25 Mey 2017

Tantara tamin'ny 25 Mey 2017

Sodàna: Halabato Voarakitra Anaty Lahatsary?

  25 Mey 2017

Misy lahatsary iray ety anaty aterineto mampiseho hala-batom-pifidianana tao Sodàna. Nahiliky ny Kaomitim-Pifidianana Sodaney ny fiheverena hoe nisy ny hosoka tamin'ny fifidianana. Asehon'ilay lahatsary ireo manampahefana manesika vatom-pifidianana ao anaty vata. Ambaran'ireo vondron'ny mpanohitra fa porofoin'ilay lahatsary ny fiampangàna nataon-dry zareo momba ny fisian'ny hosoka nataon'ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antokon'ny Kaongresy Nasionaly (NCP)

Apps4Africa: Mampiasa Fampiharana Finday Ifarimbonana Hiatrehana Ny Fiovaovan'ny Toetrandro

Rising Voices  25 Mey 2017

Ezaka iray nataon'ny orinasan'ny rindrambaiko Ogandey nanomboka tamin'ny taona 2009 ny Apps4Africa. Miparitaka manerana ny firenena Afrika atsimon'i Sahara ankehitriny ny fanambin'ny Apps4Africa ary maro ny firenena nampiantrano izany nandritra ny volana Febroary sy Martsa 2012. Nokarakaraina tao an-drenivohitr'i Madagasikara Antananarivo ny hetsika fanentanana tamin'ny 16 Martsa 2012

Manana Mpandresy Ny Fifaninanana Lahatsary An-tserasera Momba Ny Mpanjifa Tompon'andraikitra

  25 Mey 2017

Lahatsary Kolombiana fohy no voafidy ho mpandresy tamin'ireo tafakatra famaranana iraisam-pirenena miisa 10 tamin'ny fifaninanana horonantsary fohy an-tserasera iraisam-pirenena faha-4 amin'ny Kolontsain'ny Mpanjifa Tompon'andraikitra. Hoan'ny mpifaninana amin'ny teny Espaniola mpamokatra horonantsary fohy avy ao Espaina sy Amerika Latina ny fifaninanana izay karakarain'ny ECODES sy ny Fitantanana Jeneralin'ny Fanjifana Governemantan'i Aragon.