10 Desambra 2018

Tantara tamin'ny 10 Desambra 2018

Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary

Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.

Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj

Tamin'ireo Miozolomana 1.8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefa hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.

Blogs&Beers miaraka amin'i José Luis Orihuela

  10 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitsidika an'i Shily i José Luis Orihuela raha nasain'ny Fivoriamben'ny Serasera Iraissam-pirenena sy ny Atrikasa izy.  Nanasa an'i José Luis hiresaka amin'ireo bilaogera Shiliana tamin'ny fihaonana Blogs & Beers [Bilaogy sy Labiera] ireo bilaogera samihafa raha manararaotra ity fotoana manokana ity....