Asehon'ny Zo Hahazo Vaovao ao Sri Lanka ny Lalam-Panakanana Tranonkala
Lahatsoratr'i Raisa Wickrematunge nivoaka voalohany tao amin'ny Groundwiews, tranonkala iray an'ny olom-pirenena mpampita vaovao nahazo mari-pankasitrahana tao Sri Lanka ity. Ny endrika nasiam-panovana etsy ambany dia anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoatiny iarahana amin'ny Global Voices.
Nanomboka niely tamin'ny 8 novambra fa nosakanan'ny mpanome tolotra aterineto rehetra (FAI=ISP) ao Sri Lanka ilay LankaeNews tranonkala fampahalalam-baovao iray tsy miankina. Mifanaraka amin'izany, nisy tranonkala antserasera vitsy nanao fangatahana fampahalalam-baovao (RTI) avy amin'ny Lalànan'ny Zo Hahazo Vaovao ao Sri Lanka mba hahazo andinindininy bebe kokoa ary nipongatra avy ao ny antsipirihany manohina momba ny fizotran'ny fanakanana tranonkalam-baovao.
Nandritra ny taona maro, niteraka adihevitra ny LankaNews. Tamin'ny taona 2016,nisy mpisolovava iray nanoratra fiampangana miisa 14 teo anivon'ny fitsarana hamelezana ny mpamoaka lahatsoratra. Mampitamberina ny taona 2010 nanakatona io tranokala io talohan'ny famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena izao fanakatonana izao, ary mbola nakatona ihany koa tamin'ny taona 2011,miaraka amin'ireo hafa toy ny Groundviews sy ny Transparency International. Tamin'izany fotoana izany nandà fanakatonana ireo tranonkala ireo ny Vaomiera Mpandamina ny Fifandraisan-davitra (TRC) ao Sri Lanka.
Fangatahana fanazavana amin'ny fomba ofisialy nataon'ireo tranonkalam-baovao tsy miankina ao Sri Lanka
Rehefa fantatra amin'ny fanakatonana tranonkala nanakiana ny politikany ny governemantan'i Mahinda Rajapaksa, filoham-pirenena teo aloha, dia lasa miteraka ahiahy izany satria efa manana governemanta vaovao i Sri Lanka nanomboka tamin'ny taona 2015. Ny Groundviews sy ireo tranonkala namany Vikalpa sy Maatram dia nametraka fangatahana araka ny lalàna RTI mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa mikasika ny dingana Fanakatonana.
Nanao ireto fangatahana ireto tamin'ny komitin'ny fifandraisan-davitra (TRC) ao Sri Lnka tamin'ny 10 Novambra ny Groundviews :
- Fitarainana fanenjehana ireo tranokalam-baovao voarain'ny vaomieran'ny fifandraisandavitra nanomboka taona 2015 ka hatramin'izao, ary nangataka ny mombamomba ireo mana-pahefana izay nanao fangatahana.
- Ny tranonkala rehetra nosakanan'ireo mpanome tolotra aterineto (ISP) ao Sri Lanka vokatry ny fitarainana nanomboka tamin'ny taona 2015, sy ny antony nanakatonana azy.
- Ny fitarainana rehetra mikasika ny tranokalam-baovao Lankaenews nandritra ny taona 2017 sy ny mombamomba ireo manam-pahefana eo amin'ny fitondrana nanao ny fitarainana.
- Ny baiko rehetra nanakatonana ny Lankaenews tamin'ny Novambra 2017, sy ny mombamomba ireo manam-pahefana nanome baiko sy ny antony nanomezany izany baiko izany.
- Ny fandraketana mahatafiditra ny vaomieran'ny fifandraisandavitra tamin'ny fanakanana ny Lankaenews.
Nanao fangatahana toy izany ny Maatram, tranonkala iray mitovy amin'i Groundviews fa amin'ny teny tamola, tamin'ny 13 Novambra, telo andro taty aoriana, ary niatrika olana maromaro. Nangataka tamin'ny Maatram ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra mba hametraka ny fangatahan'izy ireo amin'ny teny anglisy na teny sinhaliana ary miaiky fa haka olona ivelany amin'ny fandikana ilay fangatahana; noho ny tsy fananan'izy ireo fitaovana hanatanterahana izany. Nilaza ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra fa io no fangatahana RTI voalohany voarain'izy ireo tamin'ny teny tamola, izay iray amin'ireo teny ofisialy ao Sri Lanka ankilan'ny teny sinhaley.
Nangataka fampiharana zo RTI tamin'ny vaomieran'ny fifandraisandavitra ihany koa ny Vakalpa, tranonkala namana iray mamoaka ny votoatiny amin'ny teny sinhaley. Nolavina noho ny fiarovam-pirenena ny fangatahan'ny Vikalpa sy ny Maatram na izany aza. Somary hafahafa ihany izany noho ny fiarovan'i Hemantha Warnakulasuriya, mpanolotsainan'ny filoha, ny fanakanana tao amin'ny fahitalavi-pirenena.amin'ny maha mpikambana azy ao amin'ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra, araka ny navoakan'ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazety an-tserasera The Island.
Namoaka ny lisitr'ireo tranonkala sy lahatsoratra nosakanana ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra
Namaly ny Groundviews ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra tamin'ny 28 Novambra, nanamarika fa “tsy eo am-pelatananan'izy ireo na voafehin-dry zareo” ny fangatahana voalohany. Ny fangatahana fahatelo sy fahaefatra ary ny fahadimy dia nolavina ihany koa mba hitandroana ny fiarovam-pirenena.
Na dia izany ary dia navoakan'izy ireo ny lisitry ny tranokala nosakanan'ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra (fangatahana faharoa). Nangataka ny antsipirihany amin'ireo tranonkala nosakanana tao amin'ny mpanome tolotra aterineto ihany koa ny Maatram fa tsy nahazo izany ry zareo.
Nanambara ny vaovao navoakan'ny vaomieran'ny fifandraisandavitra fa tranonkala 13 no nosakanana hatramin'ny taona 2015. Tao anatin'izany ny vaovao ara-politika sy ny sary vetaveta.

Lisitry ny tranonkala nakatona araka ny Vaomiera misahana ny fifandraisan-davitra ao Sri Lanka. Sary avy amin'ny Groundviews.
Ny antontan-taratasy fanohanana dia nampiseho ny dingana ao ambadiky ny fanakatonana ny tranonkala tsirairay voalaza ao amin'ny taratasy.
Na ny minisitry ny haino aman-jery aza no nanome baiko farany ny vaomieran'ny fifandraisan-davitra dia avy any amin'ny sekretariam-panjakana ny baiko voalohany farafahakeliny ho an'ny efatra amin'ireo tranonkala.
Nanamarika ity taratasy nosoniavin'ny sekreteram-panjakana PB Abeykoon ity fa nanintona ny fifantohan'ny filoha ireo tranonkala voatanisa ireo. Asehon'ny URL sasany mazava fa mifandrohy amin'ny lahatsoratra manokana izy ireny fa tsy amin'ny tranonkala iray manontolo.
Taorian'izany dingana izany, nanoratra taratasy izay nosoniavin'i Nimal Bopage Sekreteran'ny Minisitera ho an'ny Vaomiera Mpandamina ny Fifandraisan-davitra ny Minisiteran'ny Fanavaozana ny Parlemantera sy ny Haino Aman-Jery.
Ny Vaomiera Mpandamina ny Fifandraisan-davitra ho setrin'izany nandefa taratasy tany amin'ireo mpanome tolotra aterineto rehetra.
Namoaka ireto antony ireto ny Vaomiera Mpandamina ny Fifandraisan-davitra tamin'ny nanakanana ny tranonkala efatra: “namoaka vaovao tsy marina sy nanimba ny lazan'ny filoham-pirenena” ny vigasapuwath.blogspot.com, ny ukussa.org, ny lankanewsweb.today, ary ny lankacnews. Ny roa hafa lankanewsweb.today sy ny sinhala.lnwtoday ihany koa dia nakatona noho ny “famoahana vaovao diso”
Ilay tranokala newjaffna.net indray dia nosakanana fa nanao fanakianana fanalam-baraka mpitsara tao Jaffina. Ny roa amin'ireo tranonkala nisy nanamarika namoaka votoaty mamoha fady, ary nosakanana taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Sampana Misahana ny Heloka An-Tserasera.
Tsy manana lalàna mifehy ny fidirana aterineto i Sri Lanka
Tsy manana lalana feno mamehy ny fidirana aterineto, ary tsy nanao azy ho fitaovana ahafahana maneho hevitra malalaka (na dia misy lalàna maro aza momba ny heloka ara-informatika, ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra ao Sri Lanka, ny Lalàna momba ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana ary ny Lalàna mifehy ny elektronika izay miresaka olana isan-karazany amin'ny fampiasana ny aterineto.)
Efa nisy ny andrana maro hanaraha-maso na hanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera ao Sri Lanka – avy amin'ny departemantan'ny fampahalalam-baovao manery ny tranonkalam-baovao mba hisoratra anarana tamin'ny taona 2011, sy vao haingana indray tamin'ny taona 2016 – ary nanaiky ny minisiteran'ny Fampitam-baovao sy ny Fampahafantarana fa nanakatona tranonkala enina izy ireo noho ny antony “karazam-pamonoana” sy “fanitsakitsahana ny fiainana manokana”.
Mampisalasala ihany koa ny maha ara-dalana ny fanakanan'ny Vaomiera Mpandamina ny Fifandraisan-davitra tranonkala raha jerena araka ny andininy faha 53 ao amin'ny lalàna mifehy ny fifandraisandavitra ao Sri Lanka, taona 1991. Nisioka i Gehan Gunatilleke, Mpianatra mpila ravinahitra sady mpisolovava:
My reading of the Telecommunications Act is that the TRC has no power to block a transmission without invoking judicial proceedings or obtaining an order from the Minister. But I’m skeptical of the value of an RTI request. A writ is better.
— Gehan Gunatilleke (@GehanDG) December 7, 2017
Araka ny famakiko ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra dia tsy manana fahefana hanakana ny fampitana raha tsy manana didy avy any amin'ny fitsarana na mahazo baiko avy amin'ny minisitra ny Vaomiera Misahana ny Fifandraisandavitra. Fa manahy aho amin'ny lanjan'ny fangatahana (zo) fampahalalaham-baovao iray. Tsaratsara kokoa raha didy (no atao).
Mazava ny lalan'ny taratasy ary mitondra mankany amin'ny ambaratonga avo indrindra amin'ny governemanta. Mahatsapa ireo mpikatroka ao Sri Lanka tokony melohina ho toy ny sakana amin'ny fahalalahan'ny haino aman-jery sy ny fahalalahana miteny io fanao io.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...