Shina: Efa nosakanana indray ny YouTube

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

[Vaovao farany etsy ambany]

Raha nandalo ny fanakatonana tanteraka  ny Tibet ary niparitaka tao amin'ny YouTube ny lahatsary iray nampiseho ny toe-draharaha feno herisetra dia nanomboka nahatsikaritra ny olona tany Shina fa tsy azo nidirana ny tranonkala fifampizarana lahatsary.

Nanao andrana izay nanamafy ny heverin'ny maro ilay bilaogeran'ny teknolojia Rick Martin avy ao amin'ny CNET Asia Little Red Blog :

There were some videos uploaded to Youtube already about the demonstrations, but this block will definitely throw a wrench anyone's plans to upload more. That said, Chinese versions of Youtube, which have been told to censor this kind of sensitive content, are all still up and running as I write this.

Efa nisy lahatsary vitsivitsy nalefa tao amin'ny Youtube mikasika ireo fihetsiketsehana, saingy  hanimba tokoa ny fikasan'ny olon-drehetra haka lahatsary bebe kokoa ity sakana ity. Midika izany fa mbola nandeha tamin'ny fotoana nanoratako ny fantsona Shinoa Youtube, izay nangatahana hibahana io karazana votoaty saropady io.

Mandritra izany fotoana izany, nahatsikaritra ireo bilaogeran'ny teknolojia hafa fa nitombo ny votoaty lasa saropady an-tserasera tamin'ny ankapobeny tato ho ato .

Izay nametraka ny fanontaniana ho an'ny manampahefana ao Beijing hoe: hatraiza ny fiheveranareo ny olona ho tsy misy saina?

Fanavaozam-baovao ny 17 Martsa:

Nanaraka akaiky ny tatitra mikasika ny olana hafa atrehin'ny olona ao Shina an-tserasera i Jeremy Goldkorn ao amin'ny Danwei.org:

Youtube is blocked, the websites of The Guardian and L.A. Times newspapers are not currently accessible in Beijing; we have reader reports of the Yahoo home page not loading from around the country.

Voasakana ny Youtube, tsy azo idirana intsony ao Beijing ny tranonkalan'ny The Guardian sy ny gazety L.A Times amin'izao fotoana izao; nahazo tatitra avy amin'ny mpamaky izahay fa tsy mandeha manerana ny firenena ny pejy fandraisan'ny Yahoo .

Jereo ny fanehoan-kevitra avy ao amin'ny lahatsoratr'i Goldkorn manerana ny firenena, ary ny maro hafa ao amin'ny lahatsorany teo aloha .

23 Martsa: Nanomboka nitatitra ny bilaogera tao Shina fa azo nidirana indray ny YouTube. Na izany aza, ampahany kely ihany ny zavatra hita amin'izao fotoana izao araka ny nomarihin'i Martin sy ireo hafa .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.