#FreeNganang: Voatazona Ao Amin'ny Fonjan'i Kondengui Ao Yaounde Ilay Kamerone Mpanoratra , Patrice Nganang
Alarobia 6 desambra lasa teo nosamborina tao Douala ilay mpanoratra Patrice Nganang raha toa ka nizara tao amin'ny Aterineto ny tantara kely mikasika ny dia nataony tao Kamerona miteny anglisy izy. Mikasika ny toe-draharaha henjana ao amin'ny faritra izay nanambaràn'ny filoha kamerone Biya ny fisian'ny vondrona mpampihorohoro ilay tantara keliny. 20%-n'ny vahoaka kamerone no miteny anglisy. Nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2016 ny krizy tao amin'ny faritra miteny anglisy raha nitaraina momba ny havitsian'ny fisoloana tena ny faritra misy azy any anatin'ireo andrim-panjakana lehibe ao amin'ny firenena (fianarana, ministera, sns.) ireo mpisolotena ny faritra miteny anglisy. Nihalalina ny krizy taorian'ny fitokonana notarihan'ireo mpisolovava sy mpampianatra miteny anglisy ho an'ny fanajana bebe kokoa ny anglisy any anatin'ny taratasim-panjakana ho toy ny tenim-pirenena ofisialy. Tamin'ny Oktobra 2017, niteraka ny fahafatesan’olona teo amin'ny fito ambin'ny folo teo farafahakeliny ny fanaparitahana tamin-kerisetra ireo fivorivoriana.
Fantatra noho ny toerany miavaka raisiny mikasika ny lohahevitra maromaro momba ny fiarahamonina ao Kamerona sy Afrika i Patrice Nganang. Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe ”Manohitra an'i Biya” izy noho izany, izay ankaherezany ny tanora ao amin'ny firenena mba ”hampiseho ny maha-olompirenena azy. Tsy mila mampianatra ny fahasahiana an'ireo tanora isika. Efa ananany izany. Tena mahita olona maro loatra aho miditra am-ponja noho ny heviny. Ny fanekena ny jadona, dia midika fialàna andraikitra.” Naka ny toerany ihany koa izy tao anatin'ny zava-mitranga ao amin'ireo firenena afrikana ka gaga noho izany tamin'ny fahitana ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonin'olontsotra maliana toa i Aminata Traoré milahatra miaraka amin'ireo miaramila mpanongam-panjakana.
Nosamborin'ny polisy tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Douala i Patrice Nganang raha toa ka teo am-piakarana fiaramanidina ho an'i Harare, renivohitr'i Zimbabwe. Ny antony iampangana azy dia: faniratsiràna ny filohan'ny Repobika, fifindràmonina tsy ara-dalàna ary fampiasana sy fanaovana hosoka.
Mirafitra ao amin'ny tambajotra sosialy ny firaisankina amin'ilay mpanoratra-mpikatroka. Nozaraina vondrona mpanoratra iray ny fanangonantsonia iray natao mba hangatahana ny famotsorana azy avy hatrany. 6992 ireo mpampiasa aterineto efa nanao sonia ilay fanangonantsonia tamin'ny 15 desambra 2017. Natsangana ihany koa ny sehatra fanangonam-bola mba hanampiana ny fianakaviany hiantoka ny sarany ho an'ny mpisolovava. Mamintina ny zava-nitranga talohan'ny fisamborana ilay mpanoratra ity lahatsary ity:
Mamaritra an'i Patrice Nganang toy izao ny fanangonantsonia nataon'ilay vondrona mpanoratra:
Mpitsikera henjana sy mahatsiaro tena tsy mba mandohalika, nanangana ny hetsika « Andian-taranaka Fanovana » izy ary efa nandritra ny taona maro no manao asa betsaka, sady eny amin'ny kianja no amin'ny sorany, manameloka ny fihizihiziana, mitsikera ny fahefana mpanao kolikoly. Afaka miantso azy ho adala isika, afaka tsy miombona hevitra aminy fa tena tsy azo ekena ny fanohizana ny fanaovana ny toy izao amin'ireo artista, mpanoratra na ireo hafa koa, izay manatanteraka ny heveriny ho marina, adidy amin'ny maha olom-pirenena ny famoahana ny fireneny hiala amin'ny fahasahiranana misy azy.
Manoratra ity taratasy manaraka ity ho azy i Boris Bertolt, mpanoratra ao amin'ny Actu Cameroun ary naman'ilay mpanoratra:
Efa ho herinandro izay ianao no nalaina an-kery tamin'ny fomba mampihomehy ary voatazon'ny fitaovana famoretana sy fampijaliana avy amin'ilay fahefana antitra indrindra tsy refesi-mandidy aty Afrika. Rehefa mieritreritra aho isanandro, isanalina momba anao, ny fanaintainanao, ny fijalianao. Tena maharary ahy ny tsy fahafahako manao na inona na inona mba hamoahana anao amin'ny fomba rehetra tsy ho eny an-tànan'ny fahefana tsy refesi-mandidy. Tena mila manam-pahaizana manolo-tena hanompo ny vahoaka, ny voaporitra i Kamerona. Ao Kamerona, ao anatin'izany sokajy izany ianao. Ireo manam-pahaizana mpanavotra. Ireo izay manao sorona ny fotoanany, ny heriny, ny volany, ny fianakaviany, ny zanany mba hananganana ny fiovàna.
Jean-Michel Devésa, mpampianatra ny literatiora frantsay ao amin'ny Oniversite ao Frantsa, dia manoratra taratasy misokatra ihany koa ho an'ny filoha frantsay Macron:
Tsy manana vaovao mikasika azy mihitsy ny fianakaviany. Tena mampanahy ahy mafy mihitsy ny hanjo ity namana mpiara-miasa ity izay navoakako tamin'ity taona ity ny bokiny. Miangavy anao aho, amin'ny alàlan'ity taratasy ity, mba hanao izay hahazoana antoka fa hanontany amin'ny fomba ara-diplaomatika ny firenentsika, ary araka ny fomba fanao, ny Fiadidiam-pirenena Kamerone mba ahazoana vaovao mikasika an'i Patrice Nganang, mba hahafantarana hoe salama tsara ve izy, ary mba hahafantarana ny toerana itazonana azy raha voatana izy. Miangavy anao ihany koa aho mba hanao izay rehetra vitanao mba hamotsorana an'i Patrice Nganang tsy misy hataka andro, indrindra fa mikitika ny zony fototra ny « fanjavonany » ary raha tsy izay dia ny fanagadrana tsy ara-dalàna azy.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...