18 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 18 Jolay 2018

Ekoatora: Manadihady Ny Tatitra Nataon'ny Kaomisiona Misahana Ny Fahamarinana Ireo Blaogera

  18 Jolay 2018

Tamin'ny May 2017, najoro tao Ekoatora araka ny didim-panjakana ny kaomisiona iray misahana ny Fahamarinana mba hanadihady sy hamory ireo vaovao mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona izay naha-tomponandraikitra ny polisy sy ny tafika tao anatin'ireo taona 25 lasa. Ny 7 May lasa teo, taorian'ny 3 taona nijoroany, nanolotra ny tatitra nataony tamin'ny Filoha Rafael Correa ilay Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana. 831 no isan'ireo nofaritany tamin'ireo 456 niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, teo anelanelan'ny 1984 sy 2008. Manadihady an'io tatitra io aminà zoro samihafa ireo blaogera.

Arzantina: Neken'ny Antenimierandoholona Ny Fanambadiana Eo Amin'ireo Mitovy Fananahana

  18 Jolay 2018

Nohamafisin'ny antenimierandoholona arzantina ny lalàna iray izay mandrafitra ny miralenta eo amin'ny satan'ny fanambadiana, tsy misy fanavahana eo amin'ireo mpifankatia samihafa fananahana sy ireo mitovy fananahana ary ankoatra izay koa, ireo fitoviana zo amin'ny fananganana. Amin'ity fepetra ity, i Arzantina no firenena voalohany indrindra ao Amerika Latina nanome alalàna ny fanambadiana eo amin'ireo mpikambana mitovy fananahana.

Ireo noresahan'ny bilaogy Boliviana

  18 Jolay 2018

Mila porofo ve hoe vondrom-piarahamonina tsy mitsaha-mitombo ny tontolon'ny bilaogy Boliviana? Tamin'ny mailaka vao haingana ho an'ny bilaogy Boliviana listserv, nanambara ny fanambadiany atsy ho atsy sy ny andraikitra lehibe horaisin'ny bilaogy amin'ny andro malaza i Sebastian Molina, iray amin'ireo atidoha nikotroka ny andian-bilaogy Mundo Al Revés.

Pakistan: Fanarahamaso bilaogy

  18 Jolay 2018

Satria narahan'ny zanabolana GPS mampiahiahy maso ity lahatsoratra ity, tsy maintsy mampiseho haingana ny fifantenako ny lahatsoratra bilaogy Pakistaney tamin'ity herinandro ity aho.