(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2011)
Niharan'ny orambe indray ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.
Milaza ny tatitra fa farafaharatsiny 11 no maty, 100 no naratra ary mbola mikatona ny sekoly hatramin'ny 13 febroary. Maro ny faritra mbola tondra-drano, tsy misy fifandraisana amin'ny finday noho ny fahasimban'ny tilikambom-pifandraisan-davitra. Mitohy ihany koa ny fahaverezana ara-toekarena, noho ny fahaverezan'ny fidiram-bola avy amin'ny fizahan-tany ary ny fahasimbana ankapobeny amin'ny fananana sy ny filàna fotodrafitrasa maika.
Avy ao amin'ny Twitter:
@hlabeek
السعوديين في ظل الدولة السعودية ليس مسموح لهم إدارة شؤونهم بينما لو كانو احرارلإستطاعوا أن يديرو العالم بأكملة بالحضارة والثروة #JeddahRain
Miresaka amin'i Jeddah:
@HendFM
#JeddahRain Don't ever let anyone tell you you deserve that .. Don't ever let anyone tell you you deserve that!!
#JeddahRain aza avela hisy olona hilaza aminao fa mendrika anao izany. Aza avela akory ny olona hilaza aminao fa mendrika anao izany
@AlwaleedKahled mitodika any amin'ny mpanjaka Saodiana:
@khalooddy nanampy hoe:
@Zeerkh nisioka hoe:
@DrAbOaD manamarika hoe:
Fanehoan-kevitra bebe kokoa avy amin'ny bilaogy:
Crossroads Arabia nilaza hoe:
Perhaps it’s time for Saudi Arabia to step back from ‘newer!-faster!-better!-bigger!’ for a while and spend serious money on fixing the infrastructure, not only in Jeddah, but in all major cities.
Angamba fotoana ho an'i Arabia Saodita izao mba hiala amin'ny ‘vao haingana kokoa!'haingna kokoa! tsara kokoa!-lehibe kokoa mandritra ny fotoana fohy ary mandany vola be amin'ny fanamafisana ny fotodrafitrasa, tsy ao Jeddah ihany, fa any amin'ny tanàna lehibe rehetra.
Khaled, avy ao amin'ny Khaled Rambles nanangona lahatsary ao amin'ny youtube izay azonao jerena ato.
Saudi Jeans nanampy hoe:
Obviously, none of last year’s lesson has been learned. The situation is beyond disastrous, with many losses in souls and property.
Miharihary, tsy nisy nianarana ny lesona tamin'ny taon-dasa. Vao mainka ratsy ny zava-misy, marobe ny fahaverezana aina sy fananana
ary Ibrahim Alsuhaibani nanoratra momba ny fifandraisantsika amin'ny orana:
@halmustafa namorona hashalbum, tamin'ny anarana hoe Jeddahrain.
Nampiasa media sosialy ny hafa mba hanavotana ireo mila fanavotana:
@Jozeaph
صبي عمره بين ٤ الى ٥ سنوات يبكي ويرفض التحدث شعره بني طوله ٨٤ يرتدي شورت اخضر وتيشيرت ابيض لمن يعرف هويته الإتصال على0544477105 #jeddahRain
Zazalahy teo amin'ny 4 na 5 taona teo no mitomany sy tsy mety miteny, volo miloko mainty, 84 cm ny halavany, manao pataloha fohy maitso sy lobaka fotsy. Antsoy ny 0544477105 raha fantatrao izy.
ary avy amin'ny iray amin'ireo pejy fanavotana ao amin'ny Facebook:
مطلوب على وجه السرعة كوادر صحية شباب فقط للنزول الميداني من طب (خامس واكبر) او تمريض ويشترط pls يرجى التوجه الى مركز معارض الحارثي قبل السادسة ٠٥٦٥٤١٨٢١٣
Ilaina maika tokoa, mpanome fanampiana ara-pahasalamana avy amin'ny sehatry ny fitsaboana na mpitsabo mpanampy. Azafady antsoy raha afaka manampy ianao 0565418213
@fofetta_senpai For Anyone who walked in the floods You HAVE to take Tetanus vaccine Spread the World #JeddahRain
Ho an'ireo izay nandeha tamin'ny tondra-drano, TSY MAINTSY mitsindrona vakisiny Tetanosy ianao, ampitampitao #JeddahRain
Farany, nisy bilaogy natsangana amin'ny anarana hoe Jeddah Leaks, mba hampisehoana ireo nandray andraikitra tamin'ny kolikoly, izay miteraka faharavana goavana isaky ny mitondra orana ny lanitra.