Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Egypta: Mivavaka Manohitra An'i Mubarak Ao Anaty Metro

(Marihana fa lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2008 ity adika eto ity)

Tao anaty metrô i Wahda Masrya raha nandalo toe-javatra tsapany fa mila tantaraina, ka notantarainy izany:

كنت في المترو عندما دخلت إمراة شابة تحمل طفلا تتدلى رأسه للخلف فاقدا للوعي , عرضت عليها إحدى السيدات ان تجلس من اجل طفلها فردت عليها الأم الشابة “مبقتش تفرق ما هو ميت ميت من الكيماوي اللي بيأخدو كل يوم”تلك الكلمات أصابت كل الواقفات بالصدمة و بدأت الأسئلة تنهال على الأم الذي يعاني إبنها من ورم خبيث في المخ و هو عمرة لا يتجاوز الست سنوات و يتلقى علاجا كيماويا و يحتاج لنقل الدم و تعاني الأم لإيجاد كيس الدم لأن إبنها فصيلته نادرة و بعد قليل بدأت النصائح للام بالذهاب إلى مستشفى 57357 لتقيد إسم إبنها و ردت الأم بأنها فعلت ذلك و فعلت كل شيء من أجل إنقاذ حياة طفلها ….و أن كيس الدم هو الأساس الآن لحياة طفلها و هي بخلاف عدم وجوده فإنه يكلفها 85 جنية في المرة و هو ما لا تملكة و هنا صاحت إحدى السيدات بالدعاء على مبارك و زوجتة و أولادة جمال و علاء و عيالهم في تلقائية شديدة و وافقتها نساء المترو و تحولت عربة المترو إلى مظاهرة إحتجاجية ضد الحاكم و أولادة و أصحابة الذين خربوا مصر و جعلوا الفقر و المرض ينهش الأطفال و الكبار
و يا ويل اللي يمرض فيكي يا مصر
Tao anaty metrô aho raha nisy tovovavy iray mitrotro zaza niditra tao. Nomen'ny vehivavy iray hafa toerana izy mba hipetraka sy haka aina miaraka amin'ilay zaza, saingy niteny ilay vehivavy nanome toerana hoe: “tsy maninona, maty ny zanako noho ireo etona simika rehetra fohany isan'andro”.
Nandòna ny olona rehetra tao anaty metrô izany, ary tany amin'ilay vehivavy nanan-janaka nisy fivontosana teo amin'ny atidoha ny fanontaniana. Latsaky ny enin-taona eo ilay ankizy ary mararin'ny aretina simika izay mila fanomezan-drà, saingy tsy mety mahita ny kitapon-drà ilaina ny reniny satria tsy dia misy mpanana ny karazan-dràn'ny zanany lahy.
Fotoana fohy taty aoriana, nanoro-hevitra azy ny olona mba handeha any amin'ny hopitaly 57357 [1], saingy namaly izy fa efa nanao izay azony natao mba hamonjena ny ain-janany.. na izany aza, sarotra ny mahita kitapon-drà ho an-janany, izay singa tena ilaina amin'ny aretiny. Mitentina 85 livra ny kitapon-drà, kanefa tsy manana volabe tahaka izany izy. Tampoka teo, nivavaka mafy manohitra an'i Mubarak, ny vadiny sy ny zanany, Gamal sy Alaa, ary koa ireo zanany ny vehivavy iray hafa tao anatin'ny metrô. Avy eo, nanatevin-daharana azy ireo ny vehivavy hafa rehetra, ary nivadika hetsika manohitra ny filoha, ireo zanany lahy sy ny namany izay nanimba an'i Ejypta sy nampisy fahantrana sy aretina mamono ny rehetra- ny tanora sy ny antitra tao anaty metrô.

Ny Hopitaly [1] 57357, dia hopitalim-panjakana mpanao asa soa natsangana ho fitsaboana ny ankizy mararin'ny fivontosana na homamiadana. Ary ny antony niantsoana azy hoe 57357, dia satria izany no kaonty banky nosokafana saika tao amin'ny ankamaroan'ny banky Ejipsiana rehetra mba handraisana ny famatsiam-bola avy amin'ny olona ho fanohizana ny fanorenana ny tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.