
Elvis Flores. Sary avy amin'ny hetsika #FREEELVIS (#AVOTSORY-ELVIS), nampiroboroboan'ny VPITV.
Vaovao farany: navotsotra tamin'ny misasakalina, 6 Aprily 2017 i Elvis Flores. Nogadraina nandritra ny 9 ora izy ary voalaza fa voadaroka.
El camarógrafo de @VPITV, Elvis Flores, fue liberado a la medianoche de este jueves. Fue golpeado y estuvo 9 horas detenido ilegalmente pic.twitter.com/9SUThMOysF
— Marco Ruiz (@mruizsilvera) April 7, 2017
Navotsotra tamin'ny Alakamisy misasakalina ilay mpakasarin'ny VPITV, Elvis Flores. Voadaroka sy nogadraina tsy ara-dalàna nandritra ny 9 ora izy.
Ny folakandron'ny 6 Aprily 2017, nosamborin'ny manam-pahefana Venezoeliana i Elvis Flores, mpaka sary ao amin'ny fantsona antserasera VPITV (Venezoeliana mitady Vaovao). Nandefa ny fihetsiketsehana tao Caracas, izay nokarakarain’ ireo manohitra ny fitantanan'i Nicolás Maduro ny VPITV.
Notontosaina tamin'ny herinandro lasa ny fihetsiketsehana, taorian'ny nanafoanan'ny [mg] Fitsarana Tampony ny parlemanta [mg] sy nampisahanana ny asany ho an'ny [fahefana] mpanatanteraka sy ny Fitsarana Tampony tenany.
#URGENTE Este es el momento en que Elvis Flores, de @VPITV fue detenido por la PNB Desconocemos su paredero #6Abril pic.twitter.com/nl1hhL593J
— Marco Ruiz (@mruizsilvera) 6 de abril de 2017
#MAIKA Fotoana izao, raha nosamborin'ny PNB i Elvis Flores, avy ao amin'ny @VPITV. Tsy fatantray izay toerana misy azy. #April6
Tamin'ny fotoana nisamborana azy, nalain'ny polisy ny fitaovan'i Flore ary noterena hampitsahatra ny fandaharany avy eo ny VPITV, izay mbola tsy azo idirana amin'izao fotoana anoratana izao.
#Urgente La #PBN le quitó el equipo a nuestro camarógrafo durante la transmisión de la protesta en #Caracas pic.twitter.com/nQf5NUBBLh
— VPI TV (@VPITV) 6 de abril de 2017
#Maika Nalain'ny #PBN ny fitaovan'ny fakan-tsarinay nandritra ny fandefasana ny fihetsiketsehana tao #Caracas
Ny fantsona, izay mandefa ny vaovao amin'ny alalan'ny sehatra tahaka ny YouTube sy Periscope, dia nitsahatra tamin'ny fakana ny zava-nitranga tamin'ny fihetsiketsehana taona maro lasa izay mba hisorohana ny mety ho sazy ara-bola sy fanakatonana ataon'ny Komitim-pirenena misahana ny Fifandraisandavitra, izay efa nilaza teo aloha fa azo sokajiana ho fandrisihana herisetra ny fitateram-baovao fihetsiketsehana .
Casi 30 mil personas estaban viendo la transmisión de @VPITV por youtube cuando se la PNB se llevó al camarógrafo.
— Sam Aretuo (@nerdysinperro) 6 de abril de 2017
Olona efa ho 30 000 no teo am-pijerena ny fandaharan'ny @VPITV tao amin'ny Youtube raha nalain'ny PNB ny mpaka sary
CONFIRMADO: Camarógrafo de @VPITV está en el Helicoide. Lo acusan de grabar en zona se seguridad #CensuraEsDictadura #LibertadParaElvis
— Marco Ruiz (@mruizsilvera) April 6, 2017
VOAMARINA: Any Helicoide ny mpaka sarin'ny @VPITV. Nampangain'izy ireo ho mandrakitra vaovao amin'ny faritra arovana izy. #CensorshipIsDictatorship #FreedomForElvis
Tao anatin'ny taona vitsivitsy, indrindra tamin'ny fotoanan'ny fihetsiketsehana sy ny krizy, nitodika tao amin'ny tambajotra sosialy ny Venezoeliana ary mandefa fandaharana mivantana mba hahazoana vaovao ivelan'ny fantsona ofisialy, izay iharan'ny sivana tsy mitsaha-mitombo.
Matetika alefa ao amin'ny Periscope ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety sy ny fanambarana avy amin'ny antoko politika mpanohitra lehibe indrindra. Etsy andaniny kosa, mandefa ny fivoriany amin'ny alalan'ny YouTube ny Antenimieram-pirenena – izay tsy fantatry ny sampana mpanatanteraka ny fiasan'izy ireo.
Na dia teo aza ny fisamborana mpiserasera amin'ny tambanjotra sosialy sy ny fahasimban'ny fifandraisandavitra, mbola sehatr'ady ny aterineto ao Venezoela.