Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)

Tamin'ireo Miozolomana 1,8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefasana hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.

Mifanojo amin'ny Eid Al Adha rahampitso (Talata) Ny Hajj, izay tokony ataon'ny Miozolomana tsirairay afaka manao izany farafaharatsiny indray amin'ny androm-piainana.

Mizara ny zava-niainan'izy ireo tamin'ireto sioka manaraka ireto ireo mpisera Twitter manerana ny faritra.

Bahrainita Hassan Zainal nanoratra hoe:

Taking a break before starting another round of prayers.People are
enjoying the moments despite the difficulties.Bahraini people are
awesome

Maka aina alohan'ny hanombohana vavaka isan-karazany.
mankafy ny fotoana ny olona na dia eo aza ny fahasarotana.
mahatalanjona ny Bahrainita

Ary nanoro hevitra izy hoe:

A lot of old people r here as well & we as young people keep
complaining about how difficult Haj is.Go while you are young.Lifetime
journey.

Maro ireo olona antitra eto ary koa izahay, amin'ny maha-tanora
mitaraina momba ny fahasarotan'ny Haj. Mandehana raha mbola tanora ianao.
Dian'ny fiainana.

Khalid Al Mutari, avy any Arabia Saodita, mizara sioka maro miaraka amin'ny sary maneho ny fivahinianany masina.

Eto izy dia mampiseho antsika ny tapakila ho an'ny Metro mankany Mecca, tolotra fiara-dalamby vaovao 2 miliara dolara, izay mitondra ireo mpanao fivahinianana masina any amin'ny toerana masina samihafa.

Tapakila amin'ny Metro mankany Mecca Mecca Metro tickets

Ny tolotra fiarandalamby, izay natokana ho an'ny Saodiana sy ireo olom-pirenen'i Golfa hafa tamin'ity taona ity, dia nodoran'ny mpivahiny masina avy any amin'ny firenen-kafa, izay tsy navela hampiasa ny tolotra. Ny Filan-kevitry ny Fiarahamiasan'ny Golfa dia ahitana an'i Arabia Saodita, Bahrain, Koety, Oman, Qatar ary Emirà Arabo Mitambatra (UAE)

Avy any Qatar, Shabina manontany hoe:

What about the little ppl at Hajj? RT @ The Mecca Metro launches today for Saudis & Gulf nationals

Ahoana ny momba ny vahoaka madinika ao amin'ny Hajj? RT @  Manomboka androany ho an'ireo Saodiana sy olom-pirenena Golfa ny Metro Mecca

Ao anatiny ihany koa i mmbilal, avy any Doha, Qatar. Ao izy mitantara ny Hajj ao amin'ny Al Jazeera amin'ny teny anglisy. Misioka izy hoe:

Just landed in jeddah – hassle free – to cover for @! Slight hiccup in doha involving exit permits, but all is well now.

Vao avy tonga eto jeddah – tsy misy tebiteby – mba hitantara ny  ho an'ny @! Olana kely tao doha mikasika ny fahazoan-dàlana hivoaka, saingy efa milamina tsara daholo izao.

Nizara sary tao amin'ny siokany ihany koa izy. Faritana tahaka izao manaraka izao ity sary ity:

Vehivavy mpivahiny masinaWomen pilgrims

since most ppl stay 2 far from Kaaba to come to evry prayer, thousands camp outside the mosque and nxt door mall

satria ny ankamaroan'ny olona nijanona lavitry Kaaba mba ho avy hivavaka, toby an'arivony no eo ivelan'ny moske sy akaikin'ny fivarotana lehibe

Ary ny soratra ao amin'ny sary manaraka dia mivaky hoe:

Kaaba masina The Holy Kaaba

view of the kaaba and masjid al haram from the al jazeera arabic studio at

tazana an'i kaaba sy masjid al haram avy amin'ny studio arabo al jazeera ao #hajj

Mpisioka hafa momba ny Hajj ilay Ejiptiana Mohamed, izay mizara ny fandinihany ato. Amin’ity sioka ity izy mampiseho ankizilahy iray manana olana:

6-year old in e7raam outfit walking around the tent and trying to find a plug to recharge his PSP.

Zazalahy 6 taona mandendeha manodidina ny tranolay sy miezaka mitady (prise) hamahana ny PSP-ny  #hajj #arafat

Ary eto dia mamazivazy ireo mpankafy ny tranonkala tambajotra sosialy Foursquare izy:

Hey @, i just made it to a meetup with 3 million buddies. That's gotta deserve an awesome new badge! !

Hey @, vao avy nihaona tamin'ireo namana 3 tapitrisa aho. Mendrika “badge” vaovao mahafinaritra izany! !

Ary farany, Tareq Fares, avy any UAE, mizara ity sary ity avy ao amin'ny Tendrombohitra  Arafat:

Fivahiniana masina ao amin'ny tendrombohitra Arafat 

Raha hijery sioka Hajj maro hafa, jereo ny #Hajj ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.