13 Oktobra 2017

Tantara tamin'ny 13 Oktobra 2017

Naato Indray Ny Asan'ny Orinasa Mpamokatra Herinaratra Mandeha Amin'ny Rano, Belo Monte Ao Brezila

Roa taona lasa izay, nomena fahazoan-dalana hiasa ny Tohodranon'i Belo Monte ao amin'ny faritra avaratry Parà any Brezila ary ao anatin'ny dingana farany amin'ny fananganana. Na izany aza, mbola miatrika fiampangàna fa manitsakitsaka ny zo ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ity orinasa mpamokatra herinaratra amin'ny alalan'ny rano ity.

13 Oktobra 2017

Mamaha Ny Olan'ny Olom-pirenena Ny Bilaogy

Mandeha amin'ny lalambe faran'izay mafy ianao (120km / ora) , miresaka amin'ny namana iray, tony. Tampoka teo dia nisy bisy fitateram-bahoaka iray nandeha mafy nihoatra anao ka nampanontany tena anao hoe: fa firy ny hafaingam-pandeha an'izany bisy izany? Ary nanapa-kevitra ny hanaraka ilay bisy ny mpamily.

13 Oktobra 2017

Però: Ny Ranom-boankazo Amazoniana

Alejandro, Peroviana monina any Kalifornia izay namaritra ny bilaoginy samihafa ho "tetezana eo anelanelan'i Kalifornia, Però, izao tontolo izao, ny tenako, izy ireo no fitaratra." Niverina tany Però izy vao haingana ary sambany nitsidika ny faritra avaratra atsinanan'i Amazonia sy naka sary maromaro mampiseho ny fivarotana sakafo eny an-dalambe ao an-toerana ho an'ny tranonkalan'ny bilaoginy mampilela-molotra Peru Food.

13 Oktobra 2017