Ireo firenena enina nahazo fanasàna ho isan'ny klioba BRICS

Lula da Silva filohan'i Brezila,  Xi Jinping filohan'i Shina,  Cyril Ramaphosa filohan'i Afrika Atsimo, Narendra Modi Praiminisitr'i India ary Sergey Lavrov Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana  nandritra ny fihaonamben'ny BRICS 2023 tany Johannesburg, Afrika Atsimo, 22 Aogositra 2023. Sary an'ny VOVONAMBE faha-15 nataon'ny BRICS, avy ao amin'ny Wikimedia Commons (Public Domain Mark 1.0)

Ny Africa Feeds no namoaka voalohany ity tantara ity ary dika iray novelarina kokoa no averina avoaka ato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fiarahamiasa hifampizaràna votoaty.

Etiopia sy Egipta dia nanatevin-daharana an'i Arabia Saodita, Iràna, Arzantina ary Emirà Arabo Mitambatra ho anisan'ireo firenena nasain'ny mpitarika ny vondrona BRICS hanjohy ny klioban'izy ireo, fahombiazana iray noderain'ny Praiminisitra Etiopiana :

Fotoana iray lehibe ho an'i #Etiopia satria ireo mpitarika ny vondrona BRICS no manohana ny fidiranay ho ao anatin'ity vondrona ity androany. Vonona i Etiopia ny hiara-hiasa amin'ny rehetra mba hisian'ny filaminana eran-tany mampiaty sy miroborobo pic.twitter.com/BPspm8C0jm

— Abiy Ahmed Ali 🇪🇹 (@AbiyAhmedAli) 24 Aogositra 2023

Ny mpitondra tenin'ny Parlemanta Arabo, Adel bin Abdul Rahman Al-Assoumi, ihany koa dia nilaza tao anatin'ny fanambarana iray fa :

Fihetseham-po tamin'ny fanasàna an'i Ejipta hiditra ho isan'ny vondrona ara-toekarena BRICS

Ny mpitondra tenin'ny Parlemantera Arabo, Adel bin Abdul Rahman Al-Assoumi, dia niteny tao anatin'ny fanambarana iray fa : “Ny fidiran'ireo firenena Arabo telo ao anatin'ny vondrona “BRICS”, dia  i Ezipta, ny Fanjakan'i Arabia Saodita ary ny Emirà Arabo Mitambatra, dia manamafy ny toeran'ny vondrona…pic.twitter.com/dQEucpMm62

— Egypt Today Magazine (@EgyptTodayMag) 24 Aogositra 2023

Araka ny voalazan'ny vondrona BRICs, ity fanapahankevitra hanitatra ny vondrona ity dia hanome azy ny hery ilaina hiarovana ny Global South (ireo Firenana Tatsimo). Ny filohan'i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, izay nitarika ny fihaonamben'ireo mpitarika ny BRICS tany Johannesburg no nanao ny fanambarana.

Nambaran'i Ramaphosa nandritra ny andro farany tamin'ny Fihaonambe faha-15 -n'ireo Lehibem-panjakana sy ny Governemanta tao Johannesburg, izay nanomboka tamin'ny Talata 22 Aogositra, fa “Miroso amin'ny dingana iray vaovao ny BRICS amin'ny tanjony ho famoronana tontolo iray miavaka amin'ny fahitsiana, ny rariny, ny fampiatiana ary ny firoboroboana.”

Ny 1 Janoary 2024 no vinaniana ho tafiditra ôfisialy ho mpikambana ao anatin'ny BRICS ireo firenena vaovao mety ho mpikambana. Raha tafiditra ao anatin'ny fiombonana BRICS ireo firenena ireo dia hanokatra varavarana ho an'ireo firenena hafa liana ary maniry ny hiditra ho mpikambana. Samy nanao sarinteny momba ny mety hampidirana mpikambana fanampiny nandritra ireo dingana teo aloha na Ramaphosa na ny Filoha Breziliana Luiz Inácio Lula da Silva. “Manana marimaritra iraisana izahay mikasika ny dingana voalohany amin'ity zotran'ny fanitarana ity ary hanaraka eo ny dingana hafa,” hoy ny tenin'i Ramaphosa tamin'ireo mpanao gazety nandritra ilay fihaonana an-tampony.

Tamin'ny 2009 no natsangana ny vondrona BRICS, daty iray izay nanombohan'i Rosia azy. Ny tanjona voalohany dia ny hanolotra sehatra iray hahafahan'ireo firenena mpikambana hanontany tena momba ny lamina erantany manjaka amin'izao, izay tena nanjakazakan'i Etazonia sy ireo hery Tandrefana. Tany Yekaterinburg, Rosia, tamin'ny 16 Jona 2009, no natao voalohany ny fihaonana an-tampony, ka i Brezila, Rosia, India ary i Shina no mpikambana nanorina azy. Taorian'ny nahatonga an'i Afrika Atsimo ho lasa mpikambana feno nandritra ny fivorian'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny BRIC tany New York, tamin'ny Septambra 2010 dia naverina indray ny anarana hoe vondrona BRIC (Brezila, Rosia, India, Shina, Afrika Atsimo). Rehefa atambatra, ny firenena BRICS no manome eo amin'ny 40 isan-jaton'ny mponina eran-tany sy ny ampahefatry ny harinkarena Faobe maneran-tany.

Fomba fijery samihafa momba ilay fanitarana

I Shina, mpisehatra iray malaza ao anatin'ny vondrona, dia mihevitra fa ny fidirana mpikambana midadasika kokoa dia hanome azy toerana manan-danja kokoa eo amin'ny raharaha maneran-tany. Raha toa kosa miara-mirona ao ambadik'ity fanapahan-kevitra fanitarana ity i Rosia sy Afrika Atsimo, mbola misalasala kosa i India sy Brezila noho ny ahiahy voasoritra ato amin'ity lahatsoratra ity.

Tsara marihana fa maherin'ny 40 ireo firenena naneho ny fahalianany amin'ny fiarahana amin'ny BRICS, ary amin'ireny dia maherin'ny 20 no nangataka ôfisialy ny fidirany. Samy nilaza ny hetahetany hiditra avokoa ireo mpifaninana malaza toa an'i Irana, Arabia Saodita, Emirà Arabo Mitambatra, Arzantina, Alzeria, Bôlivia, Indônezia, Ejipta, Etiopia, Kioba, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Kaomôro, Gabon ary Kazakstana, tahaka izay nohamafisin'ireo manampahefana Afrikana Tatsimo.

Noantitranterin'ny Praiminisitra Indiana, Narendra Modi, fa ny fanitarana ny vondrona dia tokony ho famantarana ho an'ny andry hafa eran-tany fa mety hihena ny lanjan'izy ireo, tamin'ny alalan'ny filazàna fa : “Ny fihitarana sy ny fihavaozan'ny BRICS ho maoderina dia hafatra iray izay ny andrim-panjakana rehetra maneran-tany no mila azy mba hamolavolana ny tenany hifanaraka amin'ny fiovaovan'ny fotoana.”

Ny fivoaran'ny tontolon'ny BRICS dia manosoka hevitra stratejika mankany amin'ny fampiatiana sy ny maha-zava-dehibe azy ao anatin'ny lamina eran-tany iray miova tsy mijanona. Raha toa an-dàlana ny hiditra ao ireo mpikambana vaovao vonona ny hiara-dalana ary hitovy ny fomba fijery, hanova indray ny fihetsiketsehana iraisam-pirenena ve ny dian'ny fiovàna ataon'ny BRICS ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.