18 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 18 Avrily 2018

Kazakhstan: Mihatanora sy Mihamanjombona Ireo Avara-pianarana

Tsy dia vokatry ny adihevitra ara-pôlitika misokatra loatra ny famadibadihana ireo avara-pianarana sy ireo manampahefana ambony ao Kazakhstan. Manome tany lonaka ahafahan'ireo mpitsikera sy mpandinika mandalina ny antony ambadiky ny famadihana izato na izatsy ireo fialàna sy fametrahan'olona tsimoramora. Kanefa, misy hevitra iraisana: mihatanora hatrany ireo avara-pianarana.

18 Avrily 2018

Filipina: Nanao Fitokonana Ireo Mpamily Jeepney

Hieritreritra ny governemanta fa tsy miraharaha ny fiakaran'ny vidin-tsolika isika raha tsy nisy ny fitokonana. Amin'ny alàlan'ny fitokonan'ny mpamily jeepney no nahafahantsika nandefa ilay hafatra fa manohitra isika ary manameloka...

18 Avrily 2018

Tondradrano Tao Mumbai

Niaina orana mikija (156mm tanatin'ny 24 ora) i Dhaka tamin'ny voalohan'ity volana ity. Nandrakotra ny ampahefan'ilay tanàna ny ora-nikija ka nampitsahatra ny fiainan'ny olompirenena 10 tapitrisa. Saingy tsy misy manakaiky ilay niainan'i Mumbai tanatin'izay roa andro izay, miaraka amin'ny orana tsy tapaka voarakitra ho 896mm tanatin'ny 24 ora.

18 Avrily 2018

Malezia: Taratasy Fitarainana Hanoherana Ny Filohan'ny Vaomiera Misahana Ny Fifidianana

Toherin'ny vondron'ny mpanohitra ny fanitarana ny taona fandehanana misotro ronono ho an'ny Filoha amperinasan'ny Vaomiera Misahana ny fifidianana satria tsapan-dry zareo ny fiangarany. Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, niezaka ny manampahefana maleziana nanakana ny fanaterana ilay taratasy fitarainana manohitra ny fanalavàn-taona avy amin'ny mpikatroka mafana fo mpanohitra ho ao amin'ny parlemanta. Mizara lahatsary vitsivitsy sy miady hevitra momba ilay taratasy fitarainana ary ireo fepetra noraisin'ny manampahefana hanoherana ireo mpikatroka mafana fo ny mpitoraka bilaogy sy ny mpisera amin'ny YouTube Maleziana.

18 Avrily 2018

Japana: Famarotam-baovao Nataon'ny Mpiasa tao amin'ny Mpampiely Vaovaom-panjakana NHK (Tapany Faharoa)

Efa nihena ny resabe tamin'ny herinandro momba ilay famarotam-baovao tao amin'ny mpampiely vaovam-panjakana NHK tao Japana, niaraka tamin'ny fanoloan'i Fukuchi Shigeo, mpanolotsaina taloha ny Fivarotan-dabiera Asahi, an'i Hashimoto Genichi, ilay filohan'ny NHK tototry ny olana, izay nametra-pialàna andro vitsy talohan'ny faran'ny fepotoana fiasany.

18 Avrily 2018