Rising Voices sy ny mondialy

(Marihina fa tamin'ny 11 Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

“Soccer is deceptively simple and endlessly complicated. It satisfies the soul and frustrates the intellect. It is at the same time rewarding and maddening–it is without doubt the greatest game mankind has ever invented” – Unknown

Sady tsotra mandiso fanantenana no sarotra tsy misy fiafarany ny baolina fandaka. Mahafa-po ny fanahy izy ary manakorontana ny manampahaizana. Sady manome fahafaham-po izy no maha lasa adala- tsy isalasalana fa izy no mahafinaritra lehibe indrindra noforonin'ny olombelona hatramin'izay”- Tsy mitonona anarana

Milaza ny olona fa ny Amboara Erantany ho an'ny football dia hetsika tena iraisampirenena tokoa. Nanoratra momba izany mba hanehoana ny fitiavan'izy ireo ny bilaogera ao amin'ny tetikasa Rising Voices maro manerana ny kaontinanta .

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy Dago Tiako momba ny fomba hanomezan'ny Amboara Erantany aingam-panahy ny ankizy MalagasyAriniaina avy eto Madagasikara :

Last saturday, while waiting for the ICE Club meeting, in the playground of EPP (Public Primary School) Analakely, I was attracted by children’s shouts of joy. They were 5 guys and 1 girl playing football. Their ball was special. They made it by themselves. They winded a rope  round some used plastic bags and pieces of rag and that’s it. They seemed to have their own rules but repeated from time to time , I guess, words they could hear on radio or TV ‘corner’ and ‘penalty’. They were so cute:

Ny Asabotsy, raha niandry ny fivorian'ny ICE Club tao an-tokotanin'ny EPP Analakely aho dia nahasarika ahy ny hiakam-pifalian'ireo ankizy. Nilalao baolina ireo zazalahy miisa dimy sy ny zazavavy 1. Hafa kely ny baolin'izy ireo. Izy ireo ihany no namboatra izany. Nahodikodin'izy ireo nanodidina ny harona plastika efa avy nampiasaina sy ny poti-boridamba ny tady, izay no nanaovana izany. Toa manana ny fitsipiny manokana izy ireo saingy namerimberina imbetsaka, raha ny fiheverako azy , ireo teny izay henon'izy ireo tamin'ny onjam-peo na tamin'ny fahitalavitra hoe ‘corner’ sy ‘penalty’. Tena nahafatifaty ry zareo:

foko kids playing football

foko handmade ball

Nanoratra ny fomba niatrehan'ny Afrikana ny faharesen'i Ghana nanoloana an'i Orogoay izay namarana ny fanantenana rehetra ho an'ny firenena Afrikana hahazo ny lalao famaranana tamin'ny amboara erantany i Lova Rakotomalala.

Despair city, a whole continent gasping in disbelief.

Tanàndehibe very fanantenana, nisento ny kaontinanta iray manontolo sady tsy nino.

Pablo Flores from Uruguay uploaded some stunning pictures of the world cup football craze in Uruguay as fans gathered to watch the Ghana Uruguay game in big screens:

Nandefa sary mampihetsi-po momba ny lazan'ny amboaran'ny baolina kitra manerantany tao Orogoay i Pablo Flores avy any an-toerana rehefa niangona ny mpankafy hijery ny lalao nifanandrinan'i Ghana sy Orogoay tamin'ny fahitalavitra lehibe:

watching worldcup in big screens [640x480]

Uruguyan fans [640x480]

tensed supporter

Faly i Jonathan Alvarez avy ao amin'ny tetikasa Blogging Since Infancy :

Uruguay among the top four in the world!

Orogoay, anisan'ireo efatra voalohany eto amin'izao tontolo izao!

Naneho hevitra momba ny faharesen'i Brezila teo anatrehan'i Holandy i Hugo Miranda avy any Bolivia :

This is football

Brazil played beautifully the first 12 minutes, with a touch of ball, with turns, to the attack. Robinho was disallowed a goal which was a warning that the goal came at 10 minutes, Robinho made him an excellent filtering before Felipe Melo.

Then started another game, many faults, very nervous, Brazil lets it go, many complaints, though it made some good moves, but not topped.

The second half we saw another Netherlands: Robben, Van Persie, Sneijder, finally and played a large stand, Robben failures, win, rush and Brazil fell in the game ..

Izany ny baolina kitra

Nilalao tsara i Brezila nandritra ny 12 minitra voalohany, tanatin'ny fandonam-baolina, ny famitahana, hatrany amin'ny fanafihana. Tsy nekena ny baolina tafiditr'i Robinho izay fampitandremana fa maty tao anatin'ny 10 minitra ny baolina, nahafitaka an'i Felipe Melo tsara i Robinho.

Avy eo dia nanomboka indray ny lalao hafa, fahadisoana maro, nisavoritaka tanteraka, namotsotra i Brezila, marobe ny fitarainana, na dia nisy aza ny fanafihana tsara, saingy tsy nahomby.

Nahita an'i Holandy indray isika tamin'ny fizaram-potoana faharoa : Robben, Van Persie, Sneijder, farany ary nilalao mafy, ny tsy fahombiazan'i Robben, fandresena, hazakazaka ary tafalatsaka tao amin'ny lalao i Brezila.

Vakio ny fanangonam-baovao manokana avy amin'ny Global Voices raha tianao ho fantatra ny momba ny fiantraikan'ny Amboara Erantany 2010 nanerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.