Fantaro i Anushe Noor Faheem, Ilay mpanoratra tanora indrindra ato amin'ny Global Voices

(Lahatsoratra tamin'ny volana Desambra 2014)

Iray tamin'ireo fihaonana mahafinaritra virtoaly an-tserasera ny nahafantarako an'i Anushe, indrindra fa amin'ny maha tanora mpikatroka azy avy any Pakistana. Mpanoratra tanora indrindra ato amin'ny Global Voices izy ary nanatevin-daharana ny vondrom-piarahamonina volana vitsy lasa izay. Fahafinaretana ho azy ny manoratra ho an'ny Global Voices, ahafahana mianatra avy amin'ny olon-drehetra sy hahafantarana momba an'izao tontolo izao any ambadiky ny tokonam-baravarana.

Iray amin'ireo mpanohana an'i Malala Yousafzai, mpikatroka Pakistaney amin'ny fanabeazana, 17 taona , ilay tanora indrindra nahazo ny loka Nobel momba Fandriampahalemana izy, tamin'ny alàlan'ny famakiana ny boky momba an'i Malala no nahitan'i Anushe voalohany ny GV. Rehefa nanontaniana mikasika ny asa fampihorohoroana nitranga tany amin'ny fireneny izy no namaly :

“Personally, I've always been asked to keep my profile as low as my mother is afraid getting threats and being attacked as now they don't even spare children.”

“Raha ny momba ahy manokana, nolazaina foana aho mba tsy hisehoseho noho ny fahatahoran'ny reniko hahazo fandrahonana sy ny fanafihana satria tsy mitsitsitsitsy izy ireo na dia amin'ny ankizy aza amin'izao fotoana izao.”

Manameloka ny fampihorohoroana amin-kahalalahana ao amin'ny tambajotra sosialy izy ary mandray anjara mavitrika amin'ny adihevitra. Ary manosika azy ho mpikatroka kokoa izany toe-javatra izany.

Nandray anjara tamin'ny sehatra hafa toy ny I Am That Girl, Miss Heard Magazine, Global Partnership For Education sy Jalaibi.com ihany koa i Anushe. Mpilaza tantara ao amin'ny Stories Beyond Borders ihany koa izy. Ny mba ho tonga mpanao gazety ny asany nofinofisiny satria mbola nahaliana azy hatrany ny nitatitra ny feon'ireo  tsy misy mihaino, ary izany no antony hanaovany ezaka betsaka araka izay tratra amin'ny fanaovana tatitra momba ny olon-tsotra sy ny miaro ny zon'izy ireo.

Ny manoratra, ny mihira, ny mandihy no fialambolin'i Anushe! Efa ao anatiny ny fanoratana ka tsy vitany ny miala amin'izany!

Eny tokoa, nanome aingam-panahy ahy izy , mahafinaritra ny mahita zatovovavy tahaka azy mandray andraikitra ary maneho ny heviny mba ho re sy mba handrenesana ny fomba fijeriny. Nanosika ahy handrisika ireo zatovo, tanora ao amin'ny fireneko mba hanao toy izany ihany koa izany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.