Emirà Arabo Mitambatra: voaheloka higadra ilay mpandrindra ny sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera  

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 8 Aogositra 2007 i Mohamed Rashed al-Shohhi, mpandrindra ny sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera ao amin'ny Ras Al-Khaimah ao Emirà Arabo Mitambatra no voasazy herintaona an-tranomaizina sy handoa lamandy efa ho 13.600 dolara amerikana (Dh50,000) noho ny votoaty noheverina ho nanala-baraka izay navoakan'ny olona iray tsy mitonona anarana tao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra malaza majan.net  (naato) izay arindrany .

Notaterina ihany koa fa afaka niditra tao amin'ny fanaraha-mason'ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity hikaroka ny adiresy imailaka an'ireo voasoratra anarana ny sampan-draharahan'ny governemanta amin'ny tolotra elektronika. Ary toa nitarika ho amin'ny fisamborana an'ilay mpikambana ao amin'ity sehatra ity, Khaled El Asli izany ny 19 Aogositra 2007.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.