Ambany aloky ny lalàna: Ny tontolon'ny fampitam-baovao koreana tatsimo mihapotika mangina

President Yoon Suk Yeol and first lady Kim Keon Hee stand in front of the official Korean airplane

Ny Filoha Yoon Suk Yeol sy ny Vadiny Kim Keon Hee nanao veloma alohan’ny hiaingany ho any Royaume-Uni tamin'ny 18 septambra 2022. Tobin’ny Air Seoul, Seongnam-si, Gyeonggi-do. Sary avy amin'i JEON HAN tao amin'ny pejy Flickr KOCIS. (CC BY-NC-SA 2.0 DEED).

Mety efa naheno fanoharana momba ny sahona anaty rano mangotraka. Mitantara ny angano fa ny sahona ao anaty vilany misy rano miha mafana tsikelikely dia tsy hahita ny loza eo no ho eo ary ho masaka velona amin'ny farany. Na dia noheverina ho angano kokoa noho ny zava-misy ara-tsiansa aza izany, dia mbola manana ny heriny ilay fanoharana.

Ekena ho firenena matanjaka ara-toekarena, ara-politika ary ara-teknolojia i Korea Atsimo. Maneho izany amin'ny ankapobeny ny tondro iraisampirenena, mampiseho filaharana miorim-paka sy mifanaraka, tsy misy fiovaovana loatra. Na izany aza,  mikendry ny hanasongadina ny fitotonganana vao haingana eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena, izay tsy voatatitra loatra amin'ny famakafakana manerantany ity lahatsoratra ity.

Niatrika fiampangana ho nampiasa tetikady miteraka voka-dratsy amin'ny fahalalahana miteny ny governemanta mpandala ny nentin-drazana amin'izao fotoana izao, izay nandray ny toerany tamin'ny volana Mey 2022. Ny lehibe indrindra amin'ireo fiampangana ireo dia ny valifaty mihatra amin'ireo mpanao gazety sy ireo fikambanam-baovao manakiana ny Filoha Yoon Suk Yeol, ny Vadin'ny Filoha Kim Keon Hee, ary ny minisitr'izy ireo amin'ny mody filazana fa manaparitaka vaovao sandoka. Tafiditra ao anatin'ny tatitra ny tranga fandraràna mpanao gazety tsy mitovy hevitra tsy hanatrika valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety sy ny fanaovana fanadihadiana azy ireo momba ny fanalam-baraka sy ny fitsabahana amin'ny fifidianana mifototra amin'ny fitantaran'izy ireo mifototra amin'ny fanodikodinam-bola nataon'i Yoon sy i Kim. Niitatra tamin'ny fidirana an-keriny ny trano sy ny biraon'ny mpanao gazety mihitsy aza ny toe-javatra sasany.

Nanao bemidina tao amin'ny Newstapa, JTBC ny mpampanoa lalàna noho ny fiampangana fanaovana antsafa hosoka

Tsinjo mialoha tamin'ny volana Janoary 2022 ity fomba famaliana faty ity rehefa nisy resaka an-tsofindavitra tafaporitsaka nandritra ny fampielezan-kevitra filoham-pirenena nahitàna an'i Kim nandrahona ny hanagadra ireo mpanao gazety rehetra manohitra ny vadiny raha toa ka lany izy.

Fanampin'izany, namoaka didy fampiharan-dalàna maromaro tsy mbola nisy toy izany ny Filoha Yoon, nihoatra ny teo alohany tao anaty fe-potoam-piasana mitovy. Ao anatin'ny rafitra mpanao lalàna ao Korea Atsimo, raha ny lalàmpanorenana no lalàna faratampony ary tafiditra anaty soatoavin'ny lalàmpanorenana kosa ny lalàna nolanian'ny Antenimierampirenena, dia fitaovan'ny mpanatanteraka natao hanatanterahana ireo lalàna ireo ny lalàna momba ny fitantanan-draharaha toy ny didim-panjakana. Ny didim-panjakana toy izany, izay tsy mahazo mifanohitra amin'ny lalàna ambony, dia manana fahefana amin'ny raharaham-pitantanana rehetra. Ny fampiasan'i Yoon ireo didim-panjakana ireo matetika no ahafahany manendry mpiaramiasa amin'ny toerana ambony, manalavitra ny fepetra fankatoavan'ny antenimiera. Mametra (handrara) ny famoriam-bahoaka sy ny fivoriana eo akaikin'ny biraon'ny filoham-pirenena ny didim-panjakana farany indrindra, nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2023.

Tafiditra anaty fanendrena mampiady hevitra ataon'ny governemanta ny an'i Lee Dong-gwan izay lehiben'ny mpanaramaso ny fampielezam-peom-panjakana, ny Vaomieran'ny Serasera Korea (KCC), sy ny an'i Park Min, amin'ny maha-lehiben'ny fampielezam-peo nasionaly vatsian'ny governemanta ara-bola, ny Korean Broadcasting System (KBS). Samy nivoady avokoa ireo voatendry ireo fa hanafoana ny “fitongilanana ideolojika”. Mifanindran-dalana amin'izany, nanamafy ny lahateniny miady amin'ny “vaovao sandoka” ny fitondrana, fihetsika izay niharihary kokoa manoloana ny fifidianana solombavambahoaka ho avy amin'ny volana Aprily 2024.

