Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2008)

Ao anatin'ny alahelo sy ny hatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.

Tena nalahelo ny Bahrainita Hasan Hujairi nandre ny vaovao. Nanoratra izy hoe:

I’ve been very saddened by the news of the recent terrorist attacks in the city of Mumbai. I cannot imagine any reason that would justify carrying out such a terrible and mindless act.
My heart goes out to those affected both directly and indirectly by this tragedy.

Tena nampalahelo ahy ny vaovao momba ny fanafihan'ny mpampihorohoro vao haingana tao an-tanànan'i Mumbai. Tsy azoko an-tsaina mihitsy ny antony mety hanamarinana ny fanatanterahana izany hetsika mahatsiravina sy tsy misy saina izany.
Any amin'ireo voakasika mivantana sy an-kolaka tamin'ity voina ity ny foko.

Avy any Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, Seabee mametraka fanontaniana maro ary eto ny sasany amin'izany:

I simply don't understand anything to do with the obscene killings in Mumbai.

I don't understand the mentality of people who randomly take innocent lives. The vast majority of the dead and injured are Indians, hotel workers, train travellers, people simply going about their daily business.

We're told that Americans and British tourists were specifically singled out in some instances. Yet many of them may well have opposed their governments’ policies, so what does the simple fact of citizenship have to do with anything?

I don't understand how a country which has had so many terrorist attacks over recent years can have been so unprepared.

Tsy takatro fotsiny ny zavatra tokony atao manoloana ny famonoana mahatsiravina tany Mumbai.

Tsy takatro ny fomba fisainan'ireo olona izay mamono fahatany ireo olona tsy manan-tsiny. Indiana, mpiasan'ny hotely, mpandeha lamasinina, olona mandeha manao ny asany andavanandro ny ankamaroan'ny maty sy naratra.

Nolazaina taminay fa ireo mpizaha tany Amerikanina sy Britanika no nokendrena manokana tamin'ny tranga sasany. Na dia maro amin'izy ireo aza no mety manohitra ny politikan'ny governemantany, inona no idiran'ny maha olom-pirenena tsotra amin'izany?

Tsy takatro hoe nahoana ny firenena iray izay nitrangàna fanafihan'ny mpampihorohoro marobe tato anatin'ny taona vitsy no tsy mba niomana mihitsy.

Tezitra ihany koa i Rantings of an Arab Chick ary nanoratra hoe:

It goes without saying that my heart goes out to the victims of the terror attacks in Mumbai, those who made it and those who didn't. I don't believe that justice is always meted out and that punishment always falls upon those who deserve it, but I can sure as hell wish for it.

Tsy lazaina intsony fa any amin'ireo niharam-boina tamin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Mumbai ny foko, ireo izay nanao izany sy ireo izay tsy nanao izany. Tsy mino aho fa efa vita hatrany ny fitsaràna ary hilatsaka hatrany amin'ireo izay mendrika izany ny sazy, saingy azoko antoka fa maniry izany mihitsy aho.

Bilaogera Ejypsiana Zeinobia manontany tena hoe:

In any hostage situation there should be hostages , kidnappers, negotiators and demands where as in the latest Mumbai terrible terrorist acts there were hostages,Kidnappers and forces but no negotiators or demands !!??

What were the kidnappers demands ?? They did not take that big number of hostages for nothing !!?? The demands will indicate the identity of the kidnappers so why the Indian government does not announce these demands now !!??

There is something I don’t understand and Please Pardon my question but how on earth 10 people only cause all that destruction in Mumbai in one day or rather three days or even how 10 people can control a hotel in the size of Tag Mahal for three days !!?? This is what the authorities in India said !!??

Amin'ny tranga takalon'aina, tokony misy takalon'aina, mpaka an-keriny, mpanelanelana ary fitakiana, ary tamin'ny asa fampihorohoroana farany tany Mumbai, nisy ny takalon'aina, mpaka an-keriny ary hery saingy tsy nisy mpanelanelana na fitakiana!! ??

Inona no notakian'ireo mpaka an-keriny?? Tsy naka ireo takalon'aina marobe tsy amin'ny antony ry zareo !! !! Ny fitakiana no hanondro ny mombamomba ireo mpaka an-keriny koa nahoana no tsy ambaran'ny governemanta Indiana ireo fitakiana ireo ankehitriny !!

Misy zavatra tsy azoko ary azafady fa nahoana no olona 10 monja no miteraka izany fandringanana izany ao Mumbai ao anatin'ny andro iray na telo andro, na koa hoe ahoana no ahafahan'ny olona 10 hifehy hotely iray amin'ny haben'ny Tag Mahal mandritra ny telo andro !! Izany no nolazain'ny manampahefana ao India !! !!

