Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

10 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2018

Ny Tontolon'ny Bilaogy Kenyana Amin'ity Herinandro Ity

Manana fandalinana mahaliana mikasika ny zava-mitranga ao Amerika i Sidaki ary manao tsoakevitra fa anisan'ireo zavatra mampisalasala ny Amerikanina ny andraisana azy eo amin'ny taniny i Christopher Murungaru, izay vao volana vitsy monja ihany koa izay no nampahafantarin'ny fanjakana Britanika fa tsy tiany handoto ny varavarany.

Mampahafantatra ny Tale mpanatanteraka, Ivan Sigal ny Global Voices

Faly izahay manambara fa nanatevin-daharana ny Global Voices ho Tale Mpanatanteraka i Ivan Sigal. Tonga eto amintsika i Ivan avy ao amin'ny Ivon-toerana Amerikanina momba ny Fandriampahalemana , toerana izay nanaovany fikarohana momba ny fampahalalam-baovaon'olo-tsotra tao amin'ireo faritra an'ady manerantany.

Azerbaijan: Tafaverina ny tranonkala malaza — tsy nasiana forum

Taorian'ny andro maromaro nikatonana, tafaverina ny tranonkala Azerbaijani tsy miankina malaza momba ny adihevitra sy vaovao, Day.az. Na izany aza, mitohy ny fanontaniana tamin'ny nanjavonany vetivety, tsy toy izany kosa ny forum ao amin'ny tranonkala- fantatra amin'ny adihevitra misokatra sy demokratika.

Manomboka manaiky ireo mpiasa avy any ivelany i Japana, saingy mizarazara kosa ny hevi-bahoaka

Fantatra amin'ny maha-fiarahamonina tokambolo azy i Japana. 2 isanjato monja amin'ny mponina no olom-pirenena vahiny. Na dia izany aza, dia mety tsy hanana-tsafidy i Japana fa hanaiky ireo mpiasa maro avy any ivelany mba hiatrehana izay ho fihenan'ny mponina miasa noho ny fahanterana sy ny taham-piterahana ambany.

Fampiasàna ny Grammarly ho an'ny GV?

Blaogim-Piarahamonina GV

Tolokevitra amin'ny tokony hampiasàna ny Grammarly ho an'ny Vondrompiarahamonina GV.

Nolavin'i Hong Kong ny visa an'ireo tonian-dahatsoratry Financial Times izay nanatontosa valan-dresaky ny mpomba ny fahaleovantena

Nandà ny hanavao ny visa ho an'ny filoha lefitry ny klioban'ny gazety vahiny, Victor Mallet, sady tonian-dahatsoratry ny Financial Times ao Azia ihany koa i Hong Kong. Niteraka fanomezan-tsiny avy amin'ireo fikambanana samihafa izany.

Japana: Misedra olana ny tolona Sumo

Volana vitsivitsy henjana teo amin'ny tontolon'ny tolona sumo, "fanatanjahatena nasionaly" Japoney. Voalohany,  niverina tao amin'ny tanindrazany ilay mpitolona Mongoliana, Asashoryu, iray amin'ny yokozuna (kilasy ambony indrindra amin'ny tolona) mba ho tsaboina noho ny fikorontanana ara-tsaina vokatry ny fanakianana fa tsy nahavita ny adidiny izy.

Fahalalaham-pitenenana sy fankalazana mozika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana

Lohahevitra maro samihafa no nasongadina tamin'ny herinandro, tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Hatomboko amin'ny Farid sy ny antontan'isany mahaliana momba ny fitoraham-blaogy any Maraoka. Avy eo i Reda izay nahita, noho i Shimon Peres, fa misy fifandraisana misy eo amin'ny hakamoana sy ny finoana silamo

Madagasikara: Nandrahona ny fifidianana hoavy ny fikasana hanongam-panjakana

Tantara tamin'ny taona 2006, nanaovan'ny Jeneraly Fidy fanambarana tao amin'ny Toby BANI Ivato, Voatery niova lalana ny zotram-piaramanidina nandehanan'ny Filoha Ravalomanana tamin'izany fotoana izany raha nandeha tany ivelany hitodi-doha an-tanindrazana izy.

Fifidianana tao Somaliland

Raha toa ka saika miatrika fahasarotana avokoa ny ankamaroan'ny toerana ao Somalia, i Somaliland kosa dia nahavita tena tsara ary hiatrika ny fifidianana demoktratikany voalohany tsy ho ela.