Maso Arabo: Bilaogera Ejypsiana Mpirahalahy Miozolomana Tsy Hita (10 Taona Lasa Izay)

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny Jolay 2007 ity adika eto ity)

Tsy hita ilay bilaogera Ejypsiana Ahmed Saad Domah, araka ny filazan'ny Mpanaramaso (Observatory) ny bilaogera, izay napetraka hanaramaso ny fisamborana sy ny herisetra mihatra amin'ireo bilaogera sy mpanoratra amin'ny aterineto ao amin'ny Tontolo Arabo.

Nandefa ity mailaka manaraka ity avy amin'ny loharano tsy fatam-piaviana ny tranonkala, nilaza ny mailaka fa nosamborina noho ny fanapariahana fanentanana fanangonan-tsonia an-tapitrisany mba hanoherana ny fitondran'ny Filoha Ejypsiana Hosni Mubarak i  Domah. Matetika mampiasa ny teny “tsy hita’ ho solon'ny ‘nalain'ny manampahefana an-keriny’ ny bilaogera rehefa manoratra momba ny fisamborana.

Tahaka izao manaraka izao ny mailaka nalefa tao amin'ny Observatory:

وصلت إلى مرصد المدونين عبر البريد الالكتروني الرسالة التالية:

تم أختطاف المدون والشاعر الإخوانى
أحمد سعد دومة صاحب مدون شاعر اخوان
وذلك إثناء وصلوله إلى مكان سكنه فى شارع 25 متفرع من شارع خمسين بالقرب من المؤسسة فى شبرا الخيمة
حيث أفاد مقرب منه أنه فوجئ بثلاثة رجال يهاجمون أحمد سعد ، وهو يقاومهم ولكنهم استخدموا عصابة فى تغمية عينه، واقتادوه إلى عربة شيفورليه بوكس نقل كحلى كانت تقف على ناصية الشارع الجانبى يعنى فى شارع 25 ، وكانت تقف بجوار هذه السيارة سيارة ميكروباص بيضاء ، أنزلوه من السيارة الشيفورليه إلى السيارة الميكروباص واقتادوه إلى جهة غير معلومة، وكانت الساعة حوالى العاشرة والنصف أوالساعة الحادية عشر من صباح الخميس 26/7

Naharay izao hafatra manaraka izao ny Mpanaramaso ny Bilaogera: nalaina an-keriny tao akaikin'ny trano fonenany ao amin'ny Lalana 25, sampan'ny Lalana 50, akaikin'ny Fianarana, ao Shubra Al Khayma ilay bilaogera Mpirahalahy Miozolomana sady poeta Ahmed Saad Domah, izay mitantana bilaogy Tononkalo Mpirahalahy. Nilaza ny loharanom-baovao akaiky azy fa gaga izy nahita lehilahy telo nanafika an'i Ahmed Saad, izay notoheriny. Notampenan'izy ireo avy eo ny masony ary nentiny tao anatin'ny fiarakaretsaka Chevrolet manga izy, izay nijanona tao amin'ny sisin-dalana ao amin'ny Lalana 25. Nisy fiara fitateram-bahoaka fotsy nijanona teo akaikin'ny fiara. Nafindran'izy ireo tao anatin'ilay fiara iombonana avy eo izy, izay nitondra azy tany amin'ny toerana tsy fantatra. Nitranga teo amin'ny 10:30 ora maraina na tamin'ny 11 maraina teo tamin'ny Alakamisy 26 Jolay izany.
وأفاد صديق أحمد سعد ، أنهم قالوا له مش قلنالك ماكلش دعوة بالحملة دي. وكان أحمد سعد، يجهز لحملة المليون وجه ضد نظام مبارك.
وحسبى الله ونعم الوكيل
أرجوا من الجميع التحرك، والتضامن
مع أحمد سعد
بوضع البانارات، أوبالاتصال بمن يعرفون من الحقوقيين
وجزاكم الله كل خير.
Nilaza ny naman'i Ahmed Saad fa niezaka nanakana azy tsy havitrika amin'ny fanentanana izy satria nanomana fanentanana fanangonan-tsonia an-tapitrasany hanoherana ny fitondrana Moubarak i Ahmed. Manantena aho fa hihetsika sy hanohana an'i Ahmed Saad ny rehetra amin'ny fametrahana sora-baventy sy fifandraisana amin'ny mpisolo vava. Hamaly soa anao anie Allah amin'ny asa tsara ataonao.
انتهى نص الرسالة، مع الملاحظة أن أحمد سعد منتسب بالعضوية إلى مرصد المدونين. أما مصدر هذا الخبر فهو فقط هذه الرسالة التي لم يفصح مرسلها عن هويته. وسيبقى المرصد منتظرا لأي تأكيد أو نفي لهذا الخبر سوى من أعضائه أو من آخرين ممن لديهم الخبر اليقين.
Ity ny mailaka voarainay. Tsara ny manamarika fa mpikambana ao amin'ny “Mpanaramaso ny Bilaogera” i Ahmed Saad. Tsy fantatra ny loharano niavian'ity vaovao ity. Mbola miandry fanamafisam-baovao sy vaovao fanampiny momba ity olana ity avy amin'ireo mpikambana sy mpamaky izay mahafantatra ny zava-nitranga ny Observatory.

Naneho hevitrta tamin'ny lahatsoratra, bilaogera Meedo nanoratra hoe:

يا جماعه الخبر حقيقي ومنشور على معظم المدونات
والمواقع .
لغاية دلوقت محدش عارف مكان أحمد فين
الامن اخطفه من الشارع ولحد الان لم يتم الافراج
Tantara marina ity ary notaterina tamin'ny bilaogy sy sehatra fiadian-kevitra rehetra amin'ny aterineto. Hatramin'izao, tsy misy mahafantatra ny misy an'i Ahmed. Nalaina an-keriny teny an-dalana izy ary mbola tsy navotsotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.