Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

17 Desambra 2017

Tantara tamin'ny 17 Desambra 2017

Skypecast #2 Miaraka Amin'i Sokari Ekine

Tena lafatra ny fahenoana, mandra-pahatongan'ilay fahatapahana tampoka. Ary hamerina an'i Sokari tsy ho ela eo amin'ny fifandraisana izahay mba hanohizana ny resadresaka. Eo ampiandrasana, manolotra blaogy vitsivitsy i Sokari ho an'ny mpanangona ato amin'ny Global Voices... sy ho an'ireo izay mitady ireo feo mampientanentana avy ao Afrika.

Arabia Saodita: Fiverenan'ny Sinema ho an'ny Daholobe?

(Fanamarihana: Tamin'ny 22 desambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny anglisy) Voarara nandritra ny 30 taona ny sarimihetsika ho an'ny besinimaro tany Arabia Saodita, ary raha te hijery horonantsary any amin'ny efitra fijerena sarimihetsika lehibe ny olona ao amin'ny fanjakana dia tsy maintsy mandeha mankany amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Bahrain na Emirà...

Tontolom-bolongana Kambodziana: Fanazàrana +Rindrambaiko Amin'ny Teny Khmer = Resaka Bebe Kokoa?

Hahaliana ny hijery ny fomba fihetsiky ny fanjakana manoloana ny hevitr'ireo blaogera ary ny hoe hakaton-dry zareo sa tsia izy ireny.

#FreeNganang: Voatazona Ao Amin'ny Fonjan'i Kondengui Ao Yaounde Ilay Kamerone Mpanoratra , Patrice Nganang

''Tena mila manam-pahaizana manolo-tena hanompo ny vahoaka, ny voaporitra i Kamerona."

Mezcal : Fahaterahana Vaovao Indray Ho an'ilay Zava-Pisotro Nentim-paharazana Meksikàna

Hatrizay, noraisina ho zava-pisotro tsy be mpisafidy, efa lasa hita eny amin'ireo trano fisotroana raitra indrindra eto ambonin'ny tany ny mezcal ankehitriny, miaraka amin'ny fanatsarana mendrika azy.

Naroso Ny Fetiben'ny Rano Thailandey Mba Hampihenana Ny Zavo-tsetroka 

Matetika no lasibatry ny zavo-tsetroka vokatry ny fandoroana ny zavamaniry any amin'ny nosy manodidina an'i Sumatra i Malezia sy Singapaoro. Mankany Thailandy hatrany ny olona sasany hitady lanitra madio kokoa. Ankehitriny anefa dia toa mijaly noho ity fahasimban'ny tontolo iainana ataon'ny olombelona ity ihany koa ny faritra sasany any Thailandy.

Maraoka: Naneho Hevitra Momba Ny Daroka Baomba Famonoan-tena Tsy Nahomby Tao Meknes Ny Bilaogera

Herinandro mafapàna tao Maraoka. Voalohany, nisy horohorontany madinika namely ny firenena tamin'ny Alahady alina, ary avy eo fikasana fanaovana vy very aina tamin'ny daroka baomba tao an-tanànan'i Meknes.