Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Taombaovao Iraniana

(Marihina fa tamin'ny 21 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Hankalaza ny TAONA VAOVAO (1385), Norouz anio ireo Iraniana manerana izao tontolo izao . Mahavariana ny mahita fa bilaogera maro no mahatsiaro ireo gadra politika, bilaogera na tsia.

Vao namoaka hafatra fohy fiarahabana ny Taona Vaovao tao amin'ny bilaoginy ny mpanao politika reformista Iraniana roa sady bilaogera, Mostafa Moin sy Mohammad Ali Abtahi.

Nilaza i Moin (Persiana) fa lasa ny taona 1384 (taona teo aloha) miaraka amin'ny hamaminy sy ny alahelony rehetra ary mila mianatra lesona avy amin'izany isika .

Nirary taona feno fahasambarana i Abtahi, … sy fahaizana mijery ny zava-misy ho an'ny Iraniana rehetra (Persiana). Angamba mety manondro ny krizy nokleary ankehitriny ny zava-misy lazaina eto.

Miresaka momba an'i Osdanlou, mpitarika ny sendikan'ny fiara fitateram-bahoaka nogadraina, izay mbola any am-ponja i Farda Generation (Persiana). Milaza ilay bilaogera fa avelao hirehitra ho azy ny labozia mba hampisy fanantenana azy ho afaka amin'ny herintaona.

Miresaka momba ilay bilaogera nogadraina, Mojtaba Saminejad  i Hanif Mazroi (Persiana), bilaogera monina ao Iran, mpaka sary sady mpanao gazety. Manoratra ilay bilaogera fa nitsidika ny fianakavian'i Saminejad izy niaraka tamin'ny bilaogera maromaro hafa  .

Mampahatsiahy antsika i Noqte tahe khat (Persiana) fa taonan'ny Alika ny Taombaovao Iraniana .

Nilaza i  Abbas Maroufi , mpanoratra monina any Alemaina, sady poeta no bilaogera, (Persiana) fa nahatonga ny zava-drehetra ho tahaka ny lohataona ny fanafahana an'i Ganji.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.