04 Marsa 2019

Tantara tamin'ny 04 Marsa 2019

Iran: Mety hiatrika sazy ho faty ilay bilaogera

GV Mpisolovava  04 Marsa 2019

 Nitatitra [fa] ireo bilaogera sy tranonkala maromaro fa mety hiatrika fiampangana "fihantsiana ady amin'Andriamanitra" i Mohammad Reza Pour Shajari, bilaogera any am-ponja. Azo tononina ho azy ny sazy ho faty amin'izany tranga izany. Nitsikera ny Islamo sy ny Repoblika Islamika tao amin'ny bilaoginy, Iran Land's Report izy.