Tantara tamin'ny 09 Oktobra 2018
Sary avy any Venezoela: “Ny feon'ny traikefa”
Raha niroso tamin'ny fifidianana i Venezoela tao anatin'ny fifandonana sy ny krizin'ny fifidianana, farafaharatsiny mba nisy ihany ireo mponina vitsivitsy tao Caracas no afaka nanokana fotoana mba hitafatafana tamin'ny namana.
Libanona miresaka momba ny ady sakafo Hummus
Nifanatrika tamin'ny fifaninanana henjana ireo mpamokatra hummus Israeliana sy Libaney noho ny hetaheta manerantany tsy mitsaha-mitombo ho an'ny '"dip" matsiro any Afovoany -atsinanana .
Mankalaza ny sakafo indizeny amin'ny fanamby an-tserasera ho an'ny sakafo ara-pahasalamana ny Meksikana
Mihinana sakafo voahodina kokoa noho ny any amin'ny firenena Amerika Latina ny Meksikanina na dia eo aza ny sakafon'ny indizeny izay be otrikaina ao amin'ny firenena.
Syria: Fandraketam-peo Hyperlink mifantoka amin'ny teknolojia Arabo
Noraisina tamin-kafanam-po teo amin'ireo bilaogera Syriana ho anisan'ny fandraketam-peo (podcasts) teknolojia tsara indrindra hita amin'ny teny Arabo ny Hyperlink Podcast. Noforonin'ireo bilaogera mpirahalahy Syriana roa: Mohammad sy Beshr Kayyali isan-kerinandro.
MENA: Nametra-pialana ny mpandrindra ny fampielezan-kevitr'i Obama ho an'ny Miozolomana
Nametra-pialàna i Mazen Asbahi, mpisolovava nanolo-tena ho an'ny Amerikanina Miozolomana sy Arabo mba ho mpandrindra ny fampielezan-kevitr'i Barack Obama taorian'ny fiampangana azy ho mifandray amin'i Jamal Said, imam ao amin'ny moské fondamentalista ao Illinois.