Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

(Fanamarihana: lahatsotra nivoaka tamin'ny Jolay 2011 ity lahatsoratra ity )

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Rivopanovàna Toniziana 2011 ity lahatsoratra ity.

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 02 Aogositra 2011. Kanefa asehon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana ny 23 Oktobra 2011.

Nifidy ity teny filamatra manaraka ity ry zareo: “Fotoana izao Hisoratana anarana amin'ny hetsipanentanan-dry zareo” (jereo etsy ambany amin'ny sisiny havanana).

Ankoatra izay, nisy hetsika Facebook noforonina teo ambanin'ny anarana hoe ‘Bloguez pour l'inscription aux listes électorales‘ (Manorata bilaogy ho an'ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana). Maherin'ny 309 ireo bilaogera nanamafy ny fandraisany anjara anatin'ilay hetsika nokarakaraina ny 25 sy 26 Jolay 2011.

"Time to Register for their campaign"

“Fotoana Izao Hisoratana Anarana Amin'ny hetsipanentanan-dry zareo”

Efa nanoratra lahatsoratra sahady ny sasany tamin'ireo bilaogera, toa an'i Wallada [ar], izay nanoratra:

أنا سجّلت اسمي في القائمات الانتخابيّة ، و كذلك الشّأن بالنّسبة إلى أفراد عائلتي و جيراني و أصدقائي . سجّلنا برغم كلّ شيء برغم زخم الأحزاب و خطابها السّياسي غير المقنع ، و برغم الانفلات الأمني ، و الحرائق المُدَبَّرة ، برغم غلاء المعيشة و تدهور المقدرة الشرائيّة ، برغم الاحتكار و الاستغلال و استمرار البطالة ، برغم البطولات الورقيّة و العنف و الاستفزاز … برغم كلّ هذا و غيره سجّلنا

لأنّ الإحجام عن التسجيل سلبيّة و استقالة و السلبيّة لا تبني بلدا

Nanoratra ny anarako tanatin'ny lisi-pifidianana aho. Nanao toy izany koa ny fianakaviako, ny mpiray vodirindrina amiko ary ny namako. Nisoratra anarana izahay na dia eo aza ny zava-mitranga rehetra: na marobe aza ny isan'ireo antoko pôlitika sy ny lahateny pôlitika tsy mandresy lahatra omeny, na eo aza ny tsy fisian-dalàna sy ny afo niniana narehitra, na eo aza ny halafon'ny fiainana sy ny fitotonganan'ny fahefa-mividy, na eo aza ny ampihimamba, ny fanararaotana sy ny tsy fisian-kasa lavareny,  na eo aza ireo fandresena sy mpamonjy noforonina, ny herisetra sy ny fihantsiana…Na eo aza izato sy izatsy, nisoratra anarana izahay…

Eny tokoa, ratsy ny fanembatsembanana. Fihemorana izany. Tsy manangana firenena iray ny fijerena ny lafy ratsin-javatra sy ny fihemorana.

Ary nanoratra i Another Brick in the Wall [ar]:

ناس عطاطها ولادها وأكبادها

ناس عطاتها أعزّ ما عندها

ناس عطاتها عمر فناتو في خدمته

ناس عطاتها ايّامها ولياليها

وأنت؟ ما عندكش دقيقة ليها؟

برى قيّد باش كان تحبّ تعاود تبنيها

برى قيّد و ما تبخلش عليها!!

من وقتك، دقيقة أعطيها !!

قيّد….خير ما نبكيو عليها

Nisy ireo nanao sorona ny menaky ny ainy ho azy

Ny hafa nanome azy izay sarobidy indrindra teo aminy

Nisy ireo nanokana ny androny sy ny aliny ho azy

Ary ianao? Manana minitra ho azy ve ianao?

Mandehana ary misorata anarana raha tianao ny hamerina hanorina azy

Mandehana ary misorata anarana ka aza ratsy saina

Anokano minitra iray monja eo amin'ny fiainanao izy

Misorata anarana raha tsy izany hisaona azy isika

Misy ireo miantso mba hisoratra anarana ao amin'ny lisi-pifidianana kanefa, misy kosa ireo miantso ny hanembatsembanana izany tahaka ny ataon'ilay vondrona Takriz (‘Hatezerana’ amin'ny tenim-paritra ao Tonizia), izay niantso ny vahoaka tao amin'ny Twitter hanohitohina ny fisoratana anarana sy ny fifidianana. Miresaka amin'ny governemanta Toniziana ry zareo manao hoe:

@Takriz: Te hanao fifidianana ianareo? Omeo anay ny fahamarinana, ny mangarahara, ny fanarahamaso ara-bola an'ireo antoko, ny lalàm-pifidianana voahevitra kokoa ary ireo mpanaramaso avy any ivelany.

Raha manatona moramora ny datin'ny fifidianana Antenimieran-dàlampanorenana, maro ireo adihevitra sy resabe miseho ao Tonizia. Nahavita nanongana mpanao didy jadona ny Toniziana ary miezaka manangana demôkrasia tena izy ankehitriny. Ho lavorary ve izany? Ny fotoana no anambara.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Rivopanovàna Toniziana 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.