Foto-pianarana mahatohina momba ny sisintany ifanoloran'i Rosia sy Finlandy

Saripika avy amin'i Joakim Honkasalo ao amin'ny Unsplash

Vao tsy ela akory izay ny governemanta Finlandey elatra havanana nanolotra lalàna manakana ny tsy idiran'ny mpitady fialokalofana amin'ny sisintanin'i Finlandy noho ny antony filaminam-pirenena. Amin'ny maha vondron'olona mpikaroka momba ny zon'olombelona sy ny fifindra-monina anay no anazavanay ny fomba hanitsakitsahan'ity lalàna ao Finlandy ity ny adidy iraisampirenena sy ny lalànan'ny zon'olombelona.

Noho ny fahitan'ny tao Finlandy ny fitomboan'isan'ny mpitady fialokalofana tsy manana ny dosie ilaina amin'ny dia sy ny karazan-karatra anondroana ao amin'ny sisintany atsinanan'i Finlandy tamin'ny mihintsan-dravina lasa teo, dia nanapa-kevitra ny hametra ny fivezivezena an-tsisintany manontolo Governemanta Finlandey (fiaraha-mientan'ny Antoko Fiaraha-mientana Nasionaly, ny Antoko Finlandey, ny Demaokraty Kristiana ary ny Antokom-bahoaka Soedoà ao Finlandy). Hatramin'ny Novambra 2023, nakatona ny toerana fiampitana sisintany Finlandey-Rosiana mba hampihenana araka izay tratra ny fifindramonina eo amin'ny firenena roa tonta (nandritra izany fotoana izany, manodidina ny 1300 ireo mpitady fialokalofana no tonga teo amin'ny sisintanin'i Finlandy). Tamin'ny zoma 15 marsa, tamin'ny anaran'ny “fiandrianam-pirenena” sy ny “fiarovam-pirenena”, nanolo-kevitra ny hamoaka lalàna maningana ny governemanta “handraisana fepetra vonjimaika hiadiana amin'ny fifindra-monina misy ambadika.”

Ny lalàna natolotra no mametra ny fotoana ahafahan'ny governemanta, tsy misy idiran'ny parlemanta, manapa-kevitra ny hamerana vonjimaika ny fakatoavana fiarovana iraisampirenena eo amin'ny sisintany Finlandey-Rosiana. Midika izany, raha ampiharina, fa azo avily sy ahisaka “ho amin'ny toerana iray izay anekena ny fangatahana fiarovana iraisampirenena” ireo mpitady fialokalofana, endrika fanosehana mpifindramonina izany raha toa ka tanteraka.

Manolotra lalam-pahamehana izao volavolan-dalàn'ny governemanta izao, izay manitsakitsaka ny zon'ny tsirairay sy adidy fototra ara-pitsarana iraisampirenena, eoropeana ary araka ny lalàmpanorenana — toy ny zo hialokaloka, ny zo ara-pitsarana araka ny tokony ho izy, ny zon'ny ankizy ary ny fitsipiky ny tsy fandroahana hivoaka sisintany —. Araka izany, mitaky ny fankatoavan'ny maro an'isa voafaritra ao amin'ny  parlemanta finlandey izy io. Niaiky ny solontenan’ny minisiteran’ny Atitany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nilazana ny volavolan-dalàna fa eo amin'ny lafiny lalàna dia “manohintohina manokana sy mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana sy ny zon’olombelona io lalàna io.” Fanampin'izay, mifanaraka tsara amin'ny politika ankapoben'ny iray amin'ireo antoko miara-mitantana ao amin'ny governemanta izany lalàna izany, izay tsy iza fa ny Antoko Finlandey farany havanana, izay nikendry an-kitsirano nandritra ny taona maro ny hamerana mafy io fidirana ho fialokalofana any Finlandy io.

Ireo fanitsakitsahana ankitsirano maro amin'ny zon'olombelona sy ny lalàmpanorenana natolotra ireo no manamarina, na dia amin'ny toe-javatra maningana aza, ny (tsy maintsy hanaovana) fandinihana lalina sy fitandremana fatratra. Na dia miezaka mafy aza ny governemanta Finlandey manosika hampandany ny lalàna ao anaty fe-potoana faran'izay fohy. Tsy nomena afa-tsy enina andro fiasana ny solontena avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka sy manam-pahaizana hafa mba hamakiana ilay tolokevitra fanaovan-dalàna sarotra misy 94 pejy ary hamaly amin’ny alalan’ny famoahana fanambaràna. Tsy vitan'ny hoe fotoana fohy dia fohy izany, fa mbola tsy ampy ihany koa ny fotoana handinihana amim-pahamatorana ny mety ho fahavoazana tsy ho voaarina, ny fijalian'ny olombelona ary ny fanitsakitsahana ny zo izay tsy isalasalana fa haterak'ilay lalàna.

Hitantsika io ho ohatra amin'ny fotopampianarana mahatohina, izay anararaotan'ny governemantan'i Finlandy ny fahatsapana tahotra ankapobeny sy krizim-pirenena mba hametrahana lalàna sy politika mampisalasala raha jerena amin'ny fomban'ny demaokrasia, ny zon'olombelona ary ny fanjakana tan-dalàna. Ao Finlandy, nanampy trotraka tamin'ny fahatsapana hamehana amin'ny ankapobeny ny adin'ny Rosiana amin'i Okraina, izay mampahazo vahana politikam-pirenena fiarovana, ary tena misy fiantraikany lehibe amin'ny politikan'ny fifindramonina. Manoratra ity taratasy misokatra ity izahay mba hampisalasala io lasitra io, ary indrindra indrindra, ny politika tsy ara-dalàna natosika amin'ny anaran'ny “fiarovam-pirenena”.

Daniela Alaattinoğlu, University of Turku

Stephen Phillips, Åbo Akademi University

Dionysia Kang, Åbo Akademi University

Jaana Palander, Åbo Akademi University

Magdalena Kmak, Åbo Akademi University

Yulia Dergacheva, University of Turku

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.