30 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2018

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.

Myanmar: Noafahana ihany i Suu Kyi

  30 Oktobra 2018

Nogadraina nandritra ny 15 taona tao anatin'ny 21 taona izy , kanefa afaka ihany ankehitriny . Ilay mpanohana ny demokrasia Birmana malaza sady mpitarika ny mpanohitra Aung San Suu Kyi dia navotsotry ny miaramila tohanan'ny governemanta ao Myanmar ny tolakandron'ny Asabotsy.