Vietnam: Mpampianatra fahiny teny amin'ny oniversite, nogadraina noho ny zava-boasoratra tety anaty aterineto

Mr. Ngo Xuan Hao. Loharano : Vietnamnet

Ity dia lahatsoratra avy ao amin'ny “The 88 Project, tranonkalambaovao tsy miankina mandrakotra ny avy ao Vietnam, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Tohizan'ireo manampahefana ao Vietnam ny fanamafisan-dry zareo ny famoretana ireo olontsotra tsy hanana ny fahalalahana maneho hevitra, eny fa na tsy misehatra amin'ny fikatrohana eny ifotony aza izy ireny, na anaty hetsika politika. Ny 31 Oktobra 2019, nohelohin‘ny Fitsaram-Bahoaka tao amin'ny Distrikan'i Ninh Kieu, Can Tho City, i Ing. Pham Xuan Hao (54 taona) hifonja 12 taona an-tranomaizina noho ny nanohintohinana ny tombontsoam-panjakana tamin'ny  “fanararaotana ny zo demaokratika sy ny fahalalahana ”, araka ny andinin-dalàna faha 331 ao amin'ilay Didy manafay ny heloka bevava nivoaka tamin'ny 2015, izay matetika ampiasaina mba hanampenam-bava ireo hetsika mpanakiana ara-drariny sy am-pilaminana ao Vietnam.

Mr. Hao dia olona iray manampahaizana sy manana traikefa betsaka ary to teny. Mpahay maritrano izy, nahazo ny maripahaizana ambony ‘master’, ary nandany fotoana maro tamin'ny fiainany niasa amin'ny maha-mpampianatra tao amin'ny Fakiolten'ny Teknolojia – Oniversite  Can Tho, iray amin'ireo oniversite goavana any atsimon'i Vietnam.

Tao amin'ny fitsaràna, ny tribonaly dia namaritra azy ho manampahaizana manokana manana fahaizamiaina sosialy avo be, saingy mbola nanameloka azy ihany ho nampiasa Facebook mba “hanelezana vaovao miiba momba an'i Vietnam izay mampiditra saina ratsy ho an'ny olona sy ireo mpampiasa aterineto.” Nanamafy ihany koa ilay mpitsara fa niezaka ny nanala baraka ireo politikan'ny Antoko Kaominista eo amin'ny fitondrana ankehitriny ao Vietnam sy ny Fanjakana izy.

Tsy ity ihany no tranga fandraisana an-tanana nataon'ny Fitsaram-Bahoaka ao amin'ny Distrikan'i Ninh Kieu momba ny resaka zo haneho hevitra an-kalalahana ho an'ireo mponina ao an-toerana. Tamin'ny 24 Septambra 2018, nohelohin'ny tribonaly Ing. Doan Khanh Vinh Quang higadra roa taona sy telo volana, mitovy amin'ireo niampangàna an'Ing Hao ihany koa ny heloka nanenjehana azy. Ary tamin'ny 13 Jona 2019, io fitsarana io ihany koa no nanameloka an'Ing. Quach Nguyen Anh Khoa hifonja enina volana. Araka ny fikarohana nataonay, fanehoankevitra am-pilaminana fotsiny natao tety anaty aterineto ny zavatra nosoratan-dry zareo ireo, momba ny olana sôsialy sy pôlitika; ny maro amin'izy ireny dia nanakiana fotsiny ireo politikam-panjakana toy ilay volavolan-dalàna momba ny Faritra ara-Toekarena Manokana, ny fampandrosoana nandaniana volabe ho an'ny Seranampiaramanidina ao Long Thanh, ary ny tsy fisian'ny fampiasambola ho an'ny fotodrafitrasa any atsimon'i Vietnam.

Nandritra ny fotoam-pitsaràna an'i Hao, araka ny angondrakitra voaangon'ny “The 88 Project”, nisy 53 ireo trangana filambaniny ary 21 ny fisamborana, ka 12 tamin'ireo dia olona naneho hevitra tety anaty aterineto avokoa. Ing. Hao, izay ny 2019 no nosamborina, no olona faha-13 voasambotra tamin'ity taona ity noho ny fanehoankevitra am-pilaminana tety anaty aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.