitra nataony momba ny olan'ny fitrandrahana ala izay nahavoarohirohy minisitry ny governemanta iray. Nandrisika ny manampahefana sy ny Facebook ny vondron'ny fampitam-baovao mba handray fepetra hiarovana ny mpanao gazety.

Tamin'ny 11 Martsa 2020, namoaka ny lahatsoratr'i Kow Gah Chie ny tranonkalam-baovao an-tserasera Malaysiakini momba ny asa fitrandrahana ala any Kelantan, fanjakana iray any amin'ny nosy avaratr'i Malezia. Nahitana teny avy amin'ny Minisitry ny Tontolo Iainana Tuan Ibrahim Tuan Man ny tatitra izay toa niheverana azy fa nanohana ity orinasa mpitrandraka ala ity.

Niampanga an'i Kow ho namboamboatra ilay teny notsongaina ny mpanohana ny minisitra satria tsy voalaza tao anatin'ny valan-dresaka an-gazety mivantana nataon'ny governemanta ny fanambarana. Nilaza ihany koa ny Minisitera fa tsy marina ny tatitra. Saingy avy any amin'ny Minisitra tenany mihitsy no nahazoan'i Kow an'ity teny ity nandritra ny antsafa an-dahatsary taorian'ny valan-dresaka an-gazety. Manana sombiny amin'ny antsafa izay misy dikantsoratra anglisy ny KiniTV .

Niparitaka be ny lahatsoratra Facebook iray nitsikera an'i Kow. Nahitana fanavakavaham-bolonkoditra sy faniratsirana ny mpitati-baovao tamin'ny filazana ny Shinoa izay razambeny ny fanehoan-kevitra tao anatin'ity lahatsoratra ity. Nandrahona ny hidaroka azy ny olona sasany.

Nesorina fotoana fohy tao amin'ny Facebook ity lahatsoratra ity noho ny fanitsakitsahana ny fenitry ny vondrom-piarahamonina saingy naverina indray. Nesorina ihany tamin'ny farany ilay lahatsoratra taorian'ny fangatahana maro saingy efa nozarain'ny mpisera efa ho 3.000 tamin'io fotoana io niaraka tamin'ny fanehoan-kevitra mihoatra ny 2.000.

ARTICLE 19, vondrona iray mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra no nanakiana ny fitsikerana an'i Kow. Nanasongadina ny fanararaotana atrehan'ireo mpanao gazety vehivavy toa an'i Kow i Nalini Elumalai, mpiandraikitra ny fandaharan'asa ARTICLE 19 ao Malezia.

The harassment and abuse of journalists in online spaces constitutes a major threat to independent journalism and freedom of expression in Malaysia. Women journalists and those from minority groups are particularly vulnerable.

Ahitana fandrahonana maro atao amin'ny asa fanaovan-gazety tsy miankina sy ny fahalalahana maneho hevitra ao Malezia ny fandrahonana sy ny fanararaotana an'ireo mpanao gazety amin'ny sehatra an-tserasera. Lasibatra amin'izany indrindra ny mpanao gazety vehivavy sy ireo avy amin'ny vondrona vitsy an'isa.

Nanoro hevitra ny Facebook mba hamerina hijery ny dingana amin'ny fijerena ny tenim-pankahalana an-tserasera i Wathshlah Naidu, tale mpanatanteraka ao amin'ny Ivotoerana ho an'ny Asa Fanaovan-gazety ao Malezia:

We hope Facebook will engage with civil society organisations and media actors to understand the local context and challenges. Timely action by Facebook and other social media platforms is crucial in curbing online attacks, which commonly include trolling and doxing.

Manantena izahay fa hiara-hiasa amin'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpisehatra amin'ny fampitam-baovao ny Facebook mba hahatakarany ny toe-javatra sy ny olana misy eo amin'ny faritra. Zava-dehibe ny valinteny avy hatrany avy amin'ny Facebook sy ny sehatry ny tambajotra sosialy hafa amin'ny fisorohana ny fitsikerana an-tserasera, izay matetika ahitana fanosoram-potaka sy fanalam-baraka.

Nanome tsiny ny Facebook ilay manam-pahaizana momba ny fampitam-baovao Gayathry S Venkiteswaran noho ny tsy famahany ny olana ara-potoana:

Io no olana rehefa mandà ny toe-javatra misy eo an-toerana ny sehatra manerantany ary miafara amin'ny fanekena ny votoaty feno fandrangitana. Mazava ihany koa izany fa fandrahonana mihatra amin'ny fampitam-baovao.

Hevitra iray mitovy amin'izany no nolazain'ilay mpanao gazety teo aloha Norman Goh izay nisioka rehefa tsy nanaiky ny hanaisotra an'io lahatsoratra io ny Facebook tamin'ny voalohany

Mila atsahatra ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana an-tserasera atao amin'ny mpanao gazety ary mahatezitra fa tsy nesorin'ny Facebook ilay lahatsoratra. Tokony afaka manao tatitra maimaimpoana tsy misy tahotra na fankasitrahana ny mpanao gazety, araka ny etika ihany koa.

Ankoatra ny vondron'ny fampitam-baovao, nahazo fanohanana avy amin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Haino Aman-jery, Datuk Saifuddin Abdullah izay nitsikera ny fitsikerana ny mpitati-baovao i Kow. Nanakiana ny fandrahonana an'ilay mpitati-baovao ihany koa ny Minisitry ny Tontolo Iainana Tuan Ibrahim Tuan Man ary nanamafy fa tokony hovahana amin'ny fomba ‘matihanina’ ny tsy fifanarahana momba ny lahatsora-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.