An Egyptian [Ar] kosa gaga tamin'ny tsy fisian'ny fahalianana teo amin'ireo bilaogera avy ao Ejypta sy ny tontolon'ny Arabo. Hoy izy nanamarika:

انا بتابع اكتر من 100 بلوج مصري و عربي طبعا 99% منهم بتوع مسلمين
ماشفتش ولا واحد كتب عن هجمات مومباى ياترى عاملين ودن من طين و أخرى من عجين ليه؟
بس بصراحة سمعة المسلمين بقت وحشة اوى بعد الموضوع ده
Nanaraka blaogy Ejipsiana sy Arabo mihoatra ny 100 aho, ary mazava ho azy fa ny 99 isan-jaton'izy ireo, dia an'ny silamo. Tsy nahita aho na dia iray tamin'izy ireo aza nanoratra mikasika ny fanafihana an'i Mumbai. Manontany tena aho hoe maninona izy ireo no tsy miraharaha tanteraka izany?
Ny marina dia lasa ratsy be ny lazan'ny Miozolomana taorian'io fanafihana io.

Mbola ao Ejipta ihany, ~W~ izay manoratra ao amin'ny I Wanna Hold Your Hand, nametraka adihevitra iray niarahany tamin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy momba ny fanafihana. Ity ny fiandohan'ny adihevitra:

Me (pointing to the newspaper on her coffee table): Terrible events. I am so upset. I do not know what these terrorists are thinking when they kill innocent people in the name of Islam.
AS : They think they are fighting in the name of God, and they may have a point.

Izaho (manondro ny gazety eo amin'ny latabatry ny kafe): Zava-nitranga mahatsiravina. Tena tezitra aho. Tsy fantatro izay eritreretin'ireo mpampihorohoro ireo rehefa mamono olona tsy manan-tsiny amin'ny anaran'ny Islam izy ireo.
AS: Mihevitra izy ireo fa miady amin'ny anaran'Andriamanitra, ary mety hahazo isa.

Araho ny rohy etsy ambony raha hamaky ny ambin'ny adihevitra.

Ao amin'ny tsenankevitra antserasera, Omania2.net, mpamaky iray nanoratra hoe:

كم هو مخجل ألا يدين الأفراد والمجتمع والمؤسسات وعلماء الدين الأعمال الإرهابية التي يرتكبها بعض الوحوش بإسم الإسلام …. هناك بعض الدول أدانت التفجيرات مثل قطر والإمارات وباكستان ولكن على الصعيد الشعبي لم نرى شيئا …. بينما الواجب أن يستهجن المجتمع المدني في الدول الإسلامية هذه الأعمال وأن يتبرأ المسلمون من مثل هذه الأعمال التي تلصق على الإسلام والإسلام براء منها ….

Mahamenatra fa tsy nanameloka ny asa fampihorohoroana nataon'ny bibidia tamin'ny anaran'ny silamo ny olona, ​​ny fiarahamonina, ny fikambanana ary ny mpitondra fivavahana. Misy ireo firenena sasany toa an'i Qatar, EAM ary Pakistana, izay nanameloka ny fanafihana, saingy teo amin'ny sehatra ampahibemaso, tsy nahita na inona na inona izahay. Adidintsika amin'ny maha-vondrom-piarahamonina Miozolomana ny manameloka ireo fihetsika ireo ary tokony hiala amin'izany hetsika izany ny Miozolomana satria tsy misy ifandraisany amin'ny Miozolomana sy Islamo ireo.

Mpaneho hevitra iray hafa, Ibn Al Rahbi, nilaza fa nandefa telegrama sy taratasy fampiononana ho an'ny namany Indiana rehetra sy ny olom-pantany izy.

Manoratra ao amin'ny Kabobfest, Amerikana-Palestiniana, Will, manome rohy ny tatitry ny Al Jazeera, ary milaza hoe:

The violent ideology behind such senseless attacks belies the emptiness of the group's claims to be defending Muslims. While they are correct that western media and publics are generally blind to and complicit in Muslim suffering, such tactics are unjustifiable in religious, moral and political terms.

Ny foto-kevitra mahery setra ao ambadik'ireny fanafihana tsy misy fotony ireny dia mampiseho ny tsy fahampian'ny fitakian'ny vondrona milaza ho miaro ny Miozolomana. Na dia marina aza fa amin'ny ankapobeny, jamba sy mpiray tsikombakomba amin'ny fijalian'ny Miozolomana ny fampahalalam-baovao sy ny vahoaka tandrefana, dia tsy azo ekena amin'ny sehatra ara-pivavahana, ara-moraly sy ara-politika ireo tetikady ireo.

Ary ao Koety, izay vehivavy valo no nalaina natao takalon'aina tao amin'ny Oberoi, nisento fitoniana ireo bilaogera raha tafaverina soa aman-tsara tany an-trano ireo takalon'aina.

DiLLi O MiLLi nandefa ny votoaty tamin'ny gazety mampiseho ireo vehivavy noraisin'ny manampahefana sy ny fianakaviany tao amin'ny seranam-piaramanidina Koety. Q8ia Mamloo7a ihany koa nizara ny vaovao tao amin'ny bilaoginy ary nilaza hoe:

الحمد والشكر لله سبحانه
قرت عينكم يا أهل الكويت بسلامة المحتجزين
تم الافراج عن جميع المحتجزين الكويتيين
والامير يأمر بإعادتهم بطائره خاصه
Misaotra an'i Allah Lehibe, faly i Koety noho ny fiarovana ireo takalon'ainany, izay navotsotra, sy i Amir (Mpitondra) nanome baiko fa haverina any Koety amin'ny fiaramanidiny manokana izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.