Indonezia: Fakàna An-keriny Ankizy Hakàna Vola

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007 ity adika eto ity)

Tsy dia mino ny antony mahatonga ireo olon-dratsy maka an-keriny ankizy mba hahatrarana ny tanjon'izy ireo ny olona ao Indonezia. Ny zavatra azo antoka dia mitombo ity toe-javatra ity ary mitombo haingana mampanahy. Ny “farany malaza indrindra” tamin'ny toe-javatra fakàna an-keriny ankizy toy izany dia ny famotsorana an'i Raisya, 4 taona omaly tolakandro rehefa nalaina an-keriny nandritra ny 9 andro tao Jakarta.

Satria manam-bintana kokoa noho ireo ankizy hafa ny zanakavavin'i Ali Said, filohan'ny vondrona Tanora Mpandraharaha Indoneziana (HIPMI), nahasarika ny haino aman-jery sy ny sampan-draharaha Indoneziana ny tranga nahazo azy. Ka na ny filoha Susilo Bambang Yudhoyono (SBY) tenany aza dia niangavy mafy mba hamotsotra azy farany izay haingana

Maro ireo sekoly nanamafy ny fepetra fiarovana mba hisorohana ny fiverenan'ny tranga toy izany. Izany hoe: mihevitra ny sekoly sasany fa tsy ampy ny fiarovana napetrany. Hoy ny tatitry ny Cheetezz:

Despite widespread calls for a greater focus on school security, some city private schools insist they have already taken appropriate action to protect their students.

The North Jakarta International School (NJIS), an elite school in Kelapa Gading, for example, says it already has comprehensive security arrangements in place.

The school says it assigns a teacher’s assistant to accompany students home on the school’s bus service.

But he said the school’s responsibilities did not extend to students who were driven home in private cars.

“Parents are fully responsible for the safety of children who are dropped off and picked up by their own driver,” said Ibu Ish, the transportation coordinator at NJIS.

She said the school kept the identity of all private drivers on file and obliged parents to report the hiring of new drivers to the school.

The principal of another elite institution, Gandhi Memorial International School (GMIS), said his school already had a comprehensive security arrangement but had boosted security somewhat in the wake of the kidnapping.

“Of course, schools should not become fortresses … but security and safety is rule number one for our school. How can we educate correctly without safety?” Ashok Pal Singh said Thursday.

“We have everything under surveillance (at our school),” he said,

Na dia teo aza ny antso faobe mba hifantohana tanteraka amin'ny fiarovana eny an-tsekoly, manizingizina ireo sekoly tsy miankina sasany fa efa nandray fepetra sahaza mba hiarovana ny mpianatra ao amin'izy ireo.

Ny Sekoly Iraisam-pirenena Avaratr'i Jakarta (NJIS), sekoly sangany ao Kelapa Gading, ohatra nilaza fa efa manana fepetra fiarovana ampy.

Nilaza ny sekoly fa manakarama mpampianatra lefitra mba hanaraka ny mpianatra any anatin'ny fiaran'ny sekoly rehefa mody any an-trano.

Saingy nilaza izy fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fanaterana mpianatra amin'ny fiara manokana ny sekoly.

“Tompon'andraikitra feno amin'ny fiarovana ny ankizy alaina sy aterin'ny saoferan'izy ireo manokana ny ray aman-dreny” hoy i Ibu Ish, mpandrindra ny fitaterana ao amin'ny NJIS.

Nilaza izy fa manana ny mombamomba ireo saofera manokana rehetra ao anaty antontan-taratasy ny sekoly ary manery ny ray aman-dreny mba hampilaza momba izay saofera vaovao any an-tsekoly.

Ny talen'ny fampianarana sangany iray hafa, Sekoly Iraisam-pirenena Fahatsiarovana an'i Gandhi (GMIS), kosa nilaza fa efa manana fepetra fiarovana ampy izy saingy nanamafy ny fiarovana indray taorian'ny fakàna an-keriny.

“Eny, tsy tokony ho lasa trano fiarovana ny sekoly … saingy ny fiarovana dia fitsipika laharana voalohany ho an'ny sekolinay. Ahoana no ahafahanay mampianatra araka ny tokony ho izy raha tsy misy fiarovana?” Hoy i Ashok Pal Singh tamin'ny Alakamisy.

“Arahinay maso avokoa ny zava-drehetra (ato an-tsekoly),” hoy izy,

Araka ny filazan'ny the Jakarta Post, nangataka vola teo amin'ny IDR 150 tapitrisa hatramin'ny 700 tapitrisa ireo naka an-keriny an'i Raisya ho takalon'ny famotsorana azy. Mahavariana, fa ny atidoha nikotrika ny fakàna an-keriny dia ny vadin'ny mpampianatra Koranika an'i Raisya ihany, izay midika fa ny olona ahiana dia olona fantatr'ity ankizy nalaina an-keriny ity tsara mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.