Ny Vady Atolotra Sy Ny Anjara Toeran'ny Raiamandreny

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Lahatsoratra masiaka iray nataonà tovovavy safiotra Bangla-Kanadiàna manta vava:

Amin'ny volana aogositra ho avy, raha tsy manambady miozolomana io zazavavy io (“nomena alalàna” hitondra pakistaney *mampitahotra* izy),… toa hahita ny endrika matin-dRamatoa Reny. Raha toa ianao te-hanavotra ain-dreny Bengali iray 40 taona any ho any, mahasarika, malefaka somary mampivarahontsana,… misoratana anarana izao dieny izao.
Tsy maintsy toy izao ny mpangataka :
– matanjaka
– Bengali Miozolomana
– afaka manasonia ny anarany
– avy amina fianakaviana tsara iray izay tia mihazona ny vadiny amin'ny tady mahazaka

Mety hampihomehy ny olona ireo singa mahatsikaiky ao anaty lahatsoratra, saingy rehefa mamaky isan'andalana ianareo, henonareo ny toreonà vorona iray miriaria momba ny fangiazana azy anaty tranokely. Ahoana no hanoherany ny reniny izay nianiana tamina zavatra sahala amin'izany?

Farany amin'ny hoe:
Misorata anarana dieny izao ary aza avela hiaraka voafatotra mandrakizay ianareo. Azafady mariho fa omena alàlana hahazo fialantsasatra “mandrakizay”-ny mpisoratra miala amin'ny fiainam-panambadiana, manomboka iny andro iny aorian'ny lanonana fankalazana ny fampakarambady.

Eny, io no loza mahatsiravina ho an'ireo fanambadiana amboarina marobe rehefa naraiketin'ireo raiamandreny aziatika atsimo tsy ampiheverana. Rehefa mitady vady ho an'ny zanany ny raiamandreny, matetika hitrikitrihany ireo fitsipika fototra toy ny finoana, foko naviana, toebola, eny fa hatramin'ny tonom-bintana aza. Ny tsy fananana toetra mahasarika eo amin'ireo izay ho mpivady na koa karazana fifanakalozankevitra sasantsasany sy fifankahazoana an-tsaina mialohan'ny fanapahankevitra hivady, dia tena mampihorohoro ho an'ny olona iray nianatra sy manan-tsaina. Ary matetika izy ireo no tafalatsaka anaty fifandraisana tsy mampahazo aina izay tsy nonofinofisin'izy ireo akory. Mino aho fa mamaky ity hafatry ny zanany vavy ity i Ramatoa Reny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.