21 Jolay 2017

Tantara tamin'ny 21 Jolay 2017

Japana: Herinandro Fampiofanana Ho Fisorohana ny Loza

  21 Jolay 2017

La première semaine de septembre au Japon est la Semaine de prévention des catastrophes [en japonais]. Au cours de cette semaine, les écoles, les organisations et les employés de bureau se réunissent pour organiser la formation de prévention des catastrophes. Des tremblements de terre, des inondations, des incendies et d'autres types de catastrophes sont simulés et chaque citoyen doit y participer. Herinandro natao ho an'ny Fisorohana ny Loza [amin'ny teny japoney] ny herinandro voalohany amin'ny Septambra ao Japana . Nandritra io herinandro io, nivory ny sekoly, ny fikambanana sy ny mpiasa birao mba hikarakara ny fananganana ny fisorohana ny loza. Ho lalaovina ny horohoron-tany, ny tondra-drano, ny afo sy ireo loza hafa, ary tokony handray anjara ny olom-pirenena rehetra .

Ny Tononkalom-pitiavana Shiliana An-tserasera

  21 Jolay 2017

ray amin'ireo fiteny iraisan'ny rehetra ny fitiavana. Pablo Neruda no iray amin'ireo poety Shiliana nanoratra tononkalo momba ny fitiavana . Nefa tsy ireo bilaogera Shiliana ihany no manana lahatsoratra misy ny tantaram-pitiavan'i Neruda ao amin'ny ADN nomerikany, fa toy izany ihany koa ireo bilaogera manerana izao tontolo izao.

Tontolo Iainana : Bilaogy Miresaka ny Tontolo Iainana, Angon-Dahatsoratra Manerantany

  21 Jolay 2017

Miresaka ireo olana marobe mahakasika manokana ny faritra misy azy, nefa mampitebiteby ny erantany ireo bilaogy miresaka ny tontolo iainana manerantany. Saintsainin'ny bilaogy Gorilla Protection (fiarovana ny Rajako) any RDC ny dikan'ilay fifanarahana fandriampahalemana. Avy amin'ny China Dialogue, ny fijerena ny tohin'ilay fihaonana momba ny ady amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro tany Bali, ary avy any Afrika Atsimo ireo fanehoankevitra momba ny fahatapahan'ny herinaratra vao haingana sy ny fifaninanana fiara tsy manimba tontolo iainana.