Fampiasàna ny Fanamarihana Mba Hifampiresahan'ny Sinoa Sy Ny Japoney

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)

AMPIASAO ITY FANAMARIHANA ITY: cn_jp_dialog

Nisy mailaka nifanaovanay Sinoa, Japoney ary Amerikana hifanakalozan-kevitra momba ny fomba tsara indrindra hanohanana adihevitra am-pahendrena momba ny fihenjanana eo amin'ny Sinoa sy ny Japoney izay nisy farany teo. Azo atao ny mamorona bilaogim-bondrona sy / na mpanangom-baovao araka izay mety hitranga eo, saingy niombon-kevitra izahay fa amin'ny alalan'ny rafitra fanamarihana technorati sy del.icio.us no mety ho fomba tsara indrindra hanombohana.

Koa ity ny tetika: Raha mamoaka zavatra ao amin'ny bilaoginao momba ny fihenjanana eo amin'ny Sinoa-Japoney, na adihevitra momba ny tantara Sinoa-Japoney, sy ireo olana mifandraika amin’izany ianao (na raha mampiakatra sary mifandraika amin’izany ao amin'ny aterineto), miangavy anao mba hanome izany ity fanamarihana manaraka ity ao amin'ny del.icio.us, Flickr, Furl, sy/na Technorati: cn_jp_dialog.

(Toromarika fanampiny: raha hanampy ny fanamarihana technorati ao amin'ny lahatsoratry ny bilaoginao ianao, dia ampio an’ity HTML manaraka ity ny lahatsoratra tianao hisy azy: <a href=”http://technorati.com/tag/cn_jp_dialog” rel=”tag”> cn_jp_dialog </a> – Fanamarihana: tsy velona intsony ity rohy ity)

(Raha toa ka mametraka ny fanazavanao eo ambanin'ny iray na maromaro amin'ireo rafitra rehetra ireo ianao, dia mipoitra ao amin'ity takelaka ity izany: http://www.technorati.com/tag/cn_jp_dialog – Fanamarihana: tsy velona intsony ity rohy ity)

Ireo Sinoa mpanoratra bilaogy no nitari-dàlana tamin'ny fampiasàna ny fanamarihana ho fomba iray hiresahana ireo olana – indrindra ny ara-pôlitika. Taorian'ny nanakatonana ny birao fandraketana SMTH tao amin'ny anjerimanontolo Tsinghua, dia nampiasa ny fanamarihana SMTH ireo Sinoa bilaogera hizaràna ireo vaovao sy fomba fijery manoloana ny zava-nitranga.

Manome fanazavana betsaka kokoa momba ny fomba fampiasana ny fanamarihana mba hananganana vondrom-pizarana vaovao sy hamoronana fifanakalozan-kevitra i Kevin Wen sy Andrea Leung.

Raha te hahalala momba ny fampiasana ny fanamarihana amin'ny ankapobeny kosa dia jereo ny lahatsoratr'i David Weinberger eto sy eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.