Nanameloka ireo fampahalalam-baovao liberaly sasany ny mpitarika ny Antoko Fahefan'ny Vahoaka, izay maha-mpikambana ny Filoha Yoon, tamin'ny filazàna fa manohintohina ny demaokrasia ao amin'ny firenena ny tatitra mitongilana ataon'izy ireo ary mitovy amin'ny famadihan-tanindrazana izay mendrika fanamelohana ho faty. Ao anatin’ny fikatsahany ho mpanelanelana ny fahamarinana, nokatsahan'ny governemanta ny hitantana ny fitantaran’ny besinimaro, indrindra ny mifandraika amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary na nataon’olombelona. Anisan'ireo trangan-javatra misongadina ny fanitsahana mampivarahontsana ny vahoaka tany Itaewon, Seoul, nandritra ny fetin'ny Halloween 2022 , izay nahafatesana olona 159 farafahakeliny sy naharatràna 196, sy ny tsy fahampian'ny valinteny nandritra ny tondra-drano tamin'ny volana Jolay 2023 tany Osong  sy Yecheon, izay nitarika fahafatesan'olona marobe ary ny fahafatesana an-dranomasina. Nanohy hatrany ny fitadiavan’izy ireo izay tompon'andraikitra ny fianakavian’ireo niharam-boina, saingy tsy nisy vokany izany.

Miitatra amin'ny fomba fijery ara-tantara  ny ezaka fitantarana ataon'ny governemanta. Maneho fiovana goavana miala amin'ny fahatsiarovana nentim-paharazana ny fomba fijerin'ny fitantanan'i Yoon. Ny fanambaniana vao haingana an'i Hong Beom-do, maherifo malaza nanohitra ny fanjanahantany izay niady tamin'ny fibodoana Japoney tamin'ny taona 1920, niaraka tamin'ny fanomezam-boninahitra an'i Syngman Rhee, filoha voalohany ao amin'ny firenena fantatra amin'ny politikany henjana manohitra ny komonista, dia manondro fiovana mankany amin'ny fitantarana izay mifanaraka akaiky kokoa amin'ny tombontsoan'i Etazonia sy i Japon. Ity fanoratana indray ny tantaram-pirenena ity dia tsy vitan'ny hoe manilika ny lova navelan'ny fanoherana ny fibodoana Japoney fa koa mamerina amin'ny fomba stratejika ny lasa teo amin'ny firenena mba hanamora kokoa ny fiaraha-miasa ara-jeopolitika ankehitriny.

Nahasarika fanakianana ihany koa ny fitantanan'i Yoon, sy ny Antoko Fahefam-bahoaka noho ny fampiroboroboanana ny fanambaniana vehivavy sy ny kabary fankahalana, izay voalaza fa nampiditra ny kabary toy izany tamin'ny fampielezan-kevitr'izy ireo tamin'ny fifidianana, ny firobohana media sosialy, ary ny fanaovana politika. Nitarika fahaverezan'asan'ny vehivavy sy herisetra ara-batana mihitsy aza ny firongatry ny fihetseham-po manohitra ny feminista vao haingana. Nandritra izany fotoana izany, niteraka adihevitra ny Filoha Yoon tamin'ny tolo-keviny hanafoana ny Minisiteran'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny Fianakaviana sy hampihena ny fiarovana ny asa, indrindra ho an'ny mpiasa mpifindramonina. Fanampin'izany, voalaza fa nifandray tamin'ireo YouTubers farany havanana ny filoha sy ny vadiny, nanome fanasana azy ireo amin'ny fitokanana ny filoham-pirenena, mandefa fanomezana amin'ny fialantsasatra, ary manendry azy ireo ho amin'ny toerana ao amin'ny governemanta mihitsy aza.

 Mandinika ny ohabolana momba ny sahona — sy ny fomba fiteny Koreana mitovitovy amin'izany izay milaza fa mety tsy ho tsikaritra ny oram-batravatra mandra-paha lena — tsy hita ho fandrahonana eo no ho eo ireo fiovàna ara-politika ireo mandeha tsirairay, ary tsy misy tsy ara-dalàna na tsirefesimandidy ankarihary. Na izany aza, miteraka ahiahy amin'ny fitoniana demaokratika ao amin'ny firenena ny fiantraikan'ny fitambaran'ireo. Amin'izao ankatoky ny fifidianana nasionaly izao, fitsapana lehibe amin'ny fanoloran-tenan'ny firenena amin'ny fitsipika demokratika sy ny fahalalahana sivily ny fihenjanan'ny governemanta amin'ny tsy fitovian-kevitra amin'ny vahoaka sy ny fanaraha-maso ny haino aman-jery.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.