“Ankehitriny efa mizotra mankany amin'ny fandriampahalemana izahay eto Colombia, ka tena zava-dehibe ao anatin'izany ny feon'ny vehivavy”

Ny Tetikasa Reframed Stories dia mangataka amin'ny olona mba hamaly ireo lohahevitra manjaka amin'ny fitantaram-baovao miresaka ny vondrom-piarahamonina misy azy. Ireny tantara ireny dia eritreritry ny olona izay matetika isoloan'ny hafa tena ao amin'ny media. Noforonina ny zavon-teny amin'ny fampiasana ny sehatra Media Cloud, fitaovana fanadihadiana tahiry izay manadihady ny angona media amin'ny fotoana iray manokana, ahafahan'ny mpandray anjara mandinika sy mifanakalo hevitra ny santatry ny fijery amin'izay anehoana azy ireo ao amin'ny fampitam-baovao. Mitandrina tsara ny tetikasa mba tsy hanao fehinkevitra maimaika momba ny lahatahiry, fa io no fiaingana miteraka sehatra hifanakalozan-kevitra amin'izay azon-dry zareo atao hamolavolana ny fampitam-baovaon-dry zareo manokana amin'ny alàlan'ny media nomerika.

Gunawin Oscar Chaparro dia mpikambana ao amin'ny Vahoaka Arhuaco, izay nanompoany ho sekretera ao Nabusimake, renivohitry ny vondrom-piarahamonina Arhuaco. Mpianatra efa nahazo diplaoma tao amin'ny Universidad del Rosario ihany koa izy ary tanora mpitarika amin'ny resaka politikam-bahoaka. Ny manaraka etoana dia dika an-tsoratry ny famakafakan'i Gunawin Oscar amin'ny zavontenin'ny voambolana “Arhuaco“.

Teny mibahan-toerana avy amin'ny lahatsoratra miisa 116 nivoaka tanelanelan'ny Janoary 2017 sy Aprily 2018 hita nanonona ny “Arhuaco” (fokonolona tompotany ao Colombia) tao anatin'ny angona Media Cloud miisa dimy avy ao amin'ny sehatra famoaham-baovao miteny espaniola Kolombiana. (jereo lehibe kokoa ny sary)

En relación a esta nube de palabras, quiero decir que la información que recogen los distintos medios sobre distintos pueblos indígenas es muy superficial.

Para hacer una investigación de los indígenas, hay que hacerlo no solo desde el punto visual o lo físico, sino ir más a fondo de qué representa cada uno de sus elementos, qué función cumple y qué significado tiene.

Mifandray amin'ity zavonteny ity, tiako ny milaza fa toa mirona mankany amin'ny ivelambelany loatra ireo torohay nangonin'ny seha-mpamoaham-baovao isakanarazany momba ny vondrom-piarahamonina tompotany isan-karazany.

Ny famotopotorana momba ny vahoaka tompotany mila mandeha mihoatra ny endrika hita sy bika, ary hahatratra ambaratonga lalina kokoa miresaka ny fampiasana sy ny dikan'ny singa tsirairay.

Una cosa que yo quisiera se resaltara es sobre la participación política, son temas que han sido bastante luchados porque aún no ha sido posible ganarlos, pero ahí estamos todavía.

(Otro tema que me gustaría que se resaltara) es la participación de mujeres indígenas. Ahorita que en Colombia estamos en proceso de paz, las voces de las mujeres en ese espacio es muy importante.

Singa iray tiako misongadina ny fandraisana anjara ara-politika. Niady ho ao amin'io lohahevitra io izahay satria tsy afa-nahatontosa izany aloha, saingy mbola miroso ho amin'izany izahay.

Lohahevitra hafa (tiako ho hita misongadina) ny fandraisana anjaran'ny vehivavy tompotany. Koa ankehitriny rehefa miroso mankany amin'ny fandriampahalemana isika eto Colombia, ka tena zava-dehibe ho amin'izany ny feon'ny vehivavy.

También quiero decir que para el caso mío, las mujeres representan el apoyo moral para realizar nuestras actividades, y así mismo muchos temas que me gustaría que se resaltaran en esta nube.

Los temas a resaltar son: derecho al territorio, derecho a la realización de trabajos espirituales, reconocimiento a la autonomía, justicia propia, que ha sido un tema duro que aún está en proceso de que sea reconocido por el estado, porque los indígenas sí hacen su justicia propia.

También me gustaría que los indígenas fueran reconocidos como autoridad ambiental, (y que se reconozca su) derecho a la ampliación del resguardo.

Otro tema que es bastante importante es el territorio y los proyectos extractivistas. En este momento los pueblos arhuacos estamos en ese proceso y creo que así están todos los demás pueblos.

Raha ny momba ahy ihany koa dia itazanana ny fanohanana ara-pihetseham-po amin'ny asa ataonay ny vehivavy, ary tiako ny mahita azy ireo sy ny lohahevitra hafa hisongadina ao amin'ireo zavonteny ireo.

Ireto avy ny sasany amin'ireo lohahevitra hafa tiako hisongadina: zo hanan-tany, zo hanao asa ara-panahy, fizakan-tena, rariny (fitsarana) tompotany, izay lohahevitra mbola tsy nankatoavin'ny Fanjakana aloha hatramin'izao.

Tiako ihany koa ny vahoaka tompotany ho manampahefana ara-tontolo iainana, ary ho ankatoavina ny zon-dry zareo hanitatra ny zaratany izay itoeran'ny tahirin-javamananaina tompotany.

Lohahevitra hafa tena zava-dehibe ny zaratany sy ny tetikasam-pitrandrahana izay atrehin'ny vahoaka arhuacos sy ireo vondrom-piarahamonina hafa.

Voambolana tahaka ny ahoana no tokony ho hita miaraka amin'ny zavonteny Vahoaka Arhuaco?

  • Participación política
  • Participación de mujeres indígenas
  • Derecho al territorio
  • Derecho a la realización de trabajos espirituales
  • Reconocimiento a la autonomía
  • Justicia propia
  • Autoridad ambiental
  • Derecho a la ampliación del resguardo
  • Declaración al territorio libre de proyectos extractivistas
  • Fandraisana anjara ara-politika
  • Fandraisana anjaran'ny vehivavy tompotany
  • Zo hanana zaratany
  • Zo hanao asa ara-panahy
  • Fankatoavana fizakantena
  • Rariny ho an'ny tena
  • Fahefana ara-tontolo iainana
  • Zo hanitatra tany
  • Fanambaràna ny zaratany ho tsy mila tetikasam-pitrandrahana harena ankibon'ny tany

Ao anatin'ny andiany Rising Frames izay niarahana narafitra tamin'i Mónica Bonilla, izay nanomana sy nanamora ny atrikasa notontosaina tamin'ny 18 mey 2018 tao amin'ny Center of Internet and Society tao amin'ny Del Rosario University -ISUR- tao Bogotá, Colombia ary namory solontena avy amin'ny fikambanana sy vondrona samihafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina tompotany Arhuaco sy Wayuu handray anjara amin'ny asam-pahaiza-mitantara nomerika ity.

Nanatrika tamin'ny fandikana an-tsoratra sy ny fandikan-teny, izay nahitsy hazava kokoa sy ho fohy kokoa i Mónica Bonilla sy i Belén Febres-Cordero.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.