Madagasikara: Nandrahona ny fifidianana hoavy ny fikasana hanongam-panjakana

(Marihina fa tamin'ny 20 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)


madagasmarket

Sary avy amin'i Martha de Jong Lantig.

Tsy dia nahenoana teny firy momba ny fikasana fanonganam-panjakana nataon'ny Jeneraly Andrianafidison (fantatra amin'ny anarana hoe Jeneraly Fidy) ireo bilaogera Malagasy miteny Frantsay. Toa tsy nahafantatra tsara ny zava-nitranga  ireo izay efa nibilaogy momba ity zava-nitranga ity ary niantehitra tamin'ny gazety teto an-toerana sy iraisam-pirenena.

Nijery lahatsoratra iray tao an-toerana i Harinjaka izay tsy nahazo antoka tsara ny zava-nitranga ary nanoratra hoe :

Enfin, je ne peux pas faire semblant de ne pas voir l’annonce de ce putsch militaire par le Général Andrianafidison à la Une de La Gazette aujourd’hui .J’ai veillé toute la nuit pour avoir des news (pour le boulot) et RFI confirme que c’est calme. … mais wait and see ihany.

Tsy haiko ny mody tsy hijery ity fanambarana momba ny fanonganam-panjakana miaramila nataon'ny Jeneraly Andrianafidison tao amin'ny La Gazette androany ity. Niari-tory aho nandritra ny alina mba hahazo vaovao (noho ny asa) ary nanamafy ny RFI fa tony ny toe-draharaha. … kanefa ho hita eo ny tohiny .

Toy izao no nambaran'ny La Gazette :

Sombre et inquiétante atmosphère de putsch militaire hier depuis midi, à Antananarivo. Une douzaine d'officiers de l'Armée en treillis, sous la houlette du général Randrianafidisoa, ont annoncé devant la presse la mise sur pied d'un Directoire militaire qui prend en main les affaires de l'Etat, la formation d'un gouvernement de transition et la constitution d'une Assemblée constituante qui prend la place de l'Assemblée nationale et du Sénat. Déclaration confuse car ces opérations ne prennent pas effet immédiatement mais ont été citées…au futur. Après la lecture de ce communiqué … les “mutins” … se sont retranchés à la caserne de la Base Aéronavale d'Ivato (BANI).

Rivo-piainana maloka sy mampanahy nandritra ny fanonganam-panjakana miaramila omaly hatramin'ny mitataovovonana teto Antananarivo. Nanambara teo anoloan'ny gazety ny fananganana fitondrana miaramila izay hitondra ny governemanta, sy ny fananganana governemanta tetezamita ary ny Antenimiera vonjimaika izay handimby toerana ny Antenimieram-pirenena sy ny loholona ny manampahefana miaramila ampolony, teo ambany baikon'ny Jeneraly Randrianafidisoa. Fanambaràna nisafotofoto satria nambara fotsiny ihany ireo hetsika ireo fa tsy nihatra avy hatrany … ho an'ny hoavy. Rehefa avy namaky ilay fanambarana … dia nisitanka ny toby miaramila an'habakabaka Ivato…ny “miaramila mpikomy”.

Fanonganam-panjakana tsy nahomby saingy nanankorontana ny fizotran'ny fifidianana

Nanondro ny lahatsoratra iray tao amin'ny Reuters ilay bilaogera Ivoarana ary nilaza fa kandidà ho amin'ny fifidianana ny 3 Desambra 2006 ilay Jeneraly ary nihintsana izy satria tsy nahafeno ny fepetra. Nilaza ihany koa ny lahatsoratra fa tsy nahomby ny ezaka fanonganam-panjakana ary voafehy fanambaran'ilay Jeneraly.

Nanondro ny lahatsoratra iray tao amin'ny Madagascar Tribune i Harinjaka , ary namintina hoe:

La situation est inquiétante. Ces tracts diffusés ici et là et l’annonce du Général Fidy concernant la mise en place prochaine de la Directoire Militaire perturbent l’opinion publique en cette période de campagne électorale.

Mampiahiahy ny toe-draharaha. Nozaraina etsy sy eroa ny trakta ary nanakorontana ny hevitry ny vahoaka amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao ny fanambarana nataon'ny Jeneraly Fidy [Andrianafidison] mikasika ny fananganana ny Filankevitra Miaramila .

Nanampy ny fitantarana hafa ny vohikala Midi Madagascar  ary namerina ny fanehoan-kevitra avy amin'ny Jeneraly Fidy fa tsy “fanonganam-panjakana” loatra ny fanambaràny fa fanehoana ny tsy fahafaham-pony momba ny zava-nisy sy ny fifidianana hoavy:

[General Fidy] de faire savoir que beaucoup de gens ne sont pas « chauds » pour la tenue du scrutin présidentiel. Et c’est une des raisons qui l’a poussées à proposer la mise en place d’un directoire militaire. Non sans préciser que cela se fera sans casse car il ne s’agit pas, mais pas du tout, d’un coup d’Etat. Mais si les choses se présentent autrement notamment le recours à la force, il se dit prêt à prendre les mesures qui s’imposent.

Nilaza i [Jeneraly Fidy] fa maro ny olona no tsy “rototra” amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy. Ary izany no antony iray nanosika azy hanolo-kevitra ny fametrahana ny fitantanana miaramila. Nilaza ihany koa izy fa hatsangana am-pilaminana tsy misy fanimban-javatra ny fitantanana fa tsy fanonganam-panjakana mihitsy io. Nilaza izy fa vonona ny handray ny fepetra ilaina raha ohatra ka tsy izany no zava-mitranga fa nisy ny fampiasan-kery .

Ny mety hitranga ho an'i Fidy

Nanampy ny Midi Madagascar fa mbola eo am-panapahan-kevitra momba ny fanambaran'ny Jeneraly Fidy ny sampana ao amin'ny tafika:

Pour sa part, le haut commandement militaire va aussi prendre des mesures contre le général Fidy qui a fait sa déclaration dans un camp militaire. « Nous sommes encore en train de nous réunir », nous a répondu, hier vers 21 heures, le chef d’Etat-Major général de l’Armée, le général Raonenantsoamampianina. Une réunion visiblement de crise où il était question d’enquête.

Handray andraikitra mikasika ny raharaha Jeneraly Fidy izay nanao ny fanambarany tao amin'ny toby miaramila ny kômandin'ny miaramila ambony. “Mbola mivory izahay”, hoy ny lehiben'ny tafika, Jeneraly Raonenantsoamampianina omaly, tamin'ny 9 ora alina. Fivoriana mafana izay mazava fa niresahana momba ny fanadihadiana.

Fanamafisan-toerana?

Nisy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaogin'i Harinjaka.
Nihevitra i Tseloun fa ho hanampy ny filoha amperin'asa amin'ny fifidianana hoavy ny 3 Desambra 2006 ny fanonganam-panjakana nataon'i Jeneral Fidy:

Voila,bravo pour ce coup d’éata foiré qui va joué le jeu de Ravalomanana…
Le peuple ne va jamais accepter qu’on prenne le pouvoir par la force,d’autant plusq ue les éléctions c’est dans deux semaines. Je confirme en tout cas que Ravalo est à Tana cette nuit.Il a fait son meeting à Majunga hier aprés midi.

Arahabaina noho ity fanonganam-panjakana tsy nahomby ity izay hanosika [ny Filoha] Ravalomanana … Tsy hanaiky ny fangalana an-keriny ny fahefana mihitsy ny vahoaka, indrindra fa roa herinandro sisa dia ho avy ny fifidianana. Manamafy ihany koa aho fa ao Antananarivo Ravalo androany alina. Nanao fivoriana tany Mahajanga izy omaly tolakandro .

Nanampy teny mampihomehy ny Malagasy Aty California:

Il n’y a qu’à Madagascar où il peut y avoir “un avertissement” de coup d’état via la presse!!! … Ce commentaire est une exception, je me suis promis de ne plus commenter la politique au pays- Cela ne sert pas à grand chose!.

Tsy eto Madagasikara ihany no misy ny fanonganam-panjakana “fampitandremana” amin'ny alàlan'ny gazety! … Tranga manokana ity fanehoan-kevitra ity, efa nilaza aho fa tsy hiresaka politika ao amin'ny firenena intsony – Tsy misy ilaina izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.