Tantara tamin'ny 27 Avrily 2019
Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina
Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.
SARIPIKA : Nitohy nanerana an’i Venezoela ny hetsi-panoherana
Nitohy tany amin’ireo tanandehibe Venezoeliana maro ny fihetsiketsehana nokarakaraina sy notarihin’ireo mpianatra ny ankamaroany. Feno ny sarin'ireo fihetsiketsehana ireo ny tambajotra sosialy ary indrindra fa ny Twitter.
Ejypta: Polisy namono tovolahy, 12 taona
Zeinobia, avy any Ejypta, nitatitra fa maty novonoin'ny polisy ilay tovolahy 12 taona voasambotra noho ny fangalarana tany anaty magazay.
Mandrahona ny hanisy sivana ny fitsikerana ny Praiminisitra an-tserasera i Thailandy

Taorian'ny fitorian'ny governemanta Thailandey ilay mpanao sariitatra Chai Rachawat dia nampitandrina ny Minisitry ny Serasera sy ny Teknolojiam-baovao ao amin'ny firenena fa hanakatona avy hatrany ireo vohikala ahitana fanamarihana manala-baraka ny Praiministra.
Bahrain: Ao amin'ny tany misy lalàna
Gaga ilay bilaogera Bahrainita Khalid tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny governemanta - taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Atitany baiko handràra ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny mpiasa avy any Bangladesh - ao amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny maha-demokrasia azy amin'ny lalàna sy lalàmpanorenana ao an-toerana.