Tantara tamin'ny 24 Novambra 2019
Vondrompiarahamonina sivily miisa 130 miantso ny tafika hanaisotra ny fiampangàna ny olontsotra
"Mpiasan'ny governemanta ireo miaramila. Raha manao ny tsy mety ry zareo, zon'ny olompirenena ny milaza izany. Zon'ny olompirenena ny mampiakatra ny feony”
Taratasim-pifandraisana RV: Mizara loharanon-kolontsaina sy teknolojia maimaimpoana ho an'ireo vondrompiarahamonina ny Milpa Digital

Hita anatin'ity taratasim-pifandraisana Rising Voices faha #13 ity ireo rohy mankany amin'ireo hetsika maro mila hararaotina mifandraika amin'ny fampidirana ara-niomerika izay ahitàna ny fidirana amin'ireo fitaovana niomerika sy ny fampiasàna azy, sy ireo fomba samy hafa ahafahan'ireo vondrompiarahamonina maro mandray anjara tanteraka anaty aterineto .
Ny tantara ao ambadiky ny “El árbol del amor,” horonan-tsarimiaina fanadihadiana avy amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny Nasa any Kolombia

Ity horonan-tsarimiaina ity dia tantara natsangana avy tamin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo ankizy mpiady tranainy sy tanora sisa velona tamin'ilay fifandonana teo amin'ny indizeny Naza any amin'ny valan-javaboaharin'i Cauca any Kolombia.
Fihetsiketsehana ao Iran: Tifitra bala sy fanakatonana aterineto
Mihorohoro izahay amin'ny tatitra fa mpanao fihetsiketsehana am-polony no maty tany #Iran, an-jatony no naratra ary mihoatra ny 1000 nosamborina nanomboka tamin'ny zoma. Gaga izahay fa nakaton'ny manampahefana ny aterineto mba hanakanana ny tati-baovao momba ny famoretana mahery setra ataon'izy ireo. Manao fanadihadiana izahay ankehitriny.
Fahafatesan'ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao Delhi, niteraka fiaretantory nanerana an'i India
Maty tamin'ny 29 Desambra 2012 tao amin'ny hôpitaly tao Singapour ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao New Delhi.. Nantsoina hoe 'Sabotsy Mainty' ilay andro ary olona marobe avy amin'ny lafivalon'ny firenena no tonga nanohitra ity tsy rariny ity.
Tsy misy paradisa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ao Bahrain
Nalaza ny lahatsary "Famoretana" nataon'ny polisy ao Bahrain, namoaka fanambarana ny minisitry ny atitany: "izay rehetra maka sary hetsika dia tokony hitatitra izany avy hatrany" any amin'ny manampahefana. Roa andro aoriana, sy mifanohitra amin'izany fanambarana izany, maro ireo tezitra tamin'ny vaovao momba ny fisamborana ilay mpanao gazety mpaka sary.