Nosamborina Ilay Bilaogera Egyptiana

(Marihina fa tamin'ny 3 Novambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Hoy ny  bilaogin'i Manal sy Alaa hoe :

Abdolkarim Nabil Seliman is a 21 year-old Egyptian student of law at the Azhar University, Damanhour Campus, a women's-rights activist and a correspondent for Copts United.

أطلقوا سراح المدون المصري عبد الكريم
In addition to writing at Civic Dialogue, he also publishes at a blog he maintains.

On Wednesday 26 October 2005, Egyptian State Security took Abdolkarim from his home, and confiscated hard copies of his writings. He is now on his way to an unknown detention. Three Egyptian bloggers visited Abdolkarim's family. The family attributed the state security raid to his writings, although it was not clear if his blogging is directly related. According to his brother, Abdolkarim's relations with Islamist Fundamentalists in his neighborhood of Moharram Bek, Alexandria, are tense. It is possible that the fundamentalists have filed a security complaint that led to his detention.

 Abdolkarim Nabil Seliman, mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy sady mpifandray amin'ny Copts United .

Mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaogy iray tantanany ihany koa izy ankoatra ny fanoratana ao amin'ny Civic Dialogue  .

Ny Alarobia 26 Oktobra 2005, naka an'i Abdolkarim tao an-tranony ny Fiarovam-pirenena Egyptiana , ary naka ireo dika mivaingana amin'ny asa sorany. Nentina ho any amin'ny toerana tsy fantatra izy avy eo. Bilaogera Egyptiana miisa telo no nitsidika ny fianakavian'i Abdolkarim. Nilaza ny fianakaviana fa noho ny asa sorany no anton'ny bemidina nataon'ny fiarovam-pirenena, na dia tsy mbola mazava aza raha toa ka mifandray mivantana amin'ny bilaoginy izany. Araka ny hevitry ny rahalahiny, mafana ny fifandraisan'i Abdolkarim amin'ny Fondamentalista Islamista, Alexandria, any Moharram Bek, akaikin'ny fonenany. Inoana fa mety nisy ny fitoriana nataon'ireo fondamentalista tany amin'ny mpitandro ny filaminana izay nahatonga ny fisamborana azy.

Vakio: Komity Mpiaro Ny Bilaogera , Bilaogy Egyptiana, ary http://technorati.com/tag/abdolkarim

Vaovao farany: Araka an'i Alaa, samy nitsidika ny fianakavian'i Abdel Karims avokoa ny digressing sy ny MalcomeX mba hanampy azy ireo kanefa nitatitra i Baheyya (ary nanamafy izany i Alaa ) fa mety ho mafy ny mahazo azy satria tena sahy miteniteny loatra amin'ny fanoherana ny finoana Islamo izy.

Fanampiny: Nandefa mailaka tany amin'ny bilaogera iray hafa (http://endehash.manalaa.net) i Abdolkarim ary nilaza taminy fa tsy matahotra ny hamoaka ny anarany mihitsy izy ao anatin'ny fanehoan-kevitra, satria mihevitra izy fa tsy mihoatra ny tsipika mena ny lahatsoratra saropady momba ny fivavahana izay nosoratany. Nolazainy ihany koa fa matahotra ny vokany izy satria efa nisy ny jiolahim-boto niafina nanafika sy nikasa ny hidaroka azy.

http://endehash.manalaa.net/kareem [via: Mostafa]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.