Miainga ny Karazam-Pikatrohana Hiarovana ny Tontolo Iainana any Kiobà

Ny Ivontoerana ho an'ny Fanabeazana sy ny Fampandrosoana maharitra (CEPRODESO) dia fiaraha-miasa misahana ny tontolo iainana miaraka amin'ny firotsahana amin'ny fitarihana ara-politika (Sary: Ramón Crespo. Nahazoana alàlana)

* Tao amin'ny (Periodismo de Barrio) ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany. Kitiho eto raha hamaky ny dikan-dahatsoratra voalohany ary eto ho an'ny lahatsoratra hafa avy amin'i Ramón Crespo Hernández .

Nanomboka ny asany tany am-piandohan'ny taona 2000 teo anivon'ireo vondrom-piarahamonina any amin'ny faritra voaaro manodidina an'i Vueltabajo, faritra mamokatra paraky any amin'ny faritany Kiobàna ao Pinar del Rio ny Ivotoerana ho an'ny Fanabeazana sy ny Fampandrosoana maharitra (CEPRODESO). Tamin'izany fotoana izany, nangatahana mba hampitsahatra ny fitrandrahana ala sy ny fihazana ireo mponina, ​​saingy tsy nomena fomba hafa  mifanaraka amin'ny fomba amam-panaony hanoloana izany izy ireo . Nanazava i Juan Francisco Santos Estévez, mpandrindra ny fikambanana hoe:

Ces personnes ont accumulé toute une vie de connaissances par la coexistence avec la nature, et notre travail consistait à (re) construire une mémoire collective plus large. Notre objectif était de démanteler les comportements nuisibles, alors nous avons commencé par leur demander quels changements ils voulaient réellement et à construire un plan pour leur avenir.

Nanovo fahalalana nandritra ny androm-piainany tamin'ny alalan'ny fiaraha-miaina niaraka tamin'ny natiora ireo olona ireo, ary ny hananganana (indray) ny fahatsiarovana iraisana midadasika kokoa no asanay. Ny hamongorana ny fitondran-tena mampidi-doza no tanjonay, ka nanomboka nanontany izay fanovana tena tadiavin'izy ireo izahay noho izany ary nanangana drafitra ho an'ny hoavin'izy ireo.

Ary nampiany hoe:

Nous définissons l'éducation environnementale comme un processus qui permet aux personnes d'élever leur niveau de compétence afin d'établir des formes d'interaction durable avec la nature.

Mamaritra ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho dingana ahafahan'ny olona mampitombo ny fahaiza-manaony izahay mba hametrahana ny endrika fifandraisana maharitra miaraka amin'ny natiora.

Toy ny fifandraisana eo amin'ny mitovy lenta no fahitan'ny fikambanana ny natiora ary nanamafy izy ireo fa tonga ny fotoana tsara indrindra hananganana fiarahamonina tia sy manaja ny endri-piainana rehetra ary maneho fifanajana ihany koa.

Ny “Ekolojia politika”, hoy i Santos, dia “fiheverana ny natiora [ho manana] zo tahaka ny olombelona, ​​tsirinkevitra sarotra satria manohitra ny fomba fijery anthropocentrique [fr] (fiheverana ny olombelona ho ambony indrindra amin'ny zava-drehetra) izay efa mahazatra antsika.”

Nilaza i Santos fa  mihevitra ny tontolo iainana ho loharanon-karena eo am-pelatànan'ny olombelona ny kolontsaina tandrefana. Vokatr'izany, matetika miresaka momba ny harena voajanahary sady mampiasa ny voambolana ara-toekarena ny olona, kanefa raha ny marina dia milaza ireo zavamananaina sy ny tontolo iainana izy ireo, fa tsy miresaka zavatra fanjifa tsy akory.

Mba hanovana izany toe-tsaina izany,  nanorina ny filozofiam-pampianarana miorina amin'ny fomba fihevitry ny mpampianatra Breziliana Paulo Freire [fr] ny CEPRODESO.

Miaraka amin'ny hetsika fampivoarana bebe kokoa noho ny tany am-piandohany, manolotra atrikasa ho an'ny ankizy, manampy ireo delegen'ny vaomieram-bahoaka ary mampiroborobo ny fikarohana akademika sy ny fandaharanasa fampitaovana hafa ihany koa ny CEPRODESO, izany rehetra izany dia ao anatin'ny fitrandrahana ny fanetsehana andraikitra ara-tsosialy.

Naorina tamin'ny taona 1999, mbola manana manam-pahaizana miisa enina hatramin'izao ny CEPRODESO izay mizara ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny fitantanana ny fandraisana anjara ara-tontolo iainana sy ny ekolojia politika. Nandray anjara tamin'ny hetsika sy fikambanana am-polony tao Kiobà sy manerana an'i Amerika tao anatin'ny 18 taona farany ity vondrona miankina amin'ny Ivotoerana ho an'ny Tontolo Iainana ity .

Ny TECMA (Teatira Ara-tontolo Iainana an-dalambe) sy ny CREA (Ahoana no ahafahako manorina fanabeazana ara-tontolo iainana) no “fikambanana zokiny” fanta-daza izay voaofana tamin'ny fomba fanabeazana ny vahoaka momba ny tontolo iainana ary miasa ao anivon'ny tambajotra lehibe indrindra dia ny Foibe Tambajotra nasionalin'ny mpampianatra Martin Luther King, Jr. any Etazonia.

Nanazava i Santos hoe:

Ce que nous faisons exige un effort multiple de la part des organisations, des entités et de la société civile.

Mitaky ezaka maro avy amin'ny fikambanana, orinasa ary ny fiarahamonim-pirenena ny asantsika.

Ankoatra ny hetsika ataon'izy ireo, manomana ny Fihaonambe isan'enimbolana fizaran-daharaha Amerikana Latina fampianarana ny vahoaka ara-tontolo iainana sy hiadian-kevitra momba ny olana mifandraika amin'ny tombontsoan'ny Kiobana, ny CEPRODESO.

Nahitana olona an-jatony mahery avy any Karaiba sy Amerika Latina ny fihaonambe fahafito. Nitafatafa tamin'ireo Kiobana namany ireo solontenan'ny fikambanana toy ny Hetsika ho an'ny mpiasa any am-banivohitra tsy manan-tany, ny Diabe Manerantanin'ny Vehivavy, ny tambajotra Saddlebag ary ireo Sakaizan'ny Tany Iraisam-pirenena.

Na dia teo aza ny tsy fahitana firy ny fampitam-baovao noho ny nanaovana izany tany Pinar del Rio, any andrefana, lavitra ny renivohitra La Havane dia noresahana ny momba ny olana ara-tontolo iainana maika indrindra ao amin'ny faritra toy ny fanaovana ho entam-barotra ny natiora, ny fitomboan'ny sira amin'ny tany, ny fahaverezan'ny karazan-javamananaina, ny politikam-panjakana momba ny tontolo iainana ary ny fanoherana ny fitrandrahana ny natiora ara-mineraly sy ny loharanon-karena hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.