
Sarin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ao Antananarivo, Madagasikara; Pikantsary nalaina taamin'ny fantsom-pahitalavitra YouTube Tv5monde
Mampivarahontsana ny firongatry ny tranga fanolanana ankizy tsy ampy taona eto Madagasikara tao anatin'ny taona vitsy izay. Nandray fepetra hentitra araka izany ny governemanta malagasy mba hanamafy ny sazy ka nampiditra volavolan-dalàna famosirana ireo mpanolana ankizy. Saingy mahomby amin'ny fanafoanana ny fanolanana eto amin'ny nosy lehibe Madagasikara ve io lalàna mampiadihevitra be io?
Hatramin’ny taona 2014 tany ho any no nahitana fitomboana mampanahy ny tranga fanolanana ankizy. Araka ny antontanisa sy ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Fitsarana Malagasy, Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, dia 600 ny tranga fanolanana zaza tsy ampy taona voarakitra tamin’ny taona 2023, ary 144 ny tranga voarakitra hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024.
Fitarainana manodidina ny efatra isan’andro no mipetraka eny anivon’ny fitsarana. Mba hamongorana ity trangan-javatra ara-tsosialy antsoina matetika hoe “kolontsain'ny fanolanana” ity, dia nanolotra lalàna vaovao ny governemanta ho fanenjanana ny sazy ho an'ireo mpanolana tamin'ny 24 janoary 2024 ka nampidirana sazy famosirana simika na amin'ny fandidiana, arakaraka ny taonan'ilay niharam-boina.
Nolanian'ny Antenimieram-pirenena roa tonta, ny Antenimieram-pirenena sy ny Loholona tamin'ny 2 febroary 2024 ny volavolan-dalàna. Taorian’ny fandinihana ny lalàmpanorenana ny 23 febroary 2024, nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny lalàna ary miandry ny famoahana ofisialy amin’ny alalan’ny didim-panjakana avy amin’ny filoha Andry Rajoelina.
Gaelle Borgia, mpanao gazety ao amin'ny Tv5monde ao Madagasikara, manome fanazavana bebe kokoa momba ny lalàna vaovao amin'ity horonantsary ity:
Vakio: Manome sehatra tantara mampientam-po ny #MeToo (Za koa) Malagasy nosoratan'i Hary Rabary
Fanehoan-kevitra manohitra ny volavolan-dalàna
Niteraka onjam-panakianana avy amin’ireo fikambanana iraisampirenena mpiaro ny zon’olombelona ao amin’ny firenena ny lalàna vaovao, sy avy amin’ny olom-pirenena malagasy. Miantso ny tompon’andraiki-panjakana malagasy ny Amnesty International, fikambanana tsy miankina iraisampirenena eto amin’ny Nosy mba hijery indray ny lalàna. Nciko wa Nciko, mpanolotsaina malagasy ao amin'ny fikambanana notononin'ny fampitam-baovao frantsay Le Figaro milaza fa:
La nouvelle loi est un traitement inhumain et dégradant incompatible avec les lois constitutionnelles du pays. La loi devrait plutôt se concentrer sur la protection des victimes. La castration cause un préjudice grave et irréversible. Et on peut avoir des cas où un individu est reconnu coupable et la justice revient sur le verdict et l’innocente.
Tsy manaja ny maha-olombelona sy manimba ilay lalàna vaovao ary tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ao amin'ny firenena. Tokony hifantoka kokoa amin’ny fiarovana ireo niharam-boina ny lalàna. Miteraka fahavoazana lehibe sy tsy azo sitranina intsony ny famosirana. Ary mety misy ny tranga hoe olona nomelohina avy eo mivoaka ny didim-pitsarana fa tsy manan-tsiny.
Fanehoan-kevitra mikasika ity vaovao ity ihany, Tigere Chagutah, manazava ny talem-paritry ny Amnesty International Afrika Atsinanana sy Atsimo :
Procéder à la castration chimique ou chirurgicale […] constitue un traitement cruel, inhumain et dégradant, à titre de châtiment contre les personnes reconnues coupables de viols sur mineurs n’est pas compatible avec les dispositions constitutionnelles malgaches contre la torture et les mauvais traitements, pas plus qu’avec les normes régionales et internationales relatives aux droits humains.
Ny famosirana simika na amin'ny fandidiana […] dia fomba feno habibiana, tsy manaja ny maha-olombelona ary mampietry, izay sazy ho an'ireo olona meloka amin'ny fanolanana zaza tsy ampy taona, satria tsy mifanaraka amin'ny fepetra voalazan'ny lalàmpanorenana malagasy momba ny fampijaliana sy ny fampahoriana, mbamin'ny fenitra isam-paritra sy iraisampirenena momba ny zon'olombelona.
Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tamin'ny 26 febroary 2024, nanambara ihany koa Isabelle Delattre, masoivoho sady lehiben’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara fa:
Le gouvernement malgache ne respecte ni ses engagements internationaux, ni sa propre Constitution. L'article 8 de la loi suprême transpose l'adhésion du pays à la Convention des Nations unies contre la torture et autres peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants, ratifiée en 2005. Je ne crois pas que la castration chimique ou la castration tout court soit une solution dissuasive pour les violeurs
Sady tsy manaja ny fepetra iraisampirenena no tsy manaja ny Lalàmpanorenany ny fanjakana malagasy. Ny andininy faha-8 amin'ny lalàna faratampony no mitondra ny fidiran'ny firenena ao amin'ny Dinan'ny Firenena Mikambana miady amin'ny fampijaliana sy ny fanasaziana hafa feno habibiana, tsy manaja ny maha-olona na mampietry, nankatoavina tamin'ny taona 2005. Tsy mino aho fa vahaolana ho fanakanana ny mpanolana ny famosirana simika na ny famotsirana tsotra izao.
Tao amin'ny Facebook, Rakry Mescheris, mpiserasera aterineto malagasy miresaka momba ny tsy maha marim-pototra ny sazy momba ny famosirana:
Tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra navoakan'i Rakry Mescheris, Freddy Rakoto, mpampiasa Facebook hafa manontany hoe :
Misy ihany koa anefa ireo manohana ity lalàna mampiadihevitra ity
Na dia eo aza ny fanakianana maro, mankasitraka ny lalàna vaovao ny olom-pirenena malagasy hafa. Tamin'ny lahatsoratry ny BBC News Afrique, maneho ny fanekeny ny fampiharana ny lalàna Rindra Rasolohery, mpisera Facebook:
Iza no atao laharam-pahamehana: ny zon’ny jiolahy sa ny an’ny ankizy niharan’ny herisetra? Manimba ny fiainan’ny ankizy madinika izy ireo kanefa mbola arovana ihany. Mankasitraka tanteraka ny fampiharana io lalàna io aho. Enga anie ny meloka hizaka tsy misy indrafo ny vokatry ny nataony!
Tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra navoakan'ny Figaro tao amin'ny Facebook momba ny lalànan'ny famosirana, mankasitraka ny fanapahan-kevitra ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra. Anisan'izany i Lydie Guillerot izay nanoratra hoe:
Bravo pour cette loi ! Elle devrait être internationale !
Tehaka noho ny amin'ity lalàna ity! Tokony ho iraisampirenena izany!
Solari Josyane, mpanolotsaina monisipaly taloha tao Aix-en-Provence, manoratra ao amin'ny X (Twitter taloha) fa tiany ilay fanapahan-kevitra:
Me plaît bien, le Président Malgache : castration des violeurs d’enfant !
Tena tiako, ny Filoha malagasy: famosirana ireo mpanolana ankizy!
Tranga fanolanana maromaro no nanehoana hevitra tao amin'ny aterineto, ary navoaka anjotra ny sasany ka lasa niparitaka be. Kenny Andréa, mpisera Facebook, mizara vaovao momba ny fanolanana zazavavy 12 taona sembana ary namoy ny ainy avy eo:
🥺Une fillette de 12 ans a été violée ce dimanche à Ambalapaka, commune Beandrarezona, district de Bealanana. 🥹En plus d'avoir été agressé sexuellement, cet enfant atteint d'un handicap physique a également été tué 😢 entraînant une la dégradation de sa santé. 😭 De ce fait, elle est décédé. Le jeune homme qui a commis le crime est recherché.
(Radio Mangarahara)
Tovovavy 12 taona no voaolana ny alahady teo tao Ambalapaka, kaominina Beandrarezona, distrikan’i Bealanana. Ankoatra ny fanolanana azy, novonoina ihany koa ity zaza sembana ara-batana ity, ka niharatsy ny fahasalamany. Vokany, maty izy. Karohina ilay tovolahy nahavanon-doza.
(Radio Mangarahara)
Hevitra Mahasoa, pejim-baovao ao amin'ny Facebook mampita vaovao momba ny fanolanana nitranga tao Sabotsy Namehana, kaominina ambanivohitra Antananarivo:
‼😬Un homme de 24 ans a été envoyé au prison de Tsiafay à cause d'un viol sur une jeune fille de 14 ans #Sabotsy_Namehana. Selon l'enquête, ce garçon possède un Cyber Café dans le quartier et la jeune fille est une de ses clientes. Il tombait amoureux de la jeune fille depuis longtemps, mais lorsqu'elle ne l'accepta pas, il céda à son désir. L'affaire a été présentée au procureur de la République mardi et il est désormais en prison.
Lehilahy iray 24 taona no nalefa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy noho ny fanolanana tovovavy 14 taona # Sabotsy_Namehana. Araka ny fanadihadiana natao dia mitàna Internet Café eny amin’ny manodidina ity tovolahy ity ary anisan’ny mpanjifany ity tovovavy ity. Efa ela no raiki-pitia tamin’ilay tovovavy izy, saingy rehefa tsy nanaiky ilay tovovavy dia nampiharany ny habibiany. Natolotra ny fampanoavana ny talata teo ny raharaha ary efa any am-ponja ilay lehilahy izao.
Mahasoa sy mahaliana, pejy Facebook mizara vaovao eto Madagasikara, nizara vaovao momba ny fanolanana zazavavy enin-taona:
Affaire de viol.
⚠️‼️Une fillette de 6 ans de Tanambao 5, Toamasina a été violée par un homme de 35 ans qui serait son voisin.
De plus amples informations sont attendues à cet égard.
©️ Mickaelys Kamy N
Raharaha fanolanana.
Tovovavy 6 taona avy ao Tanambao 5, Toamasina, no naolan’ny lehilahy iray tokony ho 35 taona izay mpiray tanàna taminy.
Andrasana ny fanampim-baovao momba izany.
©️ Mickaelys Kamy N
Ampiharina any amin’ny firenena tandrefana sasany ny famosirana simika ho an’ny heloka bevava amin’ny firaisana ara-nofo, saingy miteraka resabe any amin’ireo firenena mbola mampihatra azy io ny fampiharana azy. Efa nisy koa ny lalàna manome alalana ny famosirana fandidiana tamin'ny taona 2020 any amin'ny fanjakan'i Kaduna any Nizeria ao amin'ny kaontinanta Afrikanina.
Eto Madagasikara, tsy toriana ny ankamaroan'ny tranga fanolanana satria tsy matoky ny rafi-pitsarana ny fianakavian'ireo niharam-boina ary matahotra valifaty sy fanilikilihana. Matetika voavaha amin’ny alalan’ny fanomezana zavatra ho an’ireo niharam-boina ny raharaha. Araka ny lalàna amin'izao fotoana izao, voasazy higadra an-tranomaizina hatramin'ny sazy mandra-pahafaty ireo mpanolana zaza tsy ampy taona latsaky ny 15 taona, saingy mahalana ny fampiharana io sazy io.