Lolo, angatra, angano, lovantsofina

Full moonAnkalazaina ny 31 Oktobra ny Halloween any amin'ny ankamaroan'ny tontolo tandrefana ary ankalazaina ny 2 Novambra ny Fetin'ny Maty. Ireo andro roa ireo no hiheveran'ny velona fa ahatsiarovany ny maty, ary ahatsiarovana ireo lolo, angatra, angano ary lovantsofina ao anatin'ny tantara sy ny angano.

Ao anatin'ity songadina manokana ity no hikarohantsika ny lovantsofina sy ny anganom-bahoaka avy amin'ny firenena samihafa manerana izao tontolo izao mba hamantarantsika momba ireo olona efa lasan-ko-razana ireo sy ny fifandraisany amin'ny tontolo hita maso.

Tantara mampatahotra nofidian'ny Global Voices

Maro amin'ireo lahatsoratra ireo no nadikan'ny mpandika teny Lingua tamin'ny fiteny samihafa, tsidiho ny lahatsoratra tsirairay raha hijery izay fiteny efa voadika.

Lahatsary

Fetin'ny Maty ao Meksika (Día de los Muertos) avy amin'ny Mundo Hispano .

https://youtube.com/watch?v=86_Z0Nscs9g

Ity dia dokambarotra tamin'ny Halloween izay voarara tao Hong Kong fa lazaina ho mampatahotra loatra (miangavy anao mba tsy hijery izany raha toa ka matahotra ianao).

Andefaso mailaka i Juliana Rincón Parra raha manana rohy hafa hozaraina (sy hampitahorana!) ianao avy amin'ny bilaogy manerantany .

Lahatsoratra mifandraika fa tsy mampatahotra